2014
Omano ny Fijinjanao
Aogositra 2014


Ho an’ny Ankizy

Omano ny Fijinjanao

Ny lalàn’ny fijinjana ao amin’Andriamanitra dia milaza fa raha te hanana zavatra iray isika any aoriana any, dia mila miasa dieny izao mba hahazoana izany. Raha te hanana zaridaina mamokatra isika, dia mila mamafy ny voa, manondraka izany, ary miaro azy amin’ny ahi-dratsy. Raha tsy manao izany isika, dia tsy hanana vokatra any aoriana!

Etsy ambany dia misy ny lisitry ny “vokatra” vitsivitsy izay mety ho irianao eo amin’ny fiainana. Manorata zavatra vitsivitsy izay azonao atao mandritra ity volana ity mba hanampy anao hahazo ireo fitahiana ireo.

  • Tokantrano sambatra

  • Fianarana

  • Namana tsara

  • Batisa sy Fandraisana ho Mpikambana

  • Fijoroana ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy