Mampiasa ny Drafitry ny Famonjena mba Hamaliana Fanontaniana

Nosoratan’i LaRene Porter Gaunt

Gazetibokin’ny Fiangonana

Atao printy Hizara

    Rehefa manana fanontaniana isika na ny hafa mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia fantatsika ve hoe aiza no ahitana ny valiny?

    Miaina ao anatin’ny fotoana mampientanentana isika. Mivoaka avy ao amin’ny “haizina” (F&F 1:30) ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Vokatr’izany dia zanaky ny Ray any an-danitra maro kokoa izay avy amin’ny finoana hafa no mandre mikasika ny “Môrmôna.” Ny sasany dia maheno zavatra hafahafaha sy mampisafotofoto. Ny sasany maheno zavatra izay efa mahazatra azy ary mankahery. Misy olona avy amin’ireo vondron’olona roa ireo mety manatona antsika mba hitady ny valin’ny fanontaniany. Maro ireo valim-panontaniana hita ao amin’ny drafitry ny famonjena izay fantatra koa amin’ny hoe ny “drafitra lehiben’ny fahasambarana” (Almà 42:8).

    Ireto no fanontaniana tena be mpametraka: “Avy aiza no niaviako?” “Nahoana aho no eto?” ary “Ho aiza aho aorian’ity fiainana ity?” Ireo fanontaniana ireo dia azo valiana amin’ny alalan’ireo fahamarinana hita ao amin’ny drafitry ny famonjena. Ity lahatsoratra ity dia manome ny valiny sasantsasany izay nomen’ny soratra masina sy ny mpaminany malalantsika, Filoha Thomas S. Monson mikasika ireo fanontaniana ireo.

    Avy aiza no niaviako?

    Isika dia olona manana fahafahana hiaina mandrakizay. Niaina niaraka tamin’Andriamanitra isika talohan’ity fiainana ity tamin’ny naha-zanaka niendrika fanahy antsika. “[Nampianatra] ny Apôstôly Paoly hoe ‘terak’Andriamanitra isika’ [Asan’ny Apôstôly 17:29],” hoy ny Filoha Monson. “Noho isika mahafantatra fa ny vatantsika dia nateraky ny ray aman-dreny mety maty dia tsy maintsy mikaroka ny dikan’ny teny nambaran’i Paoly isika. Nanambara ny Tompo fa ‘fanahy sy vatana no atao hoe olona velona’ [F&F 88:15]. Noho izany ny fanahy no terak’Andriamanitra. Ny mpanoratra ny Hebreo dia miantso Azy ho toy ny ‘Rain’ny fanahy’ [Hebreo 12:9].”1

    Nahoana aho no eto?

    Hoy ny Filoha Monson mikasika ny fiainantsika eto an-tany: “Tokony ho feno fankasitrahana isika fa nisy Mpahary hendry izay nanamboatra ny tany ary nametraka antsika ety miaraka amin’ny voalin’ny fanadinoana ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana mba hahafahantsika miaina fotoam-pisedrana iray izay fotoana ahafahana manaparofo ny maha-izy azy antsika mba ho mendrika ny hahazo izay rehetra nomanin’Andriamanitra ho antsika isika.

    “Mazava fa ny iray amin’ireo tanjona voalohan’ny fiainantsika eto an-tany dia ny hahazo vatana nofo sy taolana. Manana ny fahafahana misafidy koa isika. Manana tombontsoa hisafidy ho an’ny tenantsika amin’ny fomba maro isika. Mianatra ny zava-tsarotra takian’ny fiainan’ny tena manokana isika ety. Manavaka ny tsara sy ny ratsy isika. Mahita ny fahasamihafan’ny mangidy sy ny mamy isika. Hitantsika fa misy vokany izay zavatra ataontsika.”2

    Ho aiza aho aorian’ity fiainana ity?

    Tonga amin’ny rehetra ao amin’ny fianakavian’ny olombelona ny fahafatesana. Saingy “raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?” (Joba 14:14). “Fantatsika fa tsy ny fahafatesana akory no farany,” hoy ny Filoha Monson. “Io fahamarinana io dia efa nampianarin’ireo mpaminany velona tao anatin’ny vanim-potoana maro. Hita ao anatin’ny soratra masintsika koa izany. Hitantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireto teny miavaka sy mankahery ireto:

    ‘Ankehitriny, raha ny momba ny toetry ny fanahy eo anelanelan’ ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin’ ny maty—Indro, izany dia efa nampahalalain’ ny anjely iray ahy, satria ny fanahin’ ny olon-drehetra, raha vantany vao miala ity vatana mety maty ity, eny, ny fanahin’ ny olon-drehetra, na tsara izy na ratsy, dia entina mody any amin’ Ilay Andriamanitra izay nanome aina azy.

    ‘Ary amin’ izany ny zavatra hitranga, ny fanahin’ ireo izay marina dia raisina ao amin’ ny toetry ny fahasambarana izay antsoina hoe paradisa, dia ny toetry ny fitsaharana, ny toetry ny fiadanana izay hialany sasatra amin’ny fahasahiranana rehetra sy ny fiahiahiana rehetra ary ny alahelo.’ [Almà 40:11–12].”3

    Aorian’ny fitsanganantsika amin’ny maty dia mandeha any amin’ny fanjakana selestialy miaraka amin’ny voninahitra mitovy amin’ny masoandro isika, na any amin’ny fanjakana terestrialy miaraka amin’ny voninahitra mitovy amin’ny volana, na any amin’ny fanjakana telestialy miaraka amin’ny voninahitra mitovy amin’ny kintana, na any amin’ny haizina ivelany (jereo ny F&F 76).

