2014
Fitia ao an-tokantrano
Jolay 2014


Ho an’ny Ankizy

Fitia ao an-tokantrano

Endrey faly re ny Ray

Raha ao ny fitia;

Ny tany ho tsara indray

Raha ao ny fitia.

(“Fitia ao an-tokantrano,” Fihirana, no. 88)

Tian’ny Ray any an-danitra ho tia ny fianakaviantsika isika mba hahafahantsika ho sambatra. Arakaraky ny hanompoantsika ny fianakaviantsika no hitiavantsika bebe kokoa ny Ray any an-danitra sy ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika.

Manaova sarina fo maromaro eo amin’ny taratasy iray ary hetezo izany. Manorata teny mitondra fifaliana na manaova sary eo amin’ireo sarina fo ireo ary omeo mangingina ireo olona ao amin’ny fianakavianao izany. Ho hitanao fa hahafaly azy ireo tokoa izany!