2014
Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Mpisolovava
Jolay 2014


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Jolay 2014

Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Mpisolovava

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Ahoana no hahafahan’ilay fahatakarana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy mampitombo ny finoanao Azy sy mitahy ny fiainan’ireo olona izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

I Jesoa Kristy no Mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray. Ny teny hoe mpisolovava dia avy amin’ny fototeny Latina izay midika hoe “olona iray mangataka ho an’ny olona iray hafa.”1 Ny Mpamonjy dia mangataka ho antsika amin’ny alalan’ny fampiasana fahatakarana sy fahamarinana ary famindram-po. Ny fahafantarana izay dia mahatonga antsika ho feno fitiavana sy fankasitrahana noho ny Sorompanavotany.

“Henoy [i Jesoa Kristy] Ilay mpisolovava eo amin’ ny Ray izay miaro ny tombontsoanareo eo anoloany—

“Manao hoe: Ray ô, indro ny fijaliana sy ny fahafatesan’ Ilay tsy nanota, izay nankasitrahanao tokoa; indro ny ran’ ny Zanakao izay nalatsaka, ny ran’ Ilay nomenao mba hahazoana mankalaza Anao;

“Noho izany Ray ô, dia tsimbino ireto rahalahiko ireto izay mino ny anarako, mba hahazoany manatona Ahy ary manana ny fiainana maharitra mandrakizay” (F&F 45:3–5).

Niresaka momba an’i Kristy izay Mpisolovava antsika ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe: “Manan-danja lehibe tokoa ho ahy ny hoe afaka manatona ilay seza fiandrianana feno famindram-po amin’ny alalan’ny vavaka amin’ny fotoana rehetra sy manoloana ny toe-javatra rehetra aho, sy ny hoe hihaino ny fangatahako ny Raiko any an-danitra, ary ny hoe hiaro ny tombontsoako ny Mpisolovavako, ilay tsy nanota, ilay nalatsa-drà”2

Avy ao min’ny Soratra Masina

Môsià 15:8–9; Môrônia 7:28; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:5; 110:4

Avy amin’ny Tantarantsika

Nandritra ny tantaran’ny Fiangonan’ny Tompo, dia nanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy ireo mpianany vehivavy. Mpisolovava nahatoky sy nahery fo i Estera. I Mordekay zanaky ny dadatoany dia nandefa tany aminy ny tahadikan’ilay lalàna navoakan’ny mpanjaka izay manambara fa ireo Jiosy dia tokony horinganina, ary niangavy azy izy mba “hangataka eo anatrehan’[ny mpanjaka] ho an’ny fireneny.” Nanampy izy hoe: “Ary iza no mahalala fa angamba ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin’ny fanjakana?” (Estera 4:8, 14.)

Na dia nampidi-doza an’i Estera aza ny naha mpisolovava ny vahoakany azy, dia nanaiky izy hoe: “Ary amin’izany no hidirako ao amin’ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tahìny maty aho, dia maty ” (Estera 4:16).

Avy eo dia niresaka tamim-panetren-tena tamin’ny mpanjaka i Estera ary “niankohoka tamin’ny tongony ka nitomany … [mba] hisy soratra hanova ireny taratasy … ireny, izay … hampandringana ny Jiosy.” Nanampy izy hoe: “Hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako?” (jereo ny Estera 8:3, 5–6). Nihanalefaka ny fon’ny mpanjaka, ary nanaiky ny fangatahany izy.3

Fanamarihana

  1. Jereo ny lahateny nataon’i Russell M. Nelson, “Jesus Christ—Our Master and More” (Takariva amorom-patana Brigham Young University, 2 Feb. 1992), 4; speeches.byu.edu.

  2. D. Todd Christofferson, “I Know in Whom I Have Trusted,” Ensign, Mey 1993, 83.

  3. Jereo koa ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours (2011), 180.

Eritrereto Ity

Ahoana no ahazoantsika fitaomam-panahy avy amin’ny maha-mpisolovava an’i Jesoa Kristy mba hanome famindram-po sy famelana ny hafa?