2014
Miandry ny Fiposahan’ny Masoandro
Aprily 2014


Miandry ny Fiposahan’ny Masoandro

Julia Wagner, Ohio, États-Unis

Norakofan’ny aloka haizina ny efitrano raha izaho teo am-pandriana tsy natory fa nihaino ny fisefon’ny vadiko, niezaka ny namantatra raha matory izy. Vao roa andro lasa izay no nahafatesan’ilay zanakay vavy 12 taona noho ny loza tampoka izay nampivarahontsana. Nakimpiko indray ny masoko, saingy tsy nety nahita tory aho. Naniry mafy hiaraka amin’ny zanako vavy aho. Ny fahalalana rehetra momba ny drafitry ny famonjena dia tsy nanamaivana ny fanaintainan’ny falahelovana azy.

Rehefa nihangiran-dratsy ny andro, dia nahatsapa faniriana lalina tampoka aho. Hiposaka tsy ho ela ny masoandro, ary hitako tao an-tsaiko ny lanitra voarakotry ny hazavana mavokely malefaka. Tian’ny zanakay vavy ny loko mavokely. Ny fiposaky ny masoandro miloko mavokely no zavatra tena nilaiko mba hahatsapako fa akaiky azy indray aho.

“Ndao hijery ny fiposaky ny masoandro,” hoy aho nibitsibitsika tamin’ny vadiko izay mbola sondrian-tory.

Nijoro teo amin’ny lalan-kely izahay, nitodika tany atsinanana ary niandry … ka niandry. Na dia nihanazava aza ny lanitra, dia tsy hita fa takon’ny rahona manify ny masoandro.

Nankiniko teo amin’ny soroky ny vadiko ny lohako ary nisento aho, nataoko ho toy ny tsy maninona aho. Kanefa nitady mihoatra noho izany. Nila mihoatra noho izany aho. Azo antoka fa afaka manome ahy izany faniriako izany ny Ray any an-danitra rehefa avy naka ny zanaka vavy maminay hody any Aminy.

Rehefa nitodi-doha hiditra any an-trano ny vadiko, dia nijery tany aorianay izy nitodika niankandrefana, ary hoy izy, “Jereo!”

Nitodika aho. Voahodidina hazavana manopy mena sy mivolom-bolamena ireo rahona tao aorianay. Nisento aho ary nirotsaka tsimoramora ny ranomasoko. Tsara kokoa noho izay noeritreretiko izany. Nahatsapa ho toy ny nofihinin’ilay zanakay vavy aho. Nahafantatra aho fa ny Ray any an-danitra dia mahalala ny ratram-poko ka nandefa fampanantenana ho an’ny ho avy—fampahatsiahivana feno fitiavana mikasika ny fianakaviana mandrakizay sy ireo fotoana mahafinaritra rehetra izay mbola ho avy.

Nieritreritra matetika momba izany fotoana mahafinaritra izany aho sy ny fomba fijery vaovao izay azoko avy tamin’izany. Iza koa no handeha hitady ny fiposahan’ny masoandro avy any andrefana? Kanefa dia tany no niandry ahy ilay fahagagana natao ho ahy. Firifiry moa ireo fitahiana sy fahagagana izay tsy azoko noho izy ireo mitranga any amin’ny toerana izay tsy ampoiziko? Impiry impiry moa aho no nifantoka tamin’izay noheveriko ho tokony izy ka lasa tsy mahita ny voninahitr’izay tena izy?

Tsy nitsahatra nivavaka izahay mba hahazoanay fahagagana izay tsy nomena anay, kanefa rehefa nijery ny manodidina niaraka tamin’ilay fomba fijery vaovao aho, dia nahita ny fahagagana tamin’ny fiainan’ireo olona efatra izay nihatsara noho ny fanaovana fanomezana ny taovan’ny zanakay vavy, ny fahagagan’ny fitiavan’ny mpianakavy sy ny firaisan-kinan’ny paroasy, ary ny fahagagan’ny asa fanompoana. Nahatsapa alahelo lalina aho, kanefa nahatsapa fanantenana mahery ihany koa manenika ny fanahiko isaky ny mahita fiposahan’ny masoandro manopy mena sy filentiky ny masoandro miloko mavokely ary voninkazo mavokely eny amin’ny lalako.

Ankehitriny rehefa miposaka ny masoandro, dia mijery any atsinanana aho ary avy eo mitodika mijery any andrefana. Mitsiky aho eo am-pahitana fa misy hatrany ny fahagagana sy ny fitahiana miandry antsika—ary raha avelantsika dia hanamaivana ny alahelontsika hatrany ny masoandro.