2014
Lehilahy sy Vehivavy ao anatin’ny Asan’ny Tompo
Aprily 2014


Lehilahy sy Vehivavy ao anatin’ny Asan’ny Tompo

Avy amin’ny fivoriana fampaherezam-panahy iray natao tao amin’ny Brigham Young University ny 20 Aogôsitra 2013. Mba hahitana ilay lahatsoratra feno amin’ny teny Anglisy, dia tsidiho ny speeches.byu.edu.

Sary
Loholona M. Russell Ballard

Ao anatin’ilay drafitra lehiben’ny Ray any an-danitra izay ahitana ny fisoronana dia manana anjara asa samy hafa ny lehilahy sy vehivavy saingy mitovy ny lanjany.

Sary
Woman talking to a group of Church members sitting around a table.

Mino aho fa misy fahamarinana sasantsasany izay ilain’ny vehivavy sy ny lehilahy takarina mikasika ny anjara asa manan-danja an’ny vehivavy eo amin’ny fanamafisana orina sy fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.Ampahany tena manan-danja lehibe ao anatin’ny Fiangonana ny vehivavy amin’ny lafiny maro. Noho izany miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo dia te haneho fankasitrahana ampahibemaso ireo vehivavy sy zatovovavy mahatokin’ny Fiangonana aho. Ry anabavavy malala, na aiza na aiza misy anareo eto amin’izao tontolo izao dia aoka ianareo hahafantatra fa tena tia sy matoky anareo ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly.

Mamela ahy ianareo hanomboka amin’ny alalan’ny fampahatsiahivana mikasika ny hoe, inona no ataontsika eto an-tany.

Fanahy zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny Raintsika any an-danitra isika. Niaina niaraka taminy isika tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana. Mba hanatontosana ilay asa nanirahana dia ny fanatanterahana ny “tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39), dia nanao drafitra mba hanampiana ny zanany hampiasa tanteraka ilay hery anaty faratampony ananan’izy ireo ny Ray any an-danitra. Ny drafitry ny Raintsika any an-danitra dia nitaky ny olona mba ho lavo sy hisaraka Aminy mandritra ny fe-potoana iray amin’ny alalan’ny fahaterahana eto amin’ny fiainana an-tany sy fahazoana vatana ary fidirana ao anatin’ny fotoam-pitsapana sy fisedrana iray. Nanolotra Mpamonjy ilay drafiny mba hanavotana ny olombelona amin’ny Fahalavoana. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompontsika no manome fomba hiverenana eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny filazantsara. Noho isika hiaina ao anatin’ny tontolon’ny fiainana an-tany izay feno loza sy zavatra mahavariandriana ny saina dia fantatry ny Ray any an-danitra sy ny Zanany Lahy fa hilaintsika ny hananana hery lehibe kokoa noho ny antsika. Fantatr’izy ireo fa hilaintsika ny hananana ny Herin’izy ireo. Ny filazantsara sy ny fotopampianaran’i Kristy dia manome an’izay rehetra hanaiky izany hery mba hanatratrarana ny fiainana mandrakizay sy hery hahitana fifaliana mandritra ny dia.

Misy olona izay mametra-panontaniana mikasika ny toeran’ny vehivavy ao anatin’ny drafitr’Andriamanitra sy ao amin’ny Fiangonana. Efa be izay mpampita vaovao manerana an’izao tontolo izao nanao tafa sy dinika tamiko izay, ka ampy ilazako anareo fa ny ankamaroan’ireo mpanao gazety izay nitafa tamiko dia efa nanana hevitra masaka tao an-tsaina mialoha mikasika izany lohahevitra izany. Tao anatin’ny taona maro dia nisy ny fametrahana fanontaniana maro izay mifono ny fandraisana ny vehivavy ho toy ny olona ambany zo ao amin’ny Fiangonana. Tsy marina izany hevitra izany.

Mamelà ahy ianareo hanolotra zavatra manan-danja dimy mba hosaintsainina mikasika izany lohahevitra manan-danja izany.

