2014
Nanompo Indray Aho
Septambra 2014


Ho an’ny Zatovo

Nanompo Indray Aho

Monina any Rio Grande do Norte, Brésil ny mpanoratra.

Indray andro, rehefa avy namita fandaharan’asa mikasika ny asa fanompoana aho, dia nandalo teo akaikin’ny trano Fiangonana fivorianay ary nahita rahavavy anankiroa izay nanadio ilay trano. Tafateny mora foana aho hoe: “Ry Rahavavy, mila fanampiana ve ianareo?” Nitsiky tamiko ny iray tamin’izy ireo sady nilaza fa tonga ara-potoana tsara aho satria izy ireo irery ihany no nanadio ary tena reraka izy ireo. Nilaza izy fa nivavaka mba handefasan’ny Tompo olona hanampy azy ireo. Tena faly aho hoe izaho no valin’ny vavaka nataony. Vao avy nanao asa fanompoana ho an’ny olona iray hafa aho ary reraka ihany koa, kanefa nanaraka ny fanirian’ny foko aho ka nanolo-tena mba hanompo bebe kokoa.

Didy nomena ny mba hiasana amim-pifaliana (jereo F&F 24:7). Rehefa manana faniriana ny hanompo amin’ny fotoana rehetra isika, dia afaka manampy mba hisehoan’ny fahagagana eo amin’ny fiainan’ny olona hafa. Lasa manan-danja kokoa ny fiainantsika rehefa manompo isika. Tena tia antsika tokoa ny Tompo, manampy ny Zanany tsirairay Izy, ary hanome ansika ny hery hanompoana Izy.