2014
Fampahafantarana ny Mpaminany Iray
Aprily 2014


Fampahafantarana ny Mpaminany Iray

Howard W. Hunter

I Howard W. Hunter dia nahazo ny Eagle Scout Award (valisoa lehibe indrindra azo noho ny fahavitana fandaharan’asan’ny Skoto ho an’ny zatovolahy) tamin’ny faha 15 taonany. Zavatra tena nahaliana azy ny tetiarana ary matetika izy no nandany fotoana nanao fikarohana tao amin’ny tranombokin’ny Fiangonana momba ny tetiarana na namangy fianakaviana. Nandritra ny naha-Apôstôly azy, dia nanampy tamin’ny fisafidianana ny toerana hasiana ny Brigham Young University Jerusalem Center izy. Nandritra ny naha- Filohan’ny Fiangonana azy, dia namporisika ireo mpikambana izy mba hanao fitsaohana matetika any amin’ny tempoly ary nanokana ny Tempolin’i Bountiful tany Utah izy roa volana latsaka talohan’ny nahafatesany.