2014
Marina sa Diso?
Aprily 2014


Marina sa Diso?

Indraindray sarotra ny manavaka ny marina amin’ny fahadisoana, kanefa ny Raintsika any an-danitra dia nanome antsika fanomezana mahery vaika mba hanampiana antsika hahay hanavaka ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ireo laingan’i Satana.

Raha efa nanao fitsapam-pahaizana amin’ny alalan’ny fanontaniana misy safidy hoe marina sa diso ianao, dia fantatrao fa sarotra ny mamantatra ny zavatra diso. Tahaka izany koa amin’ireo fanontaniana manan-danja momba ny finoana, sy ny zavatra inoana, ary ny fiainana andavanandro, dia tsy mora foana ny milaza ny fahasamihafana eo amin’ny marina sy ny tsy marina na dia tena manan-danja tokoa aza ny fahafahana manao izany.

Na izany aza, dia tsy tokony hatahotra tahaka ny olona izay tsy nanomana ny fitsapam-pahaizana isika. Ny Raintsika any an-danitra dia nanome antsika fanomezana maro mba hanampy antsika hamantatra ny fahamarinana sy ny laingan’ilay fahavalo.

Ireo Karazana Fandisoan-kevitra

Voalohany, mba hanehoana zavatra iray, dia indro misy fanontaniana kely mampisafidy hoe marina sa diso ho anao:

  1. Maitso ny volana. marina   diso

  2. Neil Armstrong, ilay mpanamory ny sambon-danitra Apollo 12 izay olona voalohany nanitsaka ny volana, dia nilaza fa izany zavatra izany dia “dingana lehibe ho an’ny olombelona.” marina   diso

  3. Ny National Aeronautics and Space Administration (NASA) dia tsy afaka nankeny amin’i Mars tamin’ny taona 1969, noho izany dia voatery nankeny amin’ny volana izy ireo. marina   diso

  4. Ny rivotry ny masoandro, ny hery entin’ny taratra, ireo “rayons cosmiques,” sy ireo sakana hafa dia tsy ahafahana mankeny amin’ny volana, sady ilay sary koa toa nisy namboarina ary tsy mifanaraka tsara amin’ny antsipiriany sasany ny fitantaran’ireo izay nanatrika ny zava-niseho, noho izany dia zavatra namboarimboarin’ny governemanta amerikana daholo izany rehetra izany. marina   diso

Ny valin’ny fanontaniana tsirairay dia Diso, ary ireo fanontaniana ireo dia maneho ny karazana fandisoan-kevitra mety ho hitanao.

Ny Fanontaniana 1 dia tsy fahamarinana tsotra izao, fahadisoana miharihary. Ny Fanontaniana 2 dia ampahana fahamarinana, izay mamitaka, satria mampiaraka fahamarinana iray na mihoatra amin’ny hevi-diso (Apollo 11 no izy, fa tsy Apollo 12—tratra ianao!). Ny Fanontaniana 3 dia ahitana fisampan-droa diso, na toe-javatra hanomezana safidy roa kanefa tsy ireo safidy ireo ihany no hany misy (afaka nisafidy ny tsy handeha na aiza na aiza ny NASA). Ny Fanontaniana 4 dia fanohanan-kevitra “mitombina”, izay ahitana porofo maro toa azo ekena nefa matetika diso mba hahafahana mankany amin’ny tsoa-kevitra diso.

Ireo lainga amin’izao vanim-potoana misy antsika izao

Raha mikasika ireo zavatra izay misy fiantraikany amin’ny eritreritrao, ny zavatra inoanao, ny safidinao, ary ny fihetsikao—ireo zavatra izay mety hiteraka vokany mandrakizay—dia mahasoa ny mamantatra ireo karazana fandisoan-kevitra, satria i Satana, “ilay rain’ny lainga” (2 Nefia 9:9), dia hampiasa izay fomba rehetra azony ampiasaina mba hamitahana antsika. Ireto misy ohatra vitsivitsy maneho ny fomba fanaony amin’izao fotoana izao, miaraka amin’ny ohatra maneho ny fomba ahafahantsika mamaly miaraka amin’ny fahamarinana.

Tsy Fahamarinana Tsotra Izao

Hevitra Diso:

Ny Vokatra Aterak’izany (Lainga Be):

Ny Fahamarinana:

Ny pôrnôgrafia dia zavatra mety ary tsy manimba na iza na iza.

Mandehana mijery pôrnôgrafia.

Ny pôrnôgrafia dia manova ny fomba fijerintsika ny firaisana ara-nofo, mety miteraka fiankinan-doha, tena manimba antsika ara-panahy, ary mety hanimba ny fifandraisana aman’olona.

Ampahana Fahamarinana

Hevitra Diso:

Ny Vokatra Aterak’izany (Lainga Be):

Ny Fahamarinana:

Ny olona tsirairay dia miavaka ary afaka miaina araka izay safidiny, noho izany ny fahatsapanao sy ny fomba hanehoana hevitra no zavatra manan-danja indrindra eo amin’ny fiainanao.

Tsy tokony hamela an’Andriamanitra sy ny Fiangonana hilaza izay tokony ho fomba fiainanao ianao, noho izany ataovy izay tianao raha toa mahafinaritra anao izany.

