2014
Araho ny Mpaminany
Aprily 2014


Araho ny Mpaminany

Avy amin’ny Fivoriana Fampaherezam-panahy an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana izay natao tao amin’ny Brigham Young University–Idaho tamin’ny 5 Mey 2013. Mba hahitana ilay lahateny iray manontolo amin’ny dia midira ao amin’ny lds.org/broadcasts.

Sary
Loholona William R. Walker

Rehefa manaraka ny Filoha Monson isika ary miezaka ny hitovy Aminy dia azo antoka fa hahomby isika eo amin’ny fiezahantsika mba ho mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo mahatoky kokoa.

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nampianatra lesona tena tsara taona maro lasa izay. Tamin’ity fotoana ity dia nozaraina tamin’ny vondron’ireo Manampahefana Ambony izany izay nanao dia nankany Salt Lake City, Utah, ka maro tamin’izy ireo no avy tany amin’ny toerana maro manerana an’izao tontolo izao ary nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra izy tany aminy. Niara-nivory izahay mba handray torolalana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Apôstôly Roambinifolo.

Rehefa akaiky hiantomboka ilay fivoriana dia toa efa tao amin’ny toeram-pivoriana daholo ny rehetra afa-tsy ny Filoha Monson. Minitra maromaro talohan’ny hiantombohan’ilay fivoriana dia nijanona tsy nifampiresaka intsony izahay ary nipetraka tamim-panajana nihaino ny feonkira nolalaovina mialohan’ny fivoriana ary niandry ny fahatongavan’ny mpaminany amin’izay.

Niandry tamim-paharetana izahay rehefa tonga ny tamin’ny 9:00 maraina sy taorian’ny tamin’ny 9:00 maraina. Nisy olona iray nandeha nivoaka tamin’ny varavarana iray tao amin’ilay efitrano—mazava ho azy mba hijery sao dia misy hanampiana. Rehefa niverina izy dia nilaza hoe: “Ho avy tsy ho ela ny Filoha Monson.”

15 minitra taorian’izany dia niditra ny efitrano ny Filoha Monson. Nitsangana izahay rehefa niditra izy mba ho fanajana azy. Faly izahay nahita azy ary faly fa salama izy. Tsy nisy antony tonga dia niharihary ka nahatonga azy ho tara.

Tonga dia namantana teny amin’ny polpitra ny Filoha Monson ary nilaza hoe: “Ry Rahalahy, miala tsiny aho noho ny fahatarako fa nila ahy ny vadiko androany maraina.”

Tena taitra sy nanetry tena lalina aho ary tsy nitsahatra nieritreritra ny teny nolazainy.

Fivoriana tena manan-danja izany. Tafavory tao ireo mpitarika manana andraikitra ambony tao amin’ny Fiangonana, nefa naneho ohatra ho anay rehetra ny Filoha Monson. Nila azy ny vadiny ary nanokana izay fotoana nilaina izy mba hikarakarana azy. Lesona lehibe no nozaraina. Tsy tadidiko daholo ny zavatra rehetra nolazaina tamin’izay andro izay fa tadidiko kosa ilay lesona hoe: “Nila ahy ny vadiko.”

Manaraka ny Ohatra Asehon’ny Mpaminany

Te hanolotra fomba dimy ahafahana manaraka ny ohatra nasehon’ny Filoha Monson aho.

1. Afaka ny hanana toe-tsaina mihevitra zavatra tsara sy marina isika ary afaka ny ho faly.

Ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy, dia nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith ny “toetrany falifaly” (Joseph Smith—Tantara 1:28). Toetran’ny Filoha Monson koa ny “falifaly.”

Indray mandeha nilaza ny Filoha Monson hoe: “Afaka misafidy ny hanana toe-tsaina mihevitra zavatra tsara sy marina isika. Tsy afaka manova ny fitsokan’ny rivotra isika fa afaka kosa manova ny fipetraky ny lain-tsambo. Amin’ny teny hafa dia afaka misafidy ny ho faly sy hanana toe-tsaina mihevitra zavatra tsara sy marina isika na inona na inona toe-javatra iainantsika.”1

Indray andro aho niandry tao ivelan’ny efitrano fivorian’ny Fiadidiana Voalohany. Nasaina mba handray anjara tao anatin’ny fivoriana iray hiresahana momba ny tempoly aho. Nipetraka irery tamim-pahanginana tany ivelan’ilay efitrano aho. Nihevitra aho fa efa nivory ny Fiadidiana Voalohany ary hasaina mba hiaraka amin’izy ireo aho rehefa afaka minitra vitsy.

Rehefa nipetraka teo aho dia naheno olona nandeha nidina ny lalantsara nisiotsioka. Niteny tany an-tsaiko tany aho hoe: “Misy olona tsy mahatakatra ny fitsipika tokony harahina mihitsy. Tsy tokony handehandeha amim-pisiokana aty ivelan’ny biraon’ny Filohan’ny Fiangonana aty izany ianao.”

