2014
Miomana mba Hamompo, Manompo mba Hiomana
Aprily 2014


Miomana mba HANOMPO, Manompo mba Hiomana

Sary
David L. Beck

Nomen’Andriamanitra anareo ny Fisoronana Aharôna satria manana asa ho anareo izy—amin’izao fotoana izao sy any aoriana.

Sary
A man and young man talking to a woman who is walking a dog.

Sary nataon’i Taia Morley

I Jonathan dia namako iray izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana efa-taona lasa izay. Izy ihany no mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny fianakaviany. Rehefa avy nandray ny Fisoronana Aharôna izy dia nanomboka nanompo ny hafa ka nanompo nihoatra noho izay nataony hatramin’izay. Fantatr’i Jonathan fa rehefa hoe hanompo dia mila mianatra zavatra maro. Naniry koa ny ho mendrika sy ho azo ianteherana izy ka dia nandalina ny filazantsara sy nivavaka ary nanatrika ireo fivoriana Alahady sy ny seminera.Niasa mafy izy mba hitandremana ny didy sy ireo fitsipiky ny Fiangonana. Nanatanteraka tamim-pahavitrihana ireo adidiny tao amin’ny fisoronana izy ka tafiditra tao anatin’izany ny naha-mpampianatra isan-tokantrano lehibe azy. Ny bokiny Devoirs Envers Dieu dia nanampy azy hahatakatra ireo adidiny sy hianatra ny fomba fanatanterahana azy ireo.

Nanome azy hery ara-panahy ny asa fanompoana nataon’i Jonathan tamim-pahatokiana. Niaro azy tamin’ny fitarihan-dratsy izany. Nivoatra tsy nisy ohatra izany izy rehefa nanompo sy niomana ho amin’ny hoaviny. Nandray ny Fisoronana Melkizedeka sy ny fanafiana masina tany amin’ny tempoly izy tamin’ny herintaona lasa teo. Manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno any Brésil izy amin’izao fotoana izao.

Matetika ny Fisoronana Aharôna dia antsoina hoe “fisoronana fiomanana.” Nomen’Andriamanitra anao ny Fisoronana Aharôna satria manana asa ho anao izy—amin’izao fotoana izao sy any aoriana. Ny fanompoana amim-pahavitrihana ataonao ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia manomana anao amin’ny fahazoana tombontsoa lehibe kokoa hanompo ao anatin’ireo taona ho avy. Toa an’i Jonathan, ianao dia miomana ny “handray ny Fisoronana Melkizedeka, handray ireo fitahiana avy any amin’ny tempoly, hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno, ho vady sy ray ary hanohy hanompo ny Tompo mandritra ny androm-piainana” (True to the Faith: A Gospel Reference [2004], 4).

Mety tsy fantatrao daholo ny antsipirian’ireo tombontsoa natokan’ny Ray any an-danitra ho anao, saingy matoky aho fa ho vonona ny hiatrika azy ireo ianao raha toa ka mahatsiaro ny hanao ireto zavatra manaraka ireto amin’ny maha-mpihazona ny Fisoronana Aharôna anao.

Manaraka an’i Jesoa Kristy

Solontenan’i Jesoa Kristy ianao amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana anao.Midika izany fa angatahina ianao mba hanaraka Azy sy hanao izay zavatra ho ataony. Inona no ho ataony? Tao anatin’ny toe-javatra rehetra niseho dia nanokana ny fiainany mba hanompoana sy hitahiana ny hafa izy. Dia tokony hanao izany koa ianao. Manolora tena mba hanompo ny hafa—ary aoka ianao hivoatra sy hihatsara mba hisian’ny zavatra bebe kokoa azonao omena! Tsarovy ny fomba nivoaran’i Jesoa tamin’ny fahatanorany: “Nitombo saina sy tena [Izy] sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona” (Lioka 2:52).

Tafiditra ao anatin’ny fanarahana ny Mpamonjy ny fananana fahendrena sy fahasalamana ara-batana ao anatin’ny fahatanoranao. Izany dia mitaky anao hiasa mafy sy hanao lalandava izay tsara indrindra vitanao (jereo ny F&F 4:2). Mahazo sitraka avy amin’Andriamanitra ianao rehefa manakaiky Azy amin’ny alalan’ny vavaka, fandalinana soratra masina, fankatoavana ary asa fanompoana. Mahazo sitraka avy amin’ny hafa ianao rehefa maneho hatsaram-panahy sy fahitsim-po aman-tsaina amin’ny fianakavianao ary rehefa namana maneho toetra tahaka ny an’i Kristy amin’ny hafa.

