2014
Nitondra Fanantenana ho Ahy ilay Fanomezan-toky
Aprily 2014


Nitondra Fanantenana ho Ahy ilay Fanomezan-toky

Juliana Fayehun, Lagos, Nigéria

Fotoana fohy taorian’ny nanambadianay mivady, dia nahazo zanaka lahy izahay. Rehefa nahita ny tsikitsikiny aho sy nijery ny masony dia nahatsapa fankasitrahana ho an’ny Ray any an-danitra. Amiko dia toa tanteraka ilay zanakay lahy. Nisaotra ny Tompo isan’andro izaho sy ny vadiko noho izany fanomezana tena sarobidy izany.

Tamin’ny 19 Febroary 2009, dia nampirina entana aho amin’ny fiomanako hiverina hianatra hamita ny taom-pianarako farany. Izaho sy ny vadiko dia tsy nahafantatra fa ny ampitson’io dia ho tratran’ny fanaviana ka ho faty ilay zanaka lahy malalanay.

Sarotra tamiko ny niaina izany zavatra izany. Tonga tany an-tranonay ireo mpikambana ao amin’ny paroasinay mba hitondra fampiononana ho anay tamin’ny alalan’ny soratra masina sy ny fihirana sy mba hivavaka miaraka aminay. Sarobidy tamiko ny famangiana feno fitserana nataon’izy ireo, saingy nitohy ny alaheloko noho ilay zanako lahy. Isaky ny mieritreritra azy aho, dia mihamavesatry ny ranomaso ireo masoko.

Efatra andro taorian’ny nahafatesany, dia nahazo fitaomam-panahy aho handalina ny Enseignements des Présidents de L’Eglise: Joseph Smith. Raha nitazona ilay boky aho, dia tafasokatra teny an-tanako teo amin’ilay toko mitondra ny lohateny hoe “Paroles d’espoir et de consolation au moment de la mort” ilay izy. Nanomboka namaky aho ary tena nanohina ahy tokoa ireo famoizana aina mampivarahontsana izay niainan’i Joseph sy i Emma fony izy ireo nanangana ny tokantranony. Rehefa tonga teo amin’ny ampahany notsongaina avy amin’ny lahateny nataon’ny Mpaminany tamin’ny fandevenana ilay zazavavy roa taona, dia tsapako ho toy ireny norarahana rano mangatsiaka ireny ny lohako ka nampitony ireo eritreritro feno alahelo.

Nantsoiko ny vadiko. Niara-namaky izahay hoe: “Napetrako … ny fanontaniana hoe, nahoana ireo ankizy, ireo zaza tsy manan-tsiny, no esorina amintsika. … Maro no esorin’ny Tompo, na dia ao anatin’ny fahazazana aza, mba hahafahan’izy ireo miala … ireo alahelo sy faharatsian’ity tontolo ankehitriny ity; madio loatra izy ireo, maha-te-ho tia loatra hany ka tsy mendrika ny hiaina ety an-tany; noho izany, raha tena mahatakatra isika, dia tsy tokony hitomany fa tokony hifaly noho izy ireo nafahana amin’ny faharatsiana, ary tsy ho ela dia ho azontsika indray izy ireo.”

Notohizan’ny Mpaminany hoe: “Mety hipetraka ny fanontaniana hoe—’ Moa ve ireo renim-pianakaviana hahazo ireo zanany indray any amin’ny fiainana mandrakizay? Eny! Eny! Ry reny, ho azonareo ny zanakareo satria hanana ny fiainana mandrakizay izy ireo, ary efa voaloa ny trosan’izy ireo.”1

Hatramin’ny namakianay ireo teny mamy ireo, dia lasa feno fankasitrahana ny vavaky ny mpianakavy ataonay noho ny fampanantenana fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hiaraka amin’ny zanakay lahy indray izahay.

Ankehitriny izahay dia manana zanaka telo mahafinaritra, izay iray tampo amin’ilay zanakay lahy nandao anay. Ampianarinay azy ireo ny filazantsara marina sy mandrakizay, izay hitarika azy ireo hiverina any amin’ny Rainy any an-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy azy ireo.

Fantatro fa marina ny hafatry ny Mpaminany Joseph Smith momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Ho feno fankasitrahana mandrakariva aho noho ny fanantenana sy ny fiadanam-po ary ny fahasambarana izay entin’izany ho an’ny fianakavianay—amin’ny lafiny roan’ny voaly.

Fanamarihana

  1. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith (2007), 176, 177.