Fotoana fohy taorian’izay dia indro nipoitra avy tery an-jorony tery ilay mpisioka—ny Filoha Monson ilay izy. Faly sy manana toe-tsaina mihevitra zavatra tsara sy marina izy. Narahabainy tamin-katsaram-panahy aho ary nilaza izy hoe: “Hatombontsika afaka minitra vitsy ny fivoriana.”

Na dia mavesatra aza ny andraikitra sahininy ao anatin’ny Fiangonana iray manontolo dia ohatra iray amin’ny fahaizana mifaly sy fananana foana toe-tsaina mihevitra zavatra tsara sy marina izy. Tokony ho toy izany koa isika.

2. Afaka ny ho tsara fanahy amin’ny ankizy sy afaka ny ho feno fitiavana azy ireo isika.

Niresaka matetika momba ny ankizy i Jesoa. Miresaka matetika momba ny ankizy koa ny Filoha Monson mpaminaniny. Hitako, indrindra nandritra ireny fitokanana tempoly ireny ny fitiavany ny ankizy ary amin’ny alalan’ny ohatra asehony no ampianarany antsika ny fomba hitondrana azy ireo. Mifantoka any amin’ny ankizy izy isaky ny misy fitokanana tempoly. Tiany ny mampandray anjara azy ireo mandritra ny fotoana fametrahana ilay vato fototra ary manasa ankizy vitsivitsy foana izy mba hanisy simenitra kely ny vato fototra mba handraisan’izy ireo anjara ao anatin’ilay fotoana fanehoana marika fa vita ny tempoly iray. Ataony izay hahatonga izany hahafinaritra azy ireo. Mitsikitsiky be amin’izy ireo izy. Mampahery sy mandoka azy ireo izy. Mahafinaritra ny mijery izany.

Ilay fiarahabany feno fitiavana dia indraindray miseho amin’ny alalan’ny fipehany ireo rantsantanana dimy, fanetsiketsehany ny sofiny ary famporisihany mba hanao asa fitoriana sy hanambady any amin’ny tempoly.

Taona vitsy lasa izay dia voatendry hitokana ny Tempolin’i Oquirrh Mountain Utah ny Filoha Monson tamin’ny andro iray nitsingerenan’ny taona nahaterahany. Rehefa tonga teo amin’ny tempoly izy ka nanatona ny varavarana fidirana ao amin’ny tempoly dia nisy vondron’ankizy tafavory teo. Mazava ho azy fa fantatr’izy ireo hoe andro nitsingerenan’ny taona nahaterahan’ny Filoha Monson tamin’izay satria nanomboka nihira ny hira “Happy Birthday” ho azy izy ireo. Nijanona izy ary nanatrika azy ireo niaraka tamin’ny tsikitsiky be teny amin’ny endriny. Nanomboka nanetsiketsika ny tanany mihitsy aza izy toy ireny hoe izy no mitarika ny hira. Ary nampian’izy ireo hoe: “Ho lava andro iainana” tany amin’ny faran’ny fiverenan-kira. “Izay no tena tiako indrindra ao anatin’ilay hira,” hoy izy tamiko.

Tia azy ny ankizy sy ny zatovon’ny Fiangonana ary azon’izy ireo antoka fa tia azy ireo koa izy.

3. Afaka manaraka ny fitarihan’ny Fanahy isika.

Nolazain’ny Filoha Monson tamin’ny fomba tsara tao anatin’ireto teny ireto ny fahafoizan-tenany hanompo ny Tompo sy ny fanoloran-tenany hanaraka ny bitsiky ny Fanahy: “Ny toe-javatra iainana tena tsara indrindra fantatro eo amin’ny fiainana dia ny fahatsapana bitsika iray sy ny fanaovana asa mifanaraka amin’izany ary ny fahitana aty aoriana fa fahatanterahan’ny vavaka nataon’ny olona iray izany na nahazoana ny zavatra nilain’ny olona iray izany. Ary tiako foana ny Tompo hahafantatra fa raha misy zavatra tiany hatao dia eo i Tom Monson hanao izany ho Azy.”2

Tokony hiriantsika mba harahina izany tarigetra izany.

4. Afaka mitia ny tempoly isika.

Ny Filoha Monson dia ho fantatra ao anatin’ny tantara fa iray amin’ireo mpanorina lehibe tempoly teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Hatramin’ny naha-Filohan’ny Fiangonana azy tamin’ny Febroary 2008 dia nanohy ilay asa lehibe fanorenana tempoly izy. Tao anatin’ny enin-taona naha-mpaminany azy dia nanambara lamina hananganana tempoly 33 vaovao izy.

