2014
Ny Fijinjana ao amin’Andriamanitra
Aogositra 2014


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Aogôsitra 2014

Ny Fijinjana ao amin’Andriamanitra

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

Nisy vehivavy iray antsoina hoe Christa niasa tao amin’ny orinasa mpivarotra masom-boly. Tia ny asany izy. Loharanom-pahagagana lehibe ny hoe manana fahafahana hiova samirery ny masom-boly tsirairay mba ho lasa zavatra toa mahagaga ihany—karaoty, laisoa, na hazo ôka matanjaka mihitsy aza.

Tian’i Christa ny mipetraka manoloana ny solosainy, dia mandray ireo fanafarana entana sy mamaly fanontaniana. Indray andro anefa dia naharay fitarainana izay nanahiran-tsaina azy izy.

“Tsy mety ireo masom-boly” hoy ilay mpanjifa. “Roa volana izao no nividianako azy ireo kanefa tsy mbola misy na inona na inona mitranga.”

“Nambolenao tamin’ny tany lonaka sy notondrahanao tsara ary nataonao talaky masoandro ve izy ireo?” hoy i Christa nanontany.

“Tsia, saingy efa nanao ny anjarako aho,” hoy ny navalin’ilay mpanjifa. “Nividy masom-boly aho. Raha ny marina anie, dia efa azo antoka fa tsy maintsy maniry izy ireo.”

“Saingy tsy nambolenao izy ireo e?”

“Tsia dia tsia tokoa! Mampaloto ny tanako ny manao izany.”

Nieritreritra momba izany i Christa ary nanapa-kevitra izy fa tokony hasiana torolalana an-tsoratra mikasika ny fambolena. Tapa-kevitra izy fa ny torolalana voalohany dia hanao hoe: “Tsy maintsy manaraka ireo torolalan’ny fambolena ianao mba hampitsiry ireo masom-boly. Tsy afaka ny hametraka azy ireo eo amin’ny talantalana ianao, dia hanantena azy ireo haniry.”

Tsy ela taorian’izay dia nisy fitarainana iray hafa indray izay nanahiran-tsaina azy.

“Tsy mamokatra ireo masom-boly,” hoy ny fitarainan’ny mpanjifa iray.

“Nambolenao tamin’ny tany lonaka ve izy ireo?” hoy i Christa namaly. “Nataonao ve izay nahazoan’izy ireo ny rano sy ny tara-masoandro araka ny tokony ho izy?”

“Tena nataoko tokoa,” hoy ilay mpanjifa nanantitrantitra. “Nataoko avokoa izany rehetra izany―mifanaraka tsara amin’izay voalaza eo amin’ny fonon’ilay masom-boly. Fa tsy mety ilay izy.”

“Tsy nisy na inona na inona nitranga mihitsy ve? Nitsiry ve ireo masom-boly?”

“Tsy nisy na inona na inona,” hoy ilay mpanjifa. “Tena nifanaraka tamin’ny torolalana no namboleko azy ireo. Izaho anefa nanantena ny hihinana voatabia rahariva. Diso fanantenana tanteraka aho izao.”

“Andraso kely hoe,” hoy i Christa. “Ny tianao holazaina ve hoe androany ianao no namboly ireo masom-boly ireo?”

“Aza mba mirediredy,” hoy ilay mpanjifa. “Herinandro lasa izay no namboleko azy. Tsy nanantena ny hahita voatabia ny andro voalohany aho; nanam-paharetana aho. Lazaiko aminao fa nanondraka sy niandry foana aho hatramin’izao.”

Teo no nahafantaran’i Christa fa tokony hanampy torolalana iray hafa izy hoe: “Manaraka ny lalàn’ny haiaina ireo masom-boly ireo. Raha mamboly ireo masom-boly ianao amin’ny maraina ka manantena ny hihinana voatabia afaka herinandron’iny, dia ho diso fanantenana ianao. Mila manana faharetana ianao ary miandry ny natiora hanao ny asany.”

Nandeha tsara ny zava-drehetra mandra-pandrain’i Christa fitarainana hafa indray.

“Diso fanantenana tanteraka aho amin’ny masom-bolinareo,” hoy ilay mpanjifa. “Namboleko araka ny torolalana teo amin’ny fonony ireo masom-boly. Notondrahako sy nataoko talaky masoandro izy ireo ary nandrasako mandra-pamokarany voa hojinjaina.”

“Toa nanao izay rehetra tokony hatao ianao,” hoy i Christa.

“Mety daholo izany rehetra izany,” hoy ilay mpanjifa namaly. “Saingy korzety no naniry!”

