2014
Philippines: Hery Ara-panahy eo amin’ireo Nosin-dranomasina
Aprily 2014


Mpisava Lalana any amin’ny Tany Tsirairay

Philippines: Hery Ara-panahy eo amin’ireo Nosin-dranomasina

Tao anatin’ny 53 taona monja dia niaina tanjaka sy fivoarana mahavariana ny Fiangonana tany Philippines, izay fantatra amin’ny hoe: “La Perle de l’Orient.”

Ho an’i Augusto A. Lim, ilay hafatra nozarain’ireo tovolahy misiônera anankiroa avy tany États-Unis dia toa nanamafy ireo fitsipika izay efa fantany fa marina. Amin’ny maha-mpisolo vava sy Kristianina azy dia nahatsikaritra i Augusto fa ny fotopampianarana toy ny fitohizan’ny fanambarana dia “zavatra efa ninoako na dia mbola tany amin’ny lycée sy oniversite aza aho.”1

Volana maro taty aoriana dia nanaiky ny hanatrika fivoriam-piangonana Alahady i Augusto ary nanaiky ny hanao ilay fanamby mba hamaky sy hivavaka momba ny Bokin’i Môrmôna. “Nanomboka namaky tamim-pahamatorana ny Bokin’i Môrmôna aho tao anatin’ilay toe-tsaina izay natoron’i Môrônia antsika fa tokony [hananana]. Nitantara izy hoe “Rehefa nanao izany aho niaraka tamin’ilay faniriana ny hahafantatra ny fahamarinan’izany—rehefa avy namaky andalana vitsivitsy—dia nahazo fijoroana ho vavolombelona aho.”2

Natao batisa tamin’ny Ôktôbra 1964 i Augusto Lim ary lasa mpisava lalan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tany Philippines, niaraka tamin’ny vadiny sy ny fianakaviany izay niditra ho mpikambana koa fotoana fohy taorian’izany. Ankehitriny taorian’ny fanaovana asa fanompoana tamim-pahatokiana am-polotaonany maro tao amin’ny Fiangonana—izay nahitana ny niantsoana azy ho Manampahefana Ambony tamin’ny 1992, ary izy no olona voalohany avy tany Philippines nanompo teo amin’io toerana io—dia maneho ny finoana sy ny fanoloran-tenan’ireo Olomasin’ny Andro Farany an’arivorivony maro mipetraka ao “La Perle de L’Orient” ny Rahalahy Lim.

Tany Lonaka Iray

Teo amin’ny 550 taona talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy teo dia nampanantena an’i Nefia mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny Tompo hoe: “Tsaroako ireo izay any amin’ny nosin-dranomasina,” ary “Izaho no mampitondra ny teniko an’ny zanak’olombelona, eny, na dia ho an’ny firenena rehetra ambonin’ny tany aza” (2 Nefia 29:7). Ho an’ireo rehetra izay namaky ireo teny miavaka ireo, dia misy vondron’olona iray avy any amin’ny “nosin-dranomasina” tonga ato an-tsaiko: Philippines.

Ny Repoblikan’i Philippines izay manakaiky ny 100 tapitrisa ny isan’ny mponina ao aminy dia tangoronosy iray lehibe izay ivondronan’ny nosy miisa 7100 eo ho eo any amin’ny morontsiraka atsimo atsinanan’i Azia. Firenena iray tsara tarehy an’ny faritry ny zanapehintany izany izay onenan’ny olona tsara fanahy sy mavitrika ary manetry tena. Kanefa ilay firenena dia toa mora tratran’ny horohorontany, rivo-mahery, fitroatran’ny afotroa, fiakaran’ny ranomasina sy ireo loza ara-boajanahary hafa ary ianjadian’ny olana ara-toekarena sy ara-piaraha-monina maro. Olana lavareny ny fihanahan’ny fahantrana ary efa niaina fotoana nisian’ny korontana ara-pôlitika sy olona ara-toekarena ireo olona any Philippines.

Saingy ho an’ireo izay efa zatra ny fomban’ny Tompo dia tany lonaka azo hambolena tsara ny voan’ny filazantsara i Philippines. Ankoatra ny fiteny Tagalog sy ireo fitenin-drazana hafa dia maro ireo olona any Philippines no miteny Anglisy izay tenim-pirenena ihany koa. Noho izy teo ambanin’ny fitondrana Espaniôla dia Kristianina ny 90 isan-jaton’ny mponina ary Silamo ny ambiny izay kely nefa misongadina.

