2014
Efa Niomana Ve Isika?
Septambra 2014


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Septambra 2014

Efa Niomana Ve Isika?

Tao amin’ny faritra izay efa nipetrahako sy nanompoako taloha, dia nanana tetik’asa fiompiana akoho ny Fiangonana, izay mpikambana amin’ireo paroasy eo an-toerana amin’ny ankapobeny no niasa an-tsitrapo tao. Tamin’ny ankamaroan’ny fotoana dia tetik’asa nahomby namokarana atody an’aliny sy henan’akoho amam-borona efa voakarakara an-jatony kilao ho an’ny trano fitehirizan’ny eveka izany. Nisy anefa ny fotoana vitsivitsy izay tsy vitan’ny hoe votsotra fotsiny ny tanana fa sady niteraka fahasorisorenan’ny fo sy ny saina koa ny fiainana tamin’ny naha-mpiompy sy mpamboly an-tsitrapo tsy mbola matihanina.

Ohatra fotsiny, tsy hohadinoiko mihitsy ny fotoana nivorian’ireo zatovolahy ao amin’ny Fisoronana Aharôna mba hanaovana fanadiovana goavana fanao isaky ny fiandohan’ny lohataona ao amin’ilay toerana fiompiana akoho. Tonga tamin’izany tetik’asa izany daholo ireo andiana tanoranay navitrika sy natanjaka ary poa toy izay no nisorohany, sy nanangonany ary nandorany bozaka sy fakofako nisavovona tokoa. Teo akaikin’ny hazavan’ny afo niredareda no nihinananay ireo hot dogs sy nifampiarahabanay tamin’ny nahavitana tsara izany asa izany.

Na dia izany aza dia nisy olana goavana nitranga. Nanakotaba sy nanelingelina tokoa ireo renin’akoho mpanatody tsy azo tairina sy mila filaminana miisa 5.000 ny tabataba sy ny afo hany ka tsy naniry volo intsony ny ankamaroan’izy ireo ary nitsahatra tsy nanatody koa. Tao aorian’izay dia naleonay navela naniry teo ny bozaka mba hahazoana atody misimisy kokoa.

Ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra izay nitondra fanampiana ho an’ireo sahirana dia tsy hanadino mihitsy ny zavatra niainany na hanenina ny amin’ny zavatra vitany. Ny fahazotoana miasa, ny fitsitsiana, ny fizakan-tena, ary ny fizarana amin’ny hafa dia tsy zava-baovao amintsika.

Tsy tokony hohadinointsika fa ny fomba fampiasana trano fitehirizana tsara indrindra dia natao hahazoan’ny fianakaviana rehetra ao amin’ny Fiangonana ny sakafo sy ny akanjo ilainy, ary raha azo atao dia hahazoany ireo zavatra hafa ilainy amin’ny fiainana. Tafiditra ao anatin’ny trano fitehirizan’ny Tompo ny fotoana, ny talenta, ny fahaiza-manao, ny fangorahana, ny fananana natolotra ary ny vola nomen’ireo mpikambana mahatokin’ny Fiangonana. Ireo loharanom-pitaovana ireo dia natao hohampiasain’ny eveka mba hanampiana ireo sahirana.

Mamporisika ireo Olomasin’ny Andro Farany izahay mba ho malina amin’ny drafitra ataony, mba ho hendry amin’ny fomba fiainany, ary hiala amin’ny trosa tafahoatra na tsy ilaina. Ho maro kokoa ireo olona ho afaka hiala amin’ireo olana ara-bola raha toa izy ireo ka mahazo famatsiana ara-tsakafo sy ara-pitafiana ary tsy manan-trosa. Hitantsika amin’izao fotoana izao fa maro ireo nanaraka ny mifanohitra amin’izany torohevitra izany: izy ireo dia mahazo famatsiana ara-trosa ary tsy manan-tsakafo.

Averiko indray ny nambaran’ny Fiadidiana Voalohany taona vitsivitsy lasa izay:

“Nandritra ny taona maro dia notoroana hevitra ireo Olomasin’ny Andro Farany mba hiomana amin’ny fotoan-tsarotra amin’ny fitehirizana vola kely. Ny fanaovana izany dia hanalavitra anao amin’ny loza sy hitondra soa ho anao amin’ny fomba tsy hainao refesina. Ny fianakaviana tsirairay dia manana andraikitra ny hamatsy izay ilain’izy ireo araka izay azo atao.

“Mamporisika anareo izahay na aiza na aiza no misy anareo eto an-tany mba hiomana amin’ny fotoan-tsarotra amin’ny alalan’ny fanombantombanana ny toe-bolanareo. Mamporisika anareo izahay mba tsy handany vola be; mba hifehy ny tenanareo amin’ny zavatra vidianareo mba hialana amin’ny trosa. Aloavy haingana araka izay tratranareo ny trosa, ary afaho amin’izany fatorana izany ny tenanareo. Mitehiriza vola kely tsy tapaka mba hahafahanareo manangana tahirim-bola tsikelikely.”1

Efa niomana amin’ireo loza mety hitranga eo amin’ny fiainantsika ve isika? Nohatsaraintsika ve ireo fahaiza-manaontsika? Mitsinjo vody andro ho merika ve isika? Efa vonona eo am-pelatanana ve ireo tahirintsika? Mankatò ireo didin’Andriamanitra ve isika? Mandray ireo fampianaran’ny mpaminany ve isika? Niomana ny hanome amin’ny zavatra ananantsika ho an’ireo mahantra sy sahirana ve isika? Marin-toetra ve isika manoloana ny Tompo?

Miaina ao anatin’ny fotoana feno korontana isika. Matetika dia tsy fantatra ny ho avy; noho izany, dia ilaintsika ny miomana hiatrika ny zavatra tsy ampoizina. Rehefa tonga ny fotoana handraisana fanapahan-kevitra, dia tsy misy fotoana hiomanana intsony.

Fanamarihana

  1. Ny Fiadidiana Voalohany, All Is Safely Gathered In: Family Finances (bokikely, 2007).

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Rehefa avy nandinika ny zavatra ilain’ireo olona vangianao ianao, dia eritrereto ireo fomba ahafahanao manampy azy ireo mba hanana fizakan-tena bebe kokoa amin’ny asa, amin’ny vola, amin’ny fitehirizana sakafo na amin’ny fiomanana amin’ny loza tsy ampoizina. Mieritrereta fahaiza-manao iray izay azonao zaraina amin’izy ireo, toy ny fanaovana zaridaina na ny fitantanam-bola, izay hanome hery azy ireo hanarahany ny torohevitry ny Filoha Monson.