Hoy ny Filoha Monson hoe: “Enga anie isika hiaina ny fiainantsika amim-pahamendrehana, amin’ny tanana sy fo madio, mba hahafahan’ny tempoly hikasika ny fiainantsika sy ny fianakaviantsika.”3

Nanome ity fampanantenana tena tsara ity koa izy: “Rehefa tia ny tempoly sy mikasika ny tempoly ary miditra ny tempoly isika dia ho hita taratra eo amin’ny fiainantsika ny finoantsika. Rehefa miditra ireny trano masin’Andriamanitra ireny isika ary rehefa mahatsiaro ireo fanekempihavanana natao tao anatin’izany, dia ho afaka ny hahazaka ny fitsapana rehetra ary handresy ny fakam-panahy tsirairay.4

Ndeha isika hanaraka ilay lamina napetraky ny mpaminany ho antsika eo amin’ny fitiavana ny tempoly.

5. Afaka ny ho tsara fanahy sy feno fanajana ary feno fitiavana isika.

Ny Filoha Monson dia ohatra tena tsara iray eo amin’ny fanehoana fitiavana ny hafa. Ny asa fanompoany iray manontolo dia feno famangiana tokantrano; fametrahany ny tanany eo amin’ny loha sy fanomezana tsodrano; fanaovana antso an-tariby tampotampoka mba hitondrana fampaherezana sy famporisihana; fandefasana taratasy fankaherezana sy fiderana ary fankasitrahana; famangiana hopitaly sy toby fikarakarana olona ary fahitana fotoana hanatrehana fandevenana sy fiandrasam-paty na dia tena feno aza ny fandaharam-potoana.

Nandehandeha nanao soa toy ny ho nataon’ny Mpamonjy i Thomas Monson (jereo ny Asan’ny Apôstôly 10:38) sy nitahy ary nitia ny hafa. Izany no hery nampandroso azy teo amin’ny fiainany.

Nisy ohatra iray niavaka naneho ny hatsaram-panahin’ny Filoha Monson tamin’ny 2012. Rehefa nanakaiky ny fahavitan’ny Tempoly tsara tarehin’i Brigham City Utah dia nihaona tamin’ny Fiadidiana Voalohany aho mba hiresaka momba ny lamina hanaovana ny fitokanana izany. Noho i Brigham City izay adiny iray monja any avaratr’i Salt Lake City raha mitondra fiara, dia tena ho mora ho an’ny Filoha Monson ny nandeha tany amin’ilay fitokanana.

Saingy hoy ny Filoha Monson hoe “Toerana niavian’ny Filoha Boyd K. Packer i Brigham City, io Apôstôly lehibe izay nipetraka teo akaikiko nandritra ny taona maro dia maro tao amin’ny Roambinifololahy io. Tiako izy no hanana ny voninahitra sy tombontsoa hitokana tempoly any amin’ny toerana niaviany. Hijanona any an-trano aho ary homeko andraikitra mba hitokana ny Tempolin’i Brigham City ny Filoha Packer. Tiako ho andro manan-danja lehibe ho azy izany.”

Andro tena nahafinaritra izany ho an’ny Filoha Packer sy Rahavavy Packer, izay lehibe tao Brigham City koa. Nanohina tanteraka ny fihetsika feno hatsaram-panahy sy halemem-panahy nasehon’ny Filoha Monson tamin’ilay Apôstôly namany. Afaka ny ho tahaka izany daholo isika rehetra. Afaka mizara sy maneho hatsaram-panahy ary mieritreritra bebe kokoa an’ireo manodidina antsika isika.

Ny Lamin’ny Mpaminany iray

Nampianatra antsika ny fomba tokony hiainantsika ny fiainantsika ny Filoha Monson tamin’ny alalan’ireo hafatra tena tsara sy manentana ny fanahy nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana. Nampianatra antsika ny fomba hahatongavana ho mpanara-dia an’i Jesoa Kristy izy tamin’ny alalan’ny ohatra manokana nasehony izay niavaka sy tena tsara. Nanome antsika lamina arahina tokoa ny Tompo ho an’ny zavatra rehetra ary ny iray amin’ireo lamina ireo izay tokony katsahintsika ny hanaraka azy dia ny lamin’ny mpaminany malalantsika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa misy Andriamanitra any an-danitra izay mahalala antsika sy tia antsika. Nomeny mpaminany iray isika—mba hitarika sy hampianatra ary hitantana antsika amin’izao andro farany izao. Mino aho fa manantena antsika ny Tompo mba hitia ny mpaminany sy hanohana azy ary hanaraka ny ohatra nasehony.

Raisiko ho toy ny fitahiana lehibe ny miaina ao anatin’ny andro izay maha-mpaminanin’ny Tompo an’i Thomas S. Monson. Rehefa manaraka azy isika sy miezaka ny hitovy bebe kokoa aminy dia azo antoka fa hahomby isika eo amin’ny fiezahantsika ho mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo mahatoky bebe kokoa.

Fanamarihana

  1. “Messages of Inspiration from President Monson,” Church News, 2 Sept. 2012, 2.

  2. On the Lord’s Errand (DVD, 2008).

  3. Thomas S. Monson, “Fitahiana avy amin’ny Tempoly,” Liahona, Ôkt. 2010, 19.

  4. Thomas S. Monson, Be Your Best Self (1979), 56; nampiana fanamafisana.