Ny fanandramana voalohany mba hampiditra ny Fiangonana tany Philippines dia natao tamin’ny 1898 nandritra ny Ady nisy teo amin’ny Espaniôla sy Amerikanina tamin’ny alalan’i Willard Call sy i George Seaman, miaramila Olomasin’ny Andro Farany avy any Utah izay natokana ho misiônera talohan’ny nialan’izy ireo. Rehefa nanana fahafahana izy ireo dia nitory ny filazantsara, saingy tsy tonga hatrany amin’ny batisa izany.

Nandritra ny Ady Lehibe Faha II dia Olomasin’ny Andro Farany maro no niditra tany amin’ireo nosy niaraka tamin’ireo miaramilan’ny hery mikambana izay niroso hiady amin’ny fahavalony. Tamin’ny 1944 sy 1945 dia nisy andia-miaramila nanao fivoriam-piangonana tany amin’ny toerana maro ary Olomasin’ny Andro Farany izay miaramila sy mpiasa mpanohana maro no mbola tany Philippines rehefa tapitra ny ady. Anisan’izy ireo i Maxine Tate sy i Jerome Horowitz izay olona vao vita batisa vao haingana. Samy nanampy tamin’ny fampahafantarana ny filazantsara an’i Aniceta Fajardo izy roa ireo. Rehefa nanampy tamin’ny fanorenana indray ny tranon’i Aniceta tany amin’ny faritra iray voadaroky ny baomba tao Manille iny Rahalahy Horowitz dia nozarainy tamin’i Aniceta sy ny zanany vavy Ruth, ilay finoana vaovao noraisiny.

Nahazo fijoroana ho vavolombelona i Aniceta ary naniry ny hatao batisa saingy tsy nanome lalana ny hanaovana batisa ny olona tany Philippines ny Fiangonana tamin’izay satria tsy nisy vondron’ny Fiangonana nipetraka maharitra tany amin’ireo nosy. Nahafantatra ny fanirian’i Aniceta ny Loholona Harold B. Lee (1899–1973) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary tamin’ny naha-filohan’ny Komity Faoben’ny Miaramila azy, dia nanome alalana ny hanaovana batisa an’i Aniceta ny Loholona Lee. Ny Marainan’ny Paska tamin’ny 1946, dia nataon’ny miaramila iray Loren Ferre batisa i Aniceta Fajardo ary Filipiana voalohany fantatra fa lasa mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ankehitriny.

Ny Fiantombohan’ny Asa Fitoriana

Taorian’ny ady dia nisy vondrona an’ny Fiangonana naorina tany amin’ny toby roa an’ny tafika Amerikanina —Clark Air Base sy Subic Bay Naval Base—noho ireo miaramila Olomasin’ny Andro Farany izay niandrandra ny hanorenana rafitry ny Fiangonana mivaingana kokoa any Philippines. Notokanan’ny Filoha Joseph Fielding Smith (1876–1972) mba hitoriana ny filazantsara i Philippines tamin’ny 21 Aogôsitra 1955. Nanemotra ny fahatongavan’ny misiônera izay tsy tonga raha tsy tamin’ny 1961 anefa ireo famerana teo amin’ny lalàna.

Tamin’ny 1960 dia namangy an’i Philippines nandritra ny andro maromaro ny Loholona Gordon B. Hinckley (1910–2008), izay Mpanampy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany: “Nambarako ilay hevitra hoe hahomby tokoa toy ny any amin’ny toerana hafa manerana an’izao tontolo izao ny asa fitoriana eto.”3 Ny taona nanaraka izany rehefa natao ny fanomanana maro ary feno ireo taratasy nilaina izay nokarakarain’ireo mpikambana toa an’i Maxine Tate Grimm sy ny Filoha Robert S. Taylor avy tany amin’ny Misionan’i Far East Atsimo ary koa ireo namana tany ivelan’ny Fiangonana dia niverina tany amin’ireo nosy ny Loholona Hinckley mba hitokana indray an’i Philippines ho an’ny fanombohana ny asa fitoriana.

Ny 28 Aprily 1961, tany amin’ny faritra ivelany kelin’i Manille dia nihaona tamin’ny vondron’olona kely nahitana miaramila mpikambana sy Amerikanina nipetraka tao amin’ilay faritra ary mpikambana Filipiana iray—David Lagman—ny Loholona Hinckley ary nanolotra vavaka iray manokana manao hoe: “An’arivorivony maro no handray ity hafatra ity ary hahazo fitahiana amin’ny alalan’izany.”4 Vetivety dia lasa faminaniana ireo teny nolazain’ny mpanompo marin’ny Tompo ireo.

