2014
Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Mpampionona
Septambra 2014


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Septambra 2014

Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Mpampionona

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantarana izay tokony hozaraina. Ahoana no hahafahan’ny fahatakarana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny anjara asany mampitombo ny finoanao Azy sy mitahy ny fiainan’ireo olona izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org..

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Nanome toky i Jesoa Kristy fa “Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho” (Jaona 14:18). Hanome antsika “namana ho solon’ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana” Izy (Isaia 61:3). Satria niaritra ny Sorompanavotana ho antsika tsirairay i Kristy, dia tsy hanadino antsika Izy. “Nentin’ny Mpamonjy antsika … ny fanaintainantsika sy ny fijaliantsika ary ny fahoriantsika mba hahafantarany ny zavatra tsapantsika sy ny fomba hampaherezana antsika,” hoy i Linda S. Reeves, mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.1

Ny fahafantarantsika fa hampionona antsika i Kristy dia afaka mitondra fiadanam-po ho antsika sy mitaona antsika hanaraka ny ohatra nasehony tamin’ny fanompoany ny hafa. Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Ny fahalalantsika ny filazantsara sy ny fitiavantsika ny Raintsika any an-danitra sy ny Mpamonjy antsika dia hankahery antsika sy hitondra fifaliana ao am-pontsika rehefa mandeha amin’ny fahitsiana sy mitandrina ny didy isika. Tsy hisy zavatra izay afaka handresy antsika eto amin’izao tontolo izao.”2

Avy ao min’ny Soratra Masina

Jaona 14:18, 23; Almà 7:11–13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:14–16

Avy amin’ny Tantarantsika

I Elaine L. Jack, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany faha 12 dia niteny hoe: “Mifanolo-tanana isika rehefa manao famangiana isan-tokantrano. Milaza ny zavatra tsy voalazan’ny feo ny tanana matetika. Ny famihinana feno fitiavana dia mampita hafatra lehibe. Mampiray antsika ny fiarahana mihomehy. Mamelombelona ny fanahintsika ny fotoana iray ifampizarana. Tsy afaka ny hanamaivana mandrakariva ny enta-mavesatry ny olona iray izay manana olana isika, kanefa azontsika atao ny mankahery azy mba hahafahany mizaka izany tsara.”3

Ireo rahavavintsika mpamaky lay tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia “nahita hery ara-panahy tao anatin’ny fifankatiavana sy ny fifangorahan’izy ireo. … Rehefa niaritra fitsapana avy amin’ny aretina sy ny fahafatesana izy ireo, dia nifampivavaka tamim-pinoana sy nifampionona. ‘Niboiboika avy amin’ny fon’ny tsirairay ny fitiavan’Andriamanitra,’ hoy i Helen Mar Whitney, ‘mandrapahatongan’ilay ratsy ho toa tsy manana hery amin’ny ezaka ataony hampisaraka anay amin’ny Tompo, ary ireo zana-tsipìkany mandrava, indraindray, dia tsy nanan-kery.’”4

Fanamarihana

  1. Linda S. Reeves, “Tsy Manadino Anao ny Tompo,” Ensign na Liahona, Nôv. 2012, 120.

  2. Thomas S. Monson, “Matokia,” Ensign na Liahona, Mey 2009, 92.

  3. Elaine L. Jack, in Filles dans Mon Royaume: L’histoire et l’Oeuvre de la Société de Secours (2011), 119.

  4. Filles dans Mon Royaume, 34.

Eritrereto Ity

Ahoana no hahazoanao fiononam-po amin’ny fahatakaranao fa ny Tompo dia mahatsiaro anao?