2014
Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Mpamonjy sy Mpanavotra
Aprily 2014


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano

Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Mpamonjy sy Mpanavotra

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Ahoana no hahafahan’ilay fahatakarana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy mampitombo ny finoanao Azy sy mitahy ny fiainan’ireo olona izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Anisan’ny anarana tena manan-danja manoritra an’i Jesoa Kristy ny hoe Mpanavotra,” hoy ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Ny hoe manavotra dia midika hoe manefa trosa iray. Ny hoe manavotra dia mety midika koa hoe mamonjy na manafaka, ohatra hoe amin’ny alalan’ny fandoavana onitra. … Ireo dikany tsirairay ireo dia maneho ny lafin-javatra samihafa tao anatin’ilay Famonjena lehibe notanterahan’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany, izay ahitana araka ny teny ao anatin’ny rakibolana ny hoe: ‘manavotra amin’ny fahotana sy ny sazy avy amin’izany, amin’ny alalan’ny fanaovana sorona ho an’ilay mpanota.’”1

Nilaza ny Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany Linda K. Burton hoe: “Ny Ray any an-danitra … dia nandefa ilay Zanany Lahitokana sy tonga lafatra mba hijaly ho an’ny fahotantsika sy ny fahoriantsika ary ireo zavatra rehetra izay toa tsy ara-drariny miseho eo amin’ny fiainantsika manokana.

“… Nisy vehivavy iray izay nianjadian’ny fitsapana sy fahoriana nandritra ny taona maro nilaza tamin-dranomaso hoe: Tsapako fa toy ny vola taratasy 20 dôlara efa tranainy aho—miforiporitra, rovidrovitra, maloto, efa nampiasaina be loatra ary misy marika tsy mety miala. Saingy … mbola vola taratasy 20 dôlara ihany aho.’ Fantatr’io vehivavy io fa … ny lanjany eo anatrehan’[Andriamanitra] dia ampy nandefasany an’ilay Zanany Lahy hanao sorona, ho azy manokana. Tokony hahafantatra ny zavatra fantatr’io vehivavy io ny rahavavy rehetra ato amin’ny Fiangonana.”2

Avy ao amin’ny Soratra Masina

2 Nefia 2:6; Helamàna 5:11–12; Mosesy 1:39

Avy amin’ny Tantarantsika

Ny Testamenta Vaovao dia ahitana ny tantaran’ireo vehivavy izay nampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy sy nianatra ary niaina ny fampianarany ary nijoro ho vavolombelona mikasika ny asa fanompoana sy ireo fahagagana nataony ary ny halehibeny.

Hoy i Jesoa tamin’ilay vehivavy teo am-pantsakana:

“Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.

“Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta. …

“Fantatro fa avy [ny Mesia], izay antsoina hoe Kristy: ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zava-drehetra.

“Hoy i Jesoa taminy: Izaho izay miresaka aminao no Izy.”

Dia “nandao ny sininy ravehivavy” ary nijoro ho vavolombelona momba Azy tany an-tanàna. (Jereo ny Jaona 4:6–30.)

Fanamarihana

  1. D. Todd Christofferson, “Fanavotana,” Liahona, Mey 2013, 109.

  2. Linda K. Burton, “Moa ve Voasoratra ao Am-pontsika ny Finoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?” Liahona, Nôv. 2012, 114.