2014
Fiovam-po sy Fahafoizan-tena any Finlande
Aprily 2014


TOETOETRAN’NY Tanora mpitovo sy mpivady vao herotrerony

Fiovam-po sy Fahafoizan-tena any Finlande

Manao ahoana izany hoe tanora mpitovo mahatoky any Finlande izany? Mizara ny kolontsainy sy ny finoany ny tovolahy iray.

Kilaometatra vitsivitsy miala ny morontsirak’i Helsinki, any Finlande, no misy ilay manda miorina eo ambony ranomasina antsoina hoe Suomenlinna, izay naorina tamin’ny taonjato faha-18 mba ho fiarovana amin’ireo fahavalo mpanafika. Mahafaoka nosy miisa enina ity toeram-pialofana ity ary izy io dia maneho ny fahavononana lehibe ananan’ny vahoaka avy any Finlande.

Ireo mpikambana ao Finlande anefa dia mitsidika trano hafa rehefa mandeha any amin’ny renivohitr’izy ireo. Ny Tempolin’i Helsinki Finlande dia tandindon’ny fiovam-pon’izy ireo sy ny fiarovana izay azon’izy ireo avy amin’ny fiainana ny filazantsara.

Ho an’i Niilo Kervinen, tanora mpitovo 24 taona avy any Rovaniemi, Finlande, dia kely ihany ny fandehanana fiarandalamby mandritra ny adiny folo ho any Helsinki raha oharina amin’ny fitahiana azo amin’ny fanompoana any amin’ny tempoly.

Talohan’ny nanokanana ny Tempolin’i Helsinki Finlande tamin’ny volana Ôktôbra 2006, dia tsy maintsy nandeha tany amin’ny Tempolin’i Stockholm any Suède na tany amin’ny tempolin’i Copenhague, Danemark i Niilo sy ireo mpikambana hafa tao amin’ny paroasiny. “Maharitra herinandro eo ny dia mandritra ny fialan-tsasatra lehibe,” araka ny fitadidiany. Ny fandehanana fiara fitateram-bahoaka sy ny fatoriana ao anaty lay mandritra izany dia izany no anisan’ireo fahatsiarovana tsara indrindra ho azy.

Ny fananana tempoly ao amin’ny firenen’ny tena anefa dia tena fitahiana mahafinaritra. “Rehefa natao ny fanambarana ny fanorenana ny tempolin’i Helsinki, dia tena faly aho,” hoy Niilo. “Ny vavaka fanokanana dia mbola manakoako ao am-poko isaky ny miditra ao aho.”

Izany fitiavana ny tempoly izany no mampiavaka an’i Niilo amin’ireo namany. “Ny vahoaka any Finlande dia miasa mafy ary tia manao zavatra saingy fotoana kely eo amin’ny fiainany no avelan’izy ireo ho an’ny zavatra ara-panahy,” hoy ny fanazavany. Na dia milaza aza i Niilo fa nanana namana tsara foana izy hatrizay, dia nanomboka niseho ny fahasamihafana misy eo amin’ny fomba fiainan’ireo namany sy ny fomba fiainana nampianarina azy. Izany fahasamihafana izany no nahatonga an’i Niilo hikatsaka ny fijoroany ho vavolombelona manokana rehefa feno 17 taona izy. “Tsy maintsy nanapa-kevitra aho ny amin’ny hoe aiza no hijoroako sy ny amin’ny hoe ho iza aho,” hoy izy. “Noho ny fitahian’ny Tompo sy ny fitarihan’ny fianakaviana sy ireo namana tsara, dia nihanatanjaka ny fijoroako ho vavolombelona momba ny Fiangonana.”

Raha niresaka momba ny fivoam-po ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Mampanantena aho fa rehefa mahalala ny fahamarinana isika ary miova fo ho an’ny Tompo, dia hitoetra ho mafy orina sy hifahatra tsara ary tsy hihemotra na oviana na oviana.”1 Na dia mitaky fotoana sy vola aza ny fandehanana any Helsinki, dia feno fanoloran-tena ho mpianatr’i Kristy i Niilo. Ary tsy fihafiana velively izany ho an’i Niilo.

Fanamarihana

  1. David A. Bednar, “Miova Fo ho an’ny Tompo,” Liahona, Nôv. 2012, 109.