Tonga tany Manille ireo misiônera efatra voalohany—Raymond L. Goodson, Harry J. Murray, Kent C. Lowe, sy Nester O. Ledesma—herinandro maromaro taty aoriana. “Vetivety foana dia nanaiky amim-pahavitrihana ny filazantsara ireo Filipiana,” araka ny fanamarihan’ny Loholona Lowe. “Rehefa manapa-kevitra ny hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny lohan’ny fianakaviana dia ny tranga miseho matetika dia lasa miditra ho mpikamban’ny Fiangonana koa ny fianakaviana iray manontolo.”5

Miroborobo ny Fiangonana

Niroborobo ny asa ka tonga hatrany amin’ny nananganana ny Misionan’i Philippines izany tamin’ny 1967. Rehefa tonga ny faran’ny taona dia nisy mpikambana miisa 3193 tao amin’ny misiona ary ny 631 tamin’ireo dia olona vita batisa tamin’io taona io ihany. Vao tonga ny taona 1973 dia nahatratra 13.000 ny isan’ny mpikambana tao amin’ny Fiangonana tany Philippines. Ny 20 Mey 1973 dia naorina ny Tsatòkan’i Manille Philippines ka i Augusto A. Lim no filoha. Nozaraina ny misiona tamin’ny 1974 ka nahatonga ny fiforonan’ny Misionan’i Manille Philippines ary ny Misionan’i Cebu City.

Tamin’ny Aogôsitra 1975, dia tonga tany Manille ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) mba hiahy ny fihaonamben’ny faritra voalohany. Volana fisian’ny oram-baratra ny Aogôsitra ka nahatonga ny fanaovana dia ho sarotra kokoa ho an’ireo izay any ivelan’i Manille. Saika tsy nahavita izany ny fiara fitateram-bahoaka iray feno Olomasina avy tany Laoag City, saingy natosik’ireo Olomasina hivoaka ilay fotaka mandrevo ny fiarany ary nitalaho an’ilay mpamily izy ireo mba tsy hiverin-dalana. Nisy vondron’olomasina namakivaky tamin-kerimpo ny ranomasina tao anatin’ny oram-baratra tao anatin’ny telo andro mahery satria ny hany zavatra tena manan-danja hoy ny rahavavy iray dia ny mahita sy mihaino ny mpaminanin’Andriamanitra velona iray.

Nitsidika an’i Philippines indray ny Filoha Kimball tamin’ny 1980 mba hiahy fihaonamben’ny faritra iray hafa ary nihaona nandritra ny fotoana fohy tamin’ny filohan’ny Philippines Ferdinand Marcos koa izy. Nanomana ny lalana izay nahafahan’ny Fiangonana nanokatra ivontoerana fanofanana misiônera tany Philippines izany tamin’ny farany tamin’ny 1983 ary nahafahana nitokana ny Tempolin’i Manille Philippines ny taona taorian’izany. Naorina ny Vondrom-paritra Philippines/Micronésie izay nanana ny foibeny tany Manille tamin’ny 1987.

Nisy fantina avy amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nadika tamin’ny fiteny Tagalog tamin’ny 1987. Misy amin’ny fiteny maro izay ampiasaina any Philippines ny dikantenin’ny Bokin’i Môrmôna, ka tafiditra ao anatin’izany ny Cebuano.

Fitahiana avy amin’ny Tempoly

Tamin’ny Desambra 1980, dia nalefan’ny Filoha Spencer W. Kimball tany Manille ny talen’ny departemanta misahana ny fananana tany sy trano mba hitady toerana tsara iray hanorenana tempoly. Rehefa avy nijery toerana maro ilay tale dia nandefa fangatahana mba hividy tany 1.4 ha tany Quezon City. Hita misongadina eo amin’ilay Lohasahan’i Marikina ilay tany ary azo atao hoe mora ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana ny hahatongavana eo amin’ilay toerana. Nekena ilay fangatahana ary novidiana ny Janoary 1981 ilay tany. Novaina hoe Temple Drive ny anaran’ilay arabe izay fangatahana nataon’ny Fiangonana.

Mpikambana teo amin’ny 2.000 teo avy tany amin’ny faritra rehetran’ireo nosy no tonga tamin’ny alalan’ny sambo, fiaran-dalamby sy fiara fitateram-bahoaka mba hanatrika ny fotoan-dehibe fangadiana fototra tamin’ny 25 Aogositra 1982 na dia nisy rivo-mahery nanambana aza. Vetivety dia nanomboka ny fanorenana ny tempoly ary vonona ny hotokanana izany ny Aogôsitra 1984.