1. Manana drafitra Andriamanitra mba Hanampiana Antsika Hahatratra ny Fiainana Mandrakizay

Namorona ny vehivavy sy ny lehilahy ny Raintsika any an-danitra izay zanany vavy sy zanany lahy miendrika fanahy. Midika izany fa ny hoe maha-lahy sy ny maha-vavy dia mitoetra mandrakizay. Izy dia manana drafitra natao mba hanampiana izay rehetra misafidy ny hanaraka Azy sy ny Zanany, Jesoa Kristy hanatratra ilay anjarany masina dia ny ho mpandova ny fiainana mandrakizay izany.

Raha toa ny tanjona lehiben’izy ireo ka ny hahazoantsika fisandratana any amin’ny farany ary raha toa ka mahay ny zava-drehetra sy lavorary Izy Ireo araka ny efa ahafantarantsika Azy, dia tena mahatakatra ny fomba hanomanana sy hampianarana ary hitarihana antsika tokoa izany izy ireo mba hahazoantsika anjara tena tsara dia ny ho mendrika ny hahazo ny fisandratana.

Ny ankamaroan’ny olona dia saika manana fianakaviana na namana izay tafalatsaka ao anatin’ireo olana samihafa ara-piaraha-monina. Ny fiadian-kevitra mikasika ireo olana ireo amin’ny ankapobeny dia tsy mitondra vahaolana ary raha ny marina dia mety miteraka fifandirana. Misy fanontaniana sasany izay mikasika ny fihevitry ny Fiangonana eo anatrehan’ireo toe-javatra tena manahirana ary sarotra ny manome valiny mahafa-po ho an’ny rehetra amin’izany.Kanefa rehefa manontany ny Tompo ao anatin’ny vavaka isika mikasika ny zavatra tokony ho tsapa sy tokony hatao ao anatin’ireo toe-javatra ireo dia tonga ao an-tsaina izao: “Moa ve mino an’i Jesoa Kristy ianao ary moa ve manaraka Azy sy ny Ray ianao?” Mino aho fa hisy fotoana hametrahan’ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny Fiangonana fanontaniana raha toa ka afaka manao ny zavatra rehetra asaina ataony izy ireo. Saingy raha mino marina ny Tompo isika dia tonga ny fananana toky hoe: “Mino an’i Jesoa Kristy aho ary vonona ny hanao na inona na inona ilainy mba hataoko.” Noho izany dia mandrosoa hatrany. Tena mahery vaika ny teny hoe “Mino an’i Jesoa Kristy aho”!

Ny fijoroantsika ho vavolombelona sy ny filaminan-tsaintsika ary ny fiadanantsika dia manomboka amin’ny fahavononana ny hino fa tena mahafantatra tsara ny zavatra rehetra tokoa ny Raintsika any an-danitra.

2. Tantanana amin’ny alalan’ireo Fanalahidin’ny Fisoronana ny Fiangonana

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonan’ny Tompo ary ny Fiangonany dia tantanana amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana sy ireo fanalahidin’ny fisoronana. “Ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay nomen’Andriamanitra an’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana hitarihana sy hifehezana ary hitantanana ny fampiasana ny Fisoronany eto ambony tany.”1

Ireo izay manana ny fanalahidin’ny fisoronana—na diakona izany izay manana ny fanalahidy ho an’ny kôlejiny na eveka izany izay manana ny fanalahidy ho an’ny paroasiny na Filohan’ny Fiangonana izany izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra—dia manome fahafahana ara-bakiteny an’ireo rehetra izay manompo amim-pahatokiana eo ambanin’ny fitarihan’izy ireo mba hampiasa ny fahefan’ny fisoronana sy hahazo ny herin’ny fisoronana.

Ny lehilahy sy vehivavy rehetra dia miasa eo ambanin’ny fitarihan’ireo izay manana fanalahidy. Izany no fomba fitantanan’ny Tompo ny Fiangonany.

Mamelà ahy ianareo hamerina ny teny nolazaiko nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Aprily 2013 hoe: “Ao anatin’ny drafitra lehiben’ny Ray any an-danitra izay ahitana ny fisoronana dia manana andraikitra miavaka ny lehilahy mba hampiasa ny fisoronana, fa tsy izy ireo no fisoronana. Manana anjara asa samy hafa nefa mitovy lanja ny lehilahy sy ny vehivavy. Tahaka ny tsy ahafahan’ny vehivavy mitoe-jaza raha tsy misy lehilahy, dia toy izany koa no tsy ahafahan’ny lehilahy mampiasa feno ny herin’ny fisoronana mba hanorenana fianakaviana mandrakizay raha tsy misy vehivavy. … Amin’ny fomba fijery mandrakizay, dia samy ifampizaran’ny mpivady ny hery fiterahana sy ny herin’ny fisoronana.2

