2014
Mosesy
Aprily 2014


Ireo Mpaminanin’ny Testamenta Taloha

Mosesy

“Tena nanana ny naha-izy azy tokoa i Mosesy ka na i Kristy aza dia nofaritana ho toy ny Mpaminany tahaka an’io mpitarika ny vahoakan’i Isiraely fahiny io.”1—Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Teraka tany Egypta aho tamin’ny fotoana izay naha-voageja ny oloko dia ny Isiraelita izany. Noho ny fahatahorana ny fitombon’ny isan’ireo andevo Isiraelita dia nandidy ny hamonoana ny lehilahy Isiraelita rehetra i Farao raha vao teraka. Mba hiarovana ahy dia nafenin’ny reniko nandritra ny telo volana taorian’ny nahaterahako aho ary avy eo dia napetrany tao anaty fiara zozoro tao anatin’ireo zozoro teo amoron’i Neily. Hitan’ny zanakavavin’i Farao aho ary notaizany toy ny zanany.2

Rehefa nihalehibe aho dia nandao an’i Egypta ary nipetraka tany amin’ny tanin’i Midiana. Nahazo sitraka teo anatrehan’i Jetro izay mpiandry ondry sy mpisorona aho ary nanambady an’i Zipora zanany vavy. Nandray ny Fisoronana Melkizedeka avy tamin’i Jetro aho.3

Indray andro raha niandry ny ondry aman’osin’i Jetro aho dia niseho tamiko teo amin’ny roimemy nirehitra afo ny Tompo ary niantso ahy mba hanafaka ny zanak’i Isiraely amin’ny fanandevozana.4

Niverina tany Egypta aho ary nilaza tamin’i Farao mba hanafaka ny vahoakan’ny Tompo saingy vao mainka nampitomboany ny zioga nolanjain’izy ireo. Nofafazan’ny Tompo loza maro ny Egyptiana saingy nanamafy ny fony i Farao ary mbola nanda tsy hanafaka ny Isiraelita. Ny loza farany dia ilay anjely mpandrava izay namono ny lahimatoan’ny fianakaviana rehetra tany Egypta. Voaro tamin’ilay anjely mpandrava ny Isiraelita tamin’ny alalan’ny fanosorana ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ny tolam-baravarana roa sy ny tataom-baravarana ary tamin’ny alalan’ny fijanonana tao an-trano. Tamin’ny alalako no nanorenan’ny Tompo ilay Andro Firavoravoana ho toy ny ôrdônansy iray hanampy ny Isiraelita hahatsiaro io fahagagana io isan-taona.5

Io loza farany io no nahatonga an’i Farao hilavo lefona sy hanafaka ny Isiraelita. Saingy nanamafy ny fony i Farao taty aoriana ary nandefa ny miaramilany hanenjika ireo Isiraelita efa lasa. Nomen’ny Tompo hery aho mba hampisaraka ny Ranomasina Mena ary tafatsoaka tamin’ny alalan’ny fandiavana ilay tany maina izahay raha difotry ny ranomasina kosa ny miaramilan’i Farao.6

Dia notarihan’ny Tompo izahay namakivaky ny tany efitra tao anatin’ny andri-rahona raha atoandro ary tamin’ny andri-afo nony alina. Notohanany tamin’ny alalan’ny rano sy mana ary papelika izahay.7

Nihanika tany amin’ny tendrombohitra Sinay aho ary nijanona tany nandritra ny 40 andro ary nandray ny Didy Folo avy amin’ny Tompo. Rehefa niverina avy any an-tendrombohitra aho dia nanalavitra an’Andriamanitra ny Isiraelita ary nanamboatra ombilahy kely volamena mba hiankohofany. Tsy mendrika ny handray ny lalàna izay nomen’Andriamanitra ahy intsony izy ireo, ka dia novakiako hitresaka ilay vato fisaka nahitana izany. Niverina tany an-tendrombohitra aho ka nomen’ny Tompo ahy tany ilay lalàna ambany kokoa izay nantsoina tamin’ny alalan’ny anarako hoe—ny lalàn’i Mosesy.8

Nambaran’ny Tompo tamiko tany an’efitra ny fomba hanaovana ny tabernakely na ilay tempoly azo entina. Nolanjainay niaraka taminay nandritra ireo dia nataonay ny tabernakely mba hahafahanay mitsaoka ao anatin’izany. Tao anatin’ny tabernakely no nandraisan’ny olona ôrdônansy ary izaho dia niteny “nifanatrika tamin’ny [Tompo] tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany.”9 Nampisehon’ny Tompo ahy koa ny fomba hanamboarana ilay fiaran’ny fanekena izay zava-masina mipetraka tao amin’ny faritra tena masina indrindra ao anatin’ilay tabernakely, ny Masin’ny Masina.10

Rehefa nandefa “menaran’afo” mba hamaizana ny Isiraelita ny Tompo, dia nodidiana aho mba hanao menarana varahina sy hanatona izany amin’ny hazo lava mba hahafahan’izay rehetra voakaikitra mijery izany sy ho sitrana. Saingy noho ny avonavon’izy ireo sy ny fahatsoran’ilay zavatra atao dia maro no tsy nijery ary dia maty noho izany.11

Nataon’ny Tompo izay hirenireniavan’ny Isiraelita tany an’efitra nandritra ny 40 taona talohan’ny namelany azy ireo hiditra ny tany nampanantenaina.12 Tsy niditra tany aho fa “[noraisin’ny Tompo tao amin’ny fanahy ho any].”13