Mpikambana sy tsy mpikambana teo amin’ny 27.000 teo no nitsidika ny tempoly talohan’ny fitokanana izany. Tonga izy ireo na dia teo aza ny rivo-mahery roa—izay nifanelanelana 48 ora—izay namely an’i Philippines andro vitsy talohan’izany. Tonga ireo Olomasina avy tany amin’ny faritany lavitra izay reraka saingy feno fifaliana. Tamin’ny ankapobeny dia voatery tsy maintsy nivilivily lalana izy ireo nankany Manille satria tondraka ny lalana ary nosimbain’ny renirano niakatra ny tetezana.

Nanaitra ireo mpamangy ny hatsaran’ny tempoly ary tafiditra tao anatin’izany ireo olo-malaza Filipiana. Nilaza ilay mpanoratra Celso Carunungan hoe “misy fahamasinana tsapa ao, sy fahatsapana hoe rehefa miditra ao anatiny ianao dia hihaona amin’ilay Mpahary anao.” Nilaza ny Colonel Bienvenido Castillo, izay filohan’ny mpitondra fivavahana ao amin’ny tobin’ny Tafiky ny Pôlisy tao Philippines fa ny tempoly dia “toerana iray ahafahanao mieritreritra ireo zavatry ny lanitra satria ao anatin’ny tontolo iray toy izany ianao.” Nahatsapa ny masera anankiroa fa ny tempoly dia “dia tranon’ny Tompo marina.” I Eva Estrada-Kalaw, izay mpikambana iray tao amin’ny parlemantan’i Phillipines dia nilaza tamin’ireo mpitondra mpitsidika hoe, “Tokony mba manangana tempoly bebe kokoa eto ianareo.”6

Ny Filoha Hinckley, Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany fotoana izany no nitarika ny fotoana fametrahana ny vato fototra tamin’ny Talata 25 Septambra 1984. Nisy fivoriana fitokanana niisa sivy taorian’izany izay natao tao amin’ny efitrano selestialy. Olomasina teo amin’ny 6500 avy tany amin’ny tsatòka niisa 16 sy distrika niisa 22 tany amin’ny Vondrom-paritr’i Pasifika no nanatrika ireo fivoriana maro.

Raha vao vita ilay fivoriana fitokanana farany dia i Paulo V. Malit Jr. sy i Edna A. Yasona no olon-droa voalohany nivady tao amin’ny Tempolin’i Manille Philippines tamin’i 27 Septembra 1984. Ny filoha voalohan’izany tempoly izany izay W. Garth Andrus, no nanatanteraka izany fanambadiana izany.

Mpikamban’ ny Fiangonana maro no nilahatra mba handray ny fanafiany masina ka nanomboka tamin’ireo mpiasa mpanatanteraka ôrdônansy izany. Nitohy nandritra ny alina ny asan’ny tempoly hatramin’ny ampitso maraina.

Nahatsapa faniriana lehibe hiditra ny tempoly ny mpikambana. Ireo izay nipetraka lavitra an’i Manille dia tsy maintsy nahafoy tena be mba hanaovana ilay dia lavitra tamin’ny alalan’ny sambo na fiara fitateram-bahoaka. Saingy tonga ihany izy ireo sady nitondra tantaran’ny finoana sy fahavononana niaraka taminy.

Toy ny tsy azo ho tanterahana izany mihitsy ny fandehanana any amin’ny tempoly any Manille lavitra any ho an’i Bernardo sy Leonides Obedoza avy tany General Santos. Saingy toy ilay mpandranto iray izay lasa nandeha nivarotra izay nananany rehetra mba hividianana vatosoa sarobidy iray (jereo ny Matio 13:45–46), dia nanapa-kevitra ireto mpivady ireto fa hivarotra ny tranony hanaovana ilay dia mba hahafahan’izy ireo sy ny zanany ho voafehy toy ny fianakaviana mandrakizay. Taorian’ny nivarotan’izy ireo ny tranony sy ny ankamaroan’ny fananany dia nanao izay nahafahana nanangona ilay vola handoavana ny saran’ny sambo nitondra ny fianakaviany izay nisy olona sivy tany Manille izy ireo. Niahiahy i Leonides satria tsy nanana trano hiverenana izy ireo. Saingy nanome toky azy i Bernardo fa hanome izay ilainy ny Tompo. Nofehezina tany amin’ny tempoly tamin’ny 1985 mandritra izao fotoana izao sy mandrakizay ny fianakavian’izy ireo. Izany dia mendrika ny namoizan’izy ireo izany zavatra rehetra izany satria nahita fifaliana tsy manan-tsahala izy ireo tany amin’ny tempoly—ny vatosoa sarobidin’izy ireo. Ary marina ny nolazain’i Bernardo fa tena nanome izay ilaina tokoa ny Tompo. Rehefa niverina avy tany Manille izy ireo dia nisy olom-pantatra tsara fanahy nanome azy ireo toerana hipetrahana. Nahavita ny fianarany ny zanak’izy ireo ary nahazo ny tranony manokana tany amin’ny toerana iray vaovao ny fianakaviana tamin’ny farany.