    Misy marina ve Andriamanitra? Misy ve i Satana?

    Samy tao anatin’ilay Filankevitra lehibe tany an-danitra talohan’ny nahaterahantsika ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ary i Satana. Anisan’ny tao anatin’ny drafitry ny famonjena ny nangatahan’ny Ray any an-danitra olona iray handeha ety an-tany sy hanonitra ny fahotantsika. Hoy izy hoe: “Iza no hirahako? Ary namaly ilay anankiray izay [Jesoa Kristy] izay tahaka ny zanak’Olona hoe: Inty Aho, iraho Aho. Ary ny anankiray hafa [Satana] dia namaly hoe: inty Aho, iraho Aho. Ary hoy ny Tompo hoe: Haniraka ny voalohany Aho.

    “Ary tezitra ilay faharoa [Satana] ka tsy nitana ny toetrany voalohany; ary tamin’izay andro izay dia maro no nanaraka azy” (Abrahama 3:27–28; jereo koa ny F&F 29:36–37; Mosesy 4:1–4).

    Moa ve isika manana hery hanoherana ny fakam-panahin’i Satana?

    Ny iray ampahatelon’ny fanahy izay nisafidy ny hanaraka an’i Satana taorian’ilay Filankevitra tany an-danitra dia noroahina niaraka taminy. Nitoetra ho fanahy tsy nanana vatana izy ireo sy i Satana. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Manana fahefana amin’ ireo izay tsy manam-batana ireo olombelona rehetra manam-batana.”4 Noho izany dia afaka maka fanahy antsika i Satana saingy manana hery hanoherana izany isika.

    Nahoana indraindray no toy ireny hoe tsy mamaly ny vavaka ataoko ireny ny Ray any an-danitra?

    “Ny vavaka dia asa iray entina hampifanarahana ny sitrapon’ny Ray amin’ny sitrapon’ny zanaka. Ny tanjon’ny vavaka dia tsy ny hanova ny sitrapon’Andriamanitra” (Bible Dictionary, “Prayer”). Ny vavaka dia fitaovana iray manampy antsika hanapa-kevitra raha toa ka hampiasa ny fahafahantsika misafidy isika mba hampifanarahana ny sitrapontsika amin’ny an’Andriamanitra (jereo nyAbrahama 3:25). Mamaly foana ny vavaka ataontsika ny Ray any an-danitra, saingy ireo valiny ireo dia mety hiseho amin’ny hoe eny na tsia na aoka aloha. Zava-dehibe ny fanajana ny fotoana.

    Nahoana aho no manana olana nefa miezaka ny miaina fiainana tsara?

    Anisan’ny ao anatin’ny drafitry ny famonjena ny olana. Manampy antsika mba hatanjaka sy hivoatra izany ary manadio antsika rehefa miantehitra amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany isika. Manohana antsika ao anatin’ireo olana atrehantsika ny Ray any an-danitra. Ny fitsapana atrehantsika dia “manome [antsika] traikefa, ary ho soa ho [antsika] izany” (F&F 122:7).

    Ahoana no ahafahako mahafantatra ny hoe tsara sy ny hoe ratsy?

    Teraka niaraka tamin’ilay Fahazavan’i Kristy ny zanak’Andriamanitra rehetra izay manampy antsika “hanavaka ny tsara amin’ny ratsy” (Môrônia 7:16). Ankoatra izany, ny Fanahy Masina dia afaka mijoro ho vavolombelona amintsika ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika momba ny fahamarinana miaraka amin’ny fahatsapana fiadanana sy hafanana anaty (jereo ny F&F 8:2–3).

    Moa ve aho afaka ny ho voavela rehefa nanao fahotana lehibe?

    Fantatr’Andriamanitra fa hanota daholo isika rehetra rehefa nianatra ny fanaovana safidy eo amin’ny tsara sy ny ratsy.5 Ny fahotana rehetra anefa dia misy fanasaziana miaraka aminy. Takian’ny fahamarinana ny hampiharana ny fanasaziana. Tao anatin’ny famindram-pony no namelan’ny Ray any an-danitra an’i Jesoa Kristy mba hanatanteraka ny Sorompanavotana sy hanefa ny fitakian’ny fahamarinana ho antsika rehetra (jereo ny Almà 42). Amin’ny teny hafa ilay fijalian’i Kristy tao Getsemane sy ny fahafatesany teo Golgota no nanefa ny saran’ny fahotantsika rehetra raha toa ka manaiky ny Sorompanavotana isika amin’ny alalan’ny fibebahana sy fandraisana ireo ôrdônansin’ny filazantsara. Ho voavela ny fahotantsika (jereo ny F&F 1:31–32).

    Asehoy ireo fanovozan-kevitra

    Fanamarihana

    1. 1.

      Thomas S. Monson, “The Race of Life,” Liahona, Mey 2012, 91; jereo koa ny Abrahama 3:22–26.

    2. 2.

      Thomas S. Monson, “The Race of Life,” 91–92; jereo koa ny Almà 34:32–34.

    3. 3.

      Thomas S. Monson, “The Race of Life,” 93; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:59–111.

    4. 4.

      Enseignements des Présidents de l’ Église: Joseph Smith (2007), 211.

    5. 5.

      Tsy afaka manota ny ankizy kely “ambara-panombohan’izy ireo ho lasa tompon’andraikitra eo anoloako” (jereo ny F&F 29:46–47).