2014
Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Manompo
June 2014


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Jona 2014

Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Manompo

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Ahoana no hahafahan’ilay fahatakarana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy mampitombo ny finoanao Azy sy mitahy ny fiainan’ireo olona izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Rehefa manompo ny hafa isika dia lasa mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy, izay naneho ny ohatra ho antsika. Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Voahodidin’ireo olona mila ny … fanampiantsika … isika. … Isika no tanan’ny Tompo ety an-tany ary nodidiana mba hanompo sy hampitraka ireo Zanany.”1

Nampianatra i Linda K. Burton, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana hoe: “Miaraka amin’ny fampiharana, dia afaka ho tonga bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy ny tsirairay avy amintsika rehefa manompo ny zanak’Andriamanitra isika. Mba hanampiana antsika [hifanompo] bebe kokoa, dia te-hanolotra ity fehezan-teny ity mba hotadidiana aho: “Mijere aloha, ary avy eo dia manompoa.’ … Rehefa manao izany isika dia mitandrina fanekempihavanana ary ho lasa porofon’ny maha-mpanara-dia antsika toy ny an’ny Filoha Monson ny asa fanompoana ataontsika.”2

Afaka mivavaka isa-maraina isika mba hamantatra izay mety fomba hahafahana manompo ny hafa. “Hitarika anareo ny Ray any an-danitra … ary hanampy anareo ny anjely,” hoy i David L. Beck, filohan’ny Zatovolahy maneran-tany. “Homena hery hitahy sy hanavotra fanahy ianareo.”3

Avy amin’ny Soratra Masina

Matio 20:25–28; 1 Nefia 11:27–28; 3 Nefia 28:18

Avy amin’ny Tantarantsika

Tamin’ny Fihaonamben’ny fiangonana ny Ôktôbra 1856 dia nanambara ny Filoha Brigham Young (1801–77) fa mbola nanavatsava ireo lemaka ireo mpamaky lay mpitondra sarety tarihin-tanana ka tokony hifanampy mba hanangona vatsy ho azy ireo izao dia izao ny rehetra. I Lucy Meserve Smith dia nanoratra hoe “nesorin’ireo vehivavy teo noho eo ihany tao amin’ny Tabernakely ireo atin’akanjony, ba, ary ny zavatra rehetra azo nalaina, ary navangongo tao anatin’ireo sarety.”

Rehefa nanomboka tonga tao Salt Lake City ireo mpamaky lay izay avotra dia nanoratra i Lucy hoe “Tsy mbola nahazo … fahafinaretana mihoatra izany aho tamin’ny asa rehetra nataoko teo amin’ny fiainako, satria lehibe tokoa ny firaisam-po tsapa teo anivon’ny olona. Nandeha tao amin’ny tsena iray fotsiny aho dia nilaza ny zavatra nilaiko, raha lamba no nilaiko dia norefesina izany ary avy eo dia nomena ahy maimaim-poana.”4

Hoy ny Filoha George Albert Smith (1870–1951) mikasika ny fanompoana ny hafa hoe: “Ny fahasambarantsika mandrakizay dia hitovy amin’ny haben’ny fahafoizan-tenantsika tamin’ny fanampiana ny hafa.”5

Eritrereto Ity

  1. Ahoana no ahafahan’ny vavaka mitarika antsika mba ho fitaovana eo am-pelatanan’ny Tompo?

  2. Nahoana no afaka manampy antsika hitandrina ny fanekempihavanantsika ny fanompoana ny hafa?

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Inona no Zavatra Nataoko ho an’ny Hafa Androany?” Liahona, Nôv. 2009, 86.

  2. Linda K. Burton, “Mijere aloha, ary avy eo dia Manompoa,” Liahona, Nôv. 2012, 78, 80.

  3. David L. Beck, “Ny Adidinareo Masina dia ny Hanompo,” Liahona, Mey 2013, 56.

  4. Lucy Meserve Smith, ao amin’ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’œuvre de la Société de Secours (2011), 36–37.

  5. George Albert Smith, ao amin’ny Filles dans mon royaume 77.