2014
Afaka Mankafy ny Fandaharana Anarana Manaraka ny Abidia ve Aho?
June 2014


Ho an’ny Zatovo

Afaka Mankafy ny Fandaharana Anarana Manaraka ny Abidia ve Aho?

Mipetraka any Veracruz, Mexique ny mpanoratra.

Nandray anjara tamin’ny tanjon’ny tsatòkanay mba handahatra anarana 50.000 manaraka ny abidia aho. Sarotra be ilay izy tamin’ny voalohany. Matetika no nisy sora-tanana sarotra novakiana tao anatin’ireo vondron’anarana nosintoniko, ary indraindray dia te hamerina ilay izy aho ary hisintona vondronan’arana iray hafa. Saingy tamin’izay dia tsapako fa raha toy izany daholo no fisainan’ny olona rehetra nandahatra ireo anarana manaraka ny abidia, dia tsy ho voalahatra ireo anarana ireo raha tsy amin’ny farany indrindra. Azoko sary an-tsaina ireo olona marobe mitandahatra miandry ao amin’ny tontolon’ny fanahy, ka dia nanapa-kevitra aho ny hanohy hiezaka hamaky ireo anarana ireo sy hanoratra azy ireo tsy misy diso.

Nianatra nitia ireo olona ireo aho. Takatro fa tena nila fanampiana marina izy ireo, ary isika ihany koa dia nila fanampiana avy amin’izy ireo. Lasa takatro bebe kokoa fa tafiditra ao anatin’ny drafitra tonga lafatry ny Ray any an-danitra avokoa ny olona rehetra. Rehefa manaraka ny fitaomam-panahy azon’ireo mpitarika nofidiany sy ny torolalana avy amin’izy ireo isika dia hahita ny famindram-pony sy ny fitiavany tsy mety ritra.

Traikefa nahafinaritra ho ahy ny fandaharana anarana manaraka ny abidia. Nianatra nanome lanja sy nitia ireo zavatra maro mikasika ny tantaram-pianakaviana aho. Nahazo fanomezam-pahasoavana sarobidy tokoa avy amin’ny Tompontsika ihany koa aho tamin’ny alalan’ny fankatoavana zavatra iray, izay tsotra tahaka ny fandraisana anjara amin’ny fandaharana anarana manaraka ny abidia.