2014
Fito Andro Mandra-pahatonga ny Paska
Aprily 2014


Ny Tokantranontsika, ny Fianakaviantsika

Fito Andro Mandra-pahatonga ny Paska

Ianao sy ny fianakavianao dia afaka mianatra mikasika ny zavatra nataon’i Jesoa fony Izy niaina teto an-tany. Atombohy ny Alahady alohan’ny Paska izany. Isan’andro dia vakio ilay soratra masina na ataovy ilay asa na hirao ilay hira (na hira iray hafa mikasika izany lohahevitra izany). Dia maneteza sarin’i Jesoa anankiray izay mifandray amin’ilay tantara ao anaty soratra masina ary apetaho eo amin’ny baoritra iray tsy misy na inona na inona izany. Rehefa feno daholo ilay baoritra dia efa ho tonga ny Paska!

Andro 1

Nalefan’ny Ray any an-danitra mba ho teraka ety an-tany ny Zanany Lahy Jesoa Kristy.

  • Lioka 2:4–7

  • “Il envoya son Fils aimé” (Recueil de Chants pour les Enfants, 20).

Andro 2

Efa ankizy kely i Jesoa. Afaka ny hitovy tahaka Azy isika amin’ny alalan’ny fanehoana hatsaran-toetra sy hatsaram-panahy.

  • Lioka 2:40, 52

  • “Jésus enfant” (Chants pour les Enfants, 34).

Andro 3

Nitandrina ny didin’Andriamanitra rehetra i Jesoa ary tafiditra tao anatin’izany ny didy mba hatao batisa.

  • Matio 3:13–17

  • “When Jesus Christ Was Baptized” (Children’s Songbook, 102).

Andro 4

Nanatanteraka fahagagana maro i Jesoa, toy ny fanasitranana olona narary, fanampiana olona jamba mba hahita indray ary fampitsaharana tafio-drivotra.

  • Marka 4:36–39

  • “Raconte-moi les histoires de Jésus” (Chants pour les Enfants, 36).

Andro 5

Nandritra ny Fiaraha-misakafo Farany dia nangataka ny mpianany i Jesoa mba handray ny fanasan’ny Tompo ho fomba hahatsiarovana Azy. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro isika dia afaka mahatsiaro ny Mpamonjy ihany koa.

  • Lioka 22:19–20

  • Resaho amin’ny ray aman-dreninao ny zavatra azonao atao mba hanampy anao hieritreritra mikasika an’i Jesoa mandritra ny fanasan’ny Tompo amin’ny Alahady ho avy izao.

Andro 6

Satria tia antsika ny Ray any an-danitra sy i Jesoa dia tonga tety an-tany i Jesoa mba hijaly noho ny fahotantsika mba hahafahantsika ho voavela sy hiverina any amin’ny Ray any an-danitra.

  • Lioka 22:41–44

  • Inona no zavatra azonao atao amin’izao fotoana izao mba hanehoana amin’i Jesoa fa feno fankasitrahana ianao noho ny sorona nataony?

Andro 7

Taorian’ny nandriany tao am-pasana nandritra ny telo andro dia nitsangana tamin’ny maty i Jesoa. Satria nitsangana tamin’ny maty Izy dia hitsangana amin’ny maty koa isika.