Tamin’ny 18 Aprily 2006, dia nambaran’ny Fiadidiana Voalohany ny fananganana ny Tempolin’i Cebu City Philippines. Rehefa naheno izany vaovao izany ny mpikambana maro dia latsa-dranomasom-pifaliana. “Voatahy isika satria nofidian’ny Tompo ho toerana hananganana ny tempoly manaraka i Cebu City,” hoy i Cesar Perez Jr., talen’ny Institiota Fianarana ny Filazantsara tao Cebu City.

Volana vitsivitsy taorian’ny fitokanana ny Tempolin’i Cebu City Philippines dia nahita antony iray indray hanehoana fifaliana ireo Olomasin’ny Andro Farany Filipiana. Ny 2 Ôktôbra 2010 tao anatin’ny lahateny fanokafana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana dia nambaran’ny Filoha Thomas S. Monson ny fanorenana ny Tempolin’i Urdaneta Philippines tany Pangasinan.

Mbola Ho Avy ny Tsara Indrindra

Azo atao hoe mbola tanora ihany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany raha oharina amin’ny fisiany any amin’ireo firenena hafa, saingy mamirapiratra ny hoaviny ao anatin’ilay firenena tangoronosy. Tena nahatalanjona ny fivoaran’ny Fiangonana ary mbola ho avy ny tsara indrindra. Hoy ny Loholona Michael John U. Teh ao amin’ny Fitopololahy izay Filipiana faharoa voantso ho Manampahefana Ambony hoe: “Mila miomana ara-panahy bebe kokoa mihoatra noho ny teo aloha izahay [Olomasin’ny Andro Farany Filipiana] satria handroso hatrany ny asa na miaraka na tsy miaraka amin’ny fanampianay.”7

Raha ny marina ao anatin’izao fizotran’ny taonjato faha-21 izao, dia hitohy hitombo ny halehiben’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny sy ny fitarihana entiny rehefa mihamaro kokoa ny Filipiana manaiky ny hafatra zarainy ary ho lasa fitahiana ho an’ity vahoaka miavaka eto amin’ireto nosin-dranomasina ireto izany. Ho an’ny Loholona Teh sy ireo Olomasina Filipiana, dia efa eo am-pahatanterahana ny “fampanantenana [lehibe nataon’ny] Tompo amin’ireo izay eo amin’ny nosin-dranomasina” (2 Nefia 10:21).

Fanamarihana

  1. Augusto A. Lim, ao amin’ny R. Lanier Britsch, “‘Faithful, Good, Virtuous, True’: Pioneers in the Philippines,” Liahona, Feb. 1998, 44.

  2. Augusto Lim, ao amin’ny Gelene Tobias, “Augusto Lim: The Man of Many Firsts,” countrywebsites.lds.org/ph/index.php/dateline-philippines/jubilee-2011.

  3. Jereo ny Sheri L. Dew, Go Forward with Faith: The Biography of Gordon B. Hinckley (1996), 213–15.

  4. Gordon B. Hinckley, “Commencement of Missionary Work in the Philippines,” Tambuli, Apr. 1991, 18.

  5. Tafa sy Dinika tamin’i Kent Clyde Lowe nataon’i James Neil Clark, 3 Sept. 2007.

  6. Francis M. Orquiola, “Temple Dedication Rewards Faith of Filipino Saints,” Ensign, Nôv. 1984, 107.

  7. Michael John U. Teh, “Scriptures and Spiritual Preparation” [Area Presidency Messages, Mey 2011].

Ny Fitombon’ny Isan’ny Mpikambana ao Philippines

1967: 3.193

1970: 13.000

1980: 17.424

1990: 237.000

2000: 373.000

2012: 661.598