Isika tsirairay dia zanaka iray miavaka an’ny Ray any an-danitra, izay maniry antsika mba hahatratra ny tsara indrindra sy mba ho tonga tahaka Azy. Ny fankatoavana ireo didiny dia manampy antsika hahazo ilay fifaliana faratampony.

Fisampan-droa Diso (Safidy Roa ihany)

Hevitra Diso:

Ny Vokatra Aterak’izany (Lainga Be):

Ny Fahamarinana:

Ny fampianaran’ny Fiangonana dia manohitra ny fomba fiainana sasantsasany; noho izany, tsy milefitra ny fiangonana sady mankahala olona— tsy mahay manaiky sady tsy mitia olona ny fiangonana.

Mendrika ny ho tsikeraina sy hihomehezana, ary ho melohina ny Fiangonana satria tsy milefitra sy feno fankahalana, noho izany azonao atao ny miala aminy.

Ny tsy fanekena ny fomba fiainan’ny olona iray dia tsy mitovy amin’ny fankahalana sy tsy fandeferana. Azontsika atao ny maneho fangorahana, fanajana, na hatsaram-po amin’ny rehetra—tafiditra ao anatin’izany ny olona izay manana fomba fiaina mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra—kanefa mijanona ho mahatoky amin’Andriamanitra sy ireo didiny.

Fanohanan-kevitra “mitombina”

Hevitra Diso:

Ny Vokatra Aterak’izany (Lainga Be):

Ny Fahamarinana:

Misy zavatra sasantsasany izay lavin’ny porofo entin’ny siansa amin’izao fotoana izao ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ary tsy mifanaraka tsara ny fitantarana ny fomba nandikana azy, noho izany dia mety noforonin’i Joseph Smith izany na mety nalainy tahaka tany ho any.

Tsy marina ny Bokin’i Môrmôna ary tsy mpaminany i Joseph Smith, noho izany mialà amin’ny Fiangonana.

Milaza zavatra maro momba ny Bokin’i Môrmôna ny siansa, ary ny “porofo” entiny manohitra azy dia tsy tomombana. Ny porofo manan-danja indrindra ho an’izany anefa dia ny fijoroana ho vavolombelon’ny Fanahy Masina izay milaza aminao fa marina izany ary mpaminany marina i Joseph Smith.

Ahoana no Ahafantarana ny Fahamarinana

Araka izany, avy aiza no hahazoana ny tena fahitana ny fahamarinana? Ahoana no hahaizantsika mamantatra ireo hevi-diso? Ireto misy fanomezana mahery vaika vitsivitsy izay nomen’ny Ray any an-danitra antsika mba hanavahana ny marina sy ny diso.

  • Ny Fahazavan’i Kristy. “Ny Fahazavan’i Kristy … dia mitaona ny olona rehetra manan-tsaina maneran-tany hanavaka ny fahamarinana sy ny fahadisoana, ny marina sy ny diso. Izy io dia mampiasa ny feon’ny fieritreretanao.”1

  • Ny Fanahy Masina. “Ny Fanahin’ny fahamarinana … no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra” (Jaona 16:13).

  • Ny Soratra Masina. “Mampiasa ny soratra masina Andriamanitra mba hanitsiana ny fomba fieritreretana diso, ny fombafomba diso, sy ny fahotana miaraka amin’ny vokany mitondra faharavana.”2 Manan-danja manokana ny Bokin’i Môrmôna amin’izany, satria izy dia “mahavery hevitra ireo fahavalon’i Kristy. Mandrava ireo fotopampianarana sandoka izy io ary mampitsahatra ny fifandirana. (Jereo ny 2 Ne. 3:12.)”3

  • Ireo Mpaminany amin’izao andro izao. “Ny adidin’[ny mpaminany] dia ny mampahafantatra amin’ny olona ny sitrapon’Andriamanitra sy ny tena toetran’Andriamanitra. … Miampanga ny fahotana ny mpaminany ary manambara mialoha ny vokatra aterany.”4

  • Fanabeazana. “Ny olomasina … [dia mikatsaka] ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana. Ny fanabeazana … no mahatonga ny olona ho afaka hamantatra ny marina sy ny fahadisoana, indrindra amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina. (Jereo ny F&F 88:118.)”5

Na dia mety tsy ho mora hatrany aza ny mamaly hoe Marina na Diso rehefa manoloana ireo hevitra isan-karazany eo amin’izao tontolo izao ianao, dia afaka manampy anao hamantatra ny fahamarinana ireo fanomezana nomen’ny Ray any an-danitra anao.

Fanamarihana

  1. Richard G. Scott, “Peace of Conscience and Peace of Mind,” Liahona, Nôv. 2004, 15.

  2. D. Todd Christofferson, “Ireo Fitahian’ny Soratra Masina,” Liahona, Mey 2010, 33–34.

  3. Ezra Taft Benson (1899–1994), “The Book of Mormon Is the Word of God,” Ensign, Mey 1975, 64.

  4. Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mpaminany,” scriptures.lds.org.

  5. Russell M. Nelson, “Thus Shall My Church Be Called,” Ensign, Mey 1990, 16.