Nahoana no ny lehilahy no tendrena ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana fa tsy ny vehivavy? Nanazava ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) fa ny Tompo fa tsy ny lehilahy akory no “nanendry hoe ny lehilahy ao amin’ny Fiangonana dia tokony hihazona ny fisoronana” ary ny Tompo koa no nanome ny vehivavy “fahaiza-manao mba hamenoana ity rafitra lehibe sy masina ity dia ny Fiangonana sy ny fanjakan’Andriamanitra izany.”…3 Farany dia tsy mbola nambaran’ny Tompo ny antony nanorenany ny Fiangonana tahaka ny nanorenany Azy.

Aoka isika tsy hanadino fa efa ho ny antsasany amin’ny fampianarana rehetra izay atao ato amin’ny Fiangonana no tanterahan’ny rahavavy. Maro amin’ireo olona atolotra hitarika no avy amin’ireo rahavavy na anabavintsika. Asa fanompoana sy atrikasa maro no narindran’ny vehivavy sy tantanany. Mitondra hevi-baovao ilaina sy fahendrena ary fandanjalanjana ny torohevitra sy ny fandraisana anjara avy amin’ireo vehivavy mandritra ny filankevitry ny paroasy sy tsatòka ary ny filankevi-dehibe any amin’ny foiben’ny Fiangonana.

Mba hanasana ireo fitahiana feno avy any an-danitra mba hirotsaka ao anatin’izay mety asa atao ao amin’ny Fiangonana dia sady ilaina ny lehilahy manaja vehivavy sy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy miavaka ananany no ilaina koa ny vehivavy manaja ny fanalahidin’ny fisoronana hazonin’ny lehilahy.

3. Samy Mitovy ny Lanjan’ny Lehilahy sy Vehivavy

Mitovy lanja ny lehilahy sy ny vehivavy eo anatrehan’Andriamanitra ary eo anatrehan’ny Fiangonana, saingy ny hoe mitovy lanja dia tsy midika hoe mitovy tanteraka mihitsy. Ny andraikitra sy ireo fanomezana masina nomena ny lehilahy sy ny vehivavy dia misy fahasamihafana eo amin’ny endriny saingy mitovy kosa ny lanjany sy ny fitarihana avy aminy. Ny fotopampianaran’ny Fiangonantsika dia mametraka ny vehivavy hitovy lanja amin’ny lehilahy no sady maneho ny fahasamihafany amin’ny lehilahy. Tsy misy raisin’Andriamanitra ho toy ny tsara kokoa na manan-danja kokoa noho ny anankiray ny lahy sy ny vavy. Nambaran’ny Filoha Hinckley tamin’ny vehivavy hoe “Tsy ao an-tsain’ny Raintsika any an-danitra … velively ny hanao anareo ho ambany noho ireo zavatra faran’izay miavaka indrindra nohariany.”4

Ny lehilahy sy ny vehivavy dia manana fanomezam-pahasoavana samy hafa, tanjaka samy hafa ary fihevitra sy fironana samy hafa. Izany no iray amin’ireo antony lehibe indrindra hifampilantsika. Mila lehilahy iray sy vehivavy iray rehefa hanorina fianakaviana iray ary mila lehilahy sy vehivavy rehefa hanatanteraka ny asan’ny Tompo. Mifameno ny lehilahy sy vehivavy mpivady izay miara-miasa amim-pahamarinana. Aoka isika tsy hanandrana hanova ny drafitry ny Raintsika any an-danitra sy ny tanjony eo amin’ny fiainantsika.

4. Mahazo Fitahiana ny Rehetra amin’ny alalan’ny Herin’ny Fisoronana

Rehefa mandeha any amin’ny tempoly ny lehilahy sy ny vehivavy dia samy hiasan’ny hery iray ihany dia ny herin’ny fisoronana izany. Rehefa tarihina amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana ny fahefan’ny fisoronana ary hazonin’izay lehilahy mendrika ihany ireo fanalahidin’ny fisoronana dia afaka mahazo ny herin’ny fisoronana sy ireo fitahiana avy aminy ny zanak’Andriamanitra rehetra.