“Hita ato amin’ny firaketana ananako fa izay no masom-boly nafaranao,” hoy i Christa.

“Ka tsy korzety anie no tadiaviko e! Fa voatavo!”

“Tsy azoko.”

“Teo amin’ny tany famboleko voatavo—izay namokatra voatavo tamin’ny taona lasa, no namboleko ireo masom-boly. Nodokafako isan’andro ireo voly nitsiry, ary nolazaiko azy ireo fa ho lasa voatavo kanto izy ireo. Kanefa tsy voatavo lehibe sy boribory miloko volom-boasary no azoko fa korzety maitso lavalava. Namokatra be mihitsy!”

Teo no nahafantaran’i Christa fa mety tsy ho ampy ny torolalana fa ilaina ny mametraka fitsipika iray: “Ny masom-boly izay ambolenao sy ny fotoam-pambolena no mamaritra ny vokatra hojinjainao.”

Ny Lalàn’ny Fijinjana

Nampianatra momba ny fijinjana ao amin’Andriamanitra ny Apôstôly Paoly:

“Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivaziana, fa izay afafin’ny olona no hojinjany.

“Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana; ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.

“Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika: fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika” (Galatiana 6:7–9).

Amin’izao vanim-potoana misy antsika izao dia nanome fahendrena sy hevi-baovao ny Tompo ho fanampin’izany lalàna tsy azo hozongozonina izany:

“Misy lalàna navoaka tsy azo novana tany an-danitra, talohan’ny fanorenana izao tontolo izao, izay ifotoran’ny fitahiana rehetra—

“Ary rehefa mahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana ny lalàna izay ifotorany” (F&F 130:20–21).

Izay afafintsika, no hojinjaintsika.

Tsy takatry ny saina ny halehiben’ny fijinjana ao amin’Andriamanitra. Ho an’ireo izay manaja Azy, dia mirotsaka amin’ny “fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra” ilay fitahiany miavosa. … Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa” (Lioka 6:38).

Tahaka ireo masom-boly ety an-tany izay mitaky ezaka sy faharetana, dia toy izany koa ny ankamaroan’ireo fitahian’ny lanitra. Tsy afaka ny hametraka ny fivavahantsika eo amin’ny talantalana isika ary manantena hijinja fitahiana ara-panahy. Fa raha mamboly sy mikolokolo ireo fenitry ny filazantsara kosa isika eo amin’ny fiainan’ny fianakaviantsika andavanandro, dia hahazo antoka bebe kokoa fa ireo zanatsika dia hitombo mba hanome vokatra ara-panahy izay manan-danja tokoa ho azy ireo sy ho an’ireo taranaka maro ho avy.

Ny valim-bavaka omen’Andriamanitra antsika dia tsy azo eo no ho eo—indraindray toa tsy ho azo mihitsy aza—kanefa fantatr’Andriamanitra izay tsara indrindra ho an’ireo Zanany. Azo antoka fa indray andro any dia hahita mazava tsara kokoa isika; ary amin’izay andro izay dia hanaiky ny hatsarana sy fahalalahan-tanan’ny lanitra isika.

Mandra-pahatongan’izay fotoana izay, dia ny manaraka ny ohatra nasehon’Ilay Mpampianatra sy Mpamonjy antsika ary ny manana fiainana tsara sy heni-kaja no tanjontsika sy fifaliantsika lehibe mba hahafahantsika mahazo anjara amin’ilay fijinjana ireo fitahiana tsy hay sandaina avy amin’Andriamanitra izay finjinjana nampanantenaina sy ary tena sarobidy.

Izay afafintsika, no hojinjaintsika.

Izany no lalàn’ny lanitra.

Izany no lalàn’ny fijinjana ao amin’Andriamanitra.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Manaova fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ireo olona vangianao momba ny fomba fiantefan’ny lalàn’ny fijinjana ao amin’Andriamanitra eo amin’ny fifandraisana sy ny fiovam-po ary ny fijoroana ho vavolombelona, na koa amin’ny asa aman-draharaha sy ireo tanjona amin’ny fianarana. Azonao atao ny mamaky sy mijery soratra masina mifandray amin’io lalàna io, toy ny Ohabolana 11:18; 2 Korintiana 9:6; ary ny Almà 32. Amporisiho izy ireo hamerina hijery ireo tanjona tany aloha ary hametraka tanjona vaovao mba hahazoana vokatra feno fahamarinan-toetra. Ampio izy ireo hamolavola drafitra mba hanaovany asa tsy tapaka ho fanatratrarana ny tanjony lavitra ezaka.