Tsarovy fa nanao ny sitrapon’ny Ray hatrany i Jesoa. Manaraka an’i Kristy ianao rehefa mikatsaka ny sitrapon’Andriamanitra mandritra ny andro iray manontolo mba hitarika ny asa fanompoana ataonao ary rehefa mandray andraikitra mifanaraka amin’ilay bitsika ara-panahy voarainao.

Manatanteraka Ôrdônansin’ny Fisoronana

Ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia ilaina ho an’ny zanak’Andriamanitra ary mitahy amin’ny fomba mitovy ireo zanakalahiny sy zanakavaviny. Manomboka eo amin’ilay fotoana hahatongavanao ho diakona dia manampy amin’ny fanatanterahana ôrdônansin’ny fisoronana iray ianao amin’ny alalan’ny fizarana Fanasan’ny Tompo. Hanohy hanatanteraka ôrdônansin’ny fisoronana ao amin’ny Fisoronana Aharôna ianao any aoriana rehefa manomana sy manamasina ny Fanasan’ny Tompo ary rehefa manao batisa sy mandray anjara ao anatin’ny fanendrena mpihazona ny Fisoronana Aharôna hafa.

Tsy maintsy madio ianao rehefa mandray anjara amin’ireo ôrdônansy masina. Ny fahadiovanao ara-pitondrantena dia afaka manampy hery lehibe ara-panahy ho an’ireo ôrdônansy izay tanterahanao.Miezaha mba ho mendrika amin’ny fomba rehetra mba hitondra ny fanaka masin’ny fanasan’ny Tompo (jereo ny F&F 38:42). Rehefa manao izany ianao dia afaka haneho amin’ny paroasinao na ny sampanao fa solontena marin’i Jesoa Kristy. Izy ireo dia ho voatahy amin’ny alalan’ny fahavononanao hitandrina ny fanekempihavanana izay anampianao azy ireo mba ho havaoziny.

Manompoa Hatrany

Amin’ny maha-mpihazona ny Fisoronana Aharôna anao dia manompo ianao. Mitadiava foana fomba ahafahana manompo ny fianakavianao sy ny namanao ary ireo mpikambana ao amin’ny kôlejinao sy ny olona hafa. Ny zavatra rehetra ataonao ao amin’ny fisoronana dia manampy anao hanompo ny hafa ara-batana sy ara-panahy. Ohatra, rehefa manampy ny evekanao na ny filohan’ny sampanao ianao amin’ny alalan’ny fanompoana fianakaviana iray izay ianao no mpampianatra isan-tokantranony, dia mianatra ny mamantatra sy mandray an-tanana ny zavatra ilain’ny hafa ianao. Manompo ny hafa koa ianao rehefa manolo-tanana manampy ireo mpikambana ao amin’ny kôlejinao ary manavotra ireo malaindaina sy manangona ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina mba hanampiana ny mahantra sy ny sahirana ary rehefa manao asa ara-batana ho an’izay marary sy manana kilema sy rehefa mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy sy ny filazantsarany ary manamaivana ny enta-mavesatr’ireo izay kivy.

Manompo ianao rehefa mampianatra lesona ao anatin’ny fivorian’ny kôlejinao ary ao anatin’ny takarivan’ny mpianakavinao. Manompo ianao rehefa manasa ny rehetra hanatona an’i Kristy (jereo ny F&F 20:59)—any an-tranonao, any amin’ny kôlejinao, any am-pianarana, rehefa miaraka amin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno ary na aiza na aiza misy anao.

Ny Hoavinao

Ifampiresaho amin’ny ray aman-dreninao na ny mpanoro hevitra anao ny zavatra hotakiana aminao ao anatin’ireo anjara asanao amin’ny ho avy amin’ny maha-mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka anao sy amin’ny maha-misiônera sy vady ary ray anao.Soraty eo amin’ilay faritra malalaka nomena ny sasany amin’ireo andraikitra lehibe ary ny fomba ahafahanao miomana amin’izany ankehitriny amin’izao ianao manompo ao amin’ny Fisoronana Aharôna izao. Mety ho toy ny mavesatra izany ankehitriny saingy tsarovy fa ny fomba tsara indrindra hiomanana dia ny manao tsotra fotsiny izay angatahan’ny Rainao any an-danitra ho ataonao androany.Enga anie ianao hahita fifaliana rehefa manompo amin’izao fotoana izao ary rehefa miomana amin’ilay hoavinao tena lehibe.