Malala-tanana ny Raintsika any an-danitra amin’io heriny io. Afaka mahazo io hery io avokoa ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ho fanampiana eo amin’ny fiainantsika manokana. Ireo rehetra izay nanao fanekempihavanana masina tamin’ny Tompo ary manaja ireo fanekempihavanana ireo dia mendrika ny hahazo fanambarana manokana sy hahazo ny fampianaran’ny anjely ary mendrika ny hiray fo aman-tsaina amin’Andriamanitra, sy handray ny fahafenoan’ny filazantsara ary ho lasa mpandova miaraka amin’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra ananan’ny Ray.

5. Mila Mahafantatra sy Mijoro ho Vavolombelona momba ny Fotopampianarana Isika

Sary
A Sunday school class of teenagers. One of the youth is in front talking to the class while the teacher is standing to the side.

Ilaintsika ny vehivavin’ny Fiangonana mba hahafantatra ny fotopampianaran’i Kristy sy hijoro ho vavolombelona momba ny Famerenana amin’ny Laoniny amin’ny fomba rehetra azonao anaovana izany. Tsy mbola nisy fotoan-tsarotra kokoa noho izao hatramin’izay teto amin’ny tantaran’izao tontolo izao. I satana sy ny mpanara-dia azy dia efa nanatsara ny fitaovam-piadiany ho an’ny arivorivon-taona maro ary manana traikefa izy ireo eo amin’ny famotehana ny finoana sy ny fahatokiana an’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy eo anivon’ny olombelona.

Isika rehetra—lehilahy, vehivavy, tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, zatovo, ankizilahy sy ankizivavy—dia manana ny Tompo sy ny Fiangonany mba ho arovana sy haely manerana ny tany. Mila bebe kokoa ilay feo sy finoana miavaka sy mitaona ananan’ny vehivavy isika.Ilaina ny hianaranareo ny fotopampianarana sy ny hahatakaranareo ny zavatra inoantsika mba hahafahanareo mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny zavatra rehetra—azo atao ny mizara ireo fijoroana ho vavolombelona ireo na mandritra ny afon-dasy ao anatin’ny lasin’ny Zatovovavy izany na mandritra ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona izany na anaty blaogy na ao anatin’ny Facebook. Ianareo no hany afaka mampiseho amin’izao tontolo izao hoe manao ahoana ny endrik’izany vehivavin’Andriamanitra nanao fanekempihavanana izany ary inona no inoany.

Ry anabavy isany, tena miavaka ny fahaizanareo mitaona ny hafa—izay tsy hain’ny lehilahy halaina tahaka. Tsy misy afaka miaro ny Mpamonjy antsika amin’ny alalan’ny fandresen-dahatra na hery bebe kokoa noho ny anananareo ry zanakavavin’Andriamanitra—manana hery sy finoana anaty miavaka ianareo. Tsy voarefy ny herin’ny feon’ny vehivavy niova fo iray ary ny Fiangonana dia mila ny feonareo mihoatra noho ny hatramin’izay ankehitriny.

Apetrako aminareo ny fijoroako ho vavolombelona fa ao anatin’ny fotoana iray izay tsy maintsy iarahantsika miasa ao anatin’ny firaisan-kina isika. Tsy maintsy miara-miasa isika—lehilahy, vehivavy, tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, zatovo, ankizilahy sy ankizivavy. Tsy maintsy miara-miasa isika ho an’ny drafitry ny Raintsika any an-danitra. Tsy maintsy miaro Azy isika. Lavina Izy. Tsy afaka ny hiraviravy tanana isika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika ary hamela izany hitohy hitranga ka hoe tsy hanana herimpo isika mba hanaovana izay handrenesana ny feontsika.

Andriamanitra anie hanome herimpo anareo mba handalina sy hahafantatra ireo fahamarinana tsotran’ny filazantsara ary hizara azy ireo avy eo isaky ny manana fahafahana hanaovana izany.

Fanamarihana

  1. Manuel 2: Administration de l’ Église (2010), 2.1.1.

  2. M. Russell Ballard, “This Is My Work and Glory,” Liahona, Mey 2013, 19.

  3. Gordon B. Hinckley, “Women of the Church,” Ensign, Nôv. 1996, 70.

  4. Gordon B. Hinckley, “Stand Strong against the Wiles of the World,” Ensign, Nôv. 1995, 101.