2014
Miomana ho ao amin’ny Zatovovavy i Mathilde
Oktobra 2014


Miomana ho ao amin’ny Zatovovavy i Mathilde

Nampientanentana an’i Mathilde ny handeha tsy ho ela ao amin’ny Zatovovavy, saingy tsy mbola fantany tsara ny zavatra miandry azy. Noho izany dia niresaka tamin’ny renibeny izy. Rahavavy Bonnie Oscarson, ilay filohan’ny Zatovovavy maneran-tany no renibeny. Nanana torohevitra tena tsara vitsivitsy mba hozaraina izy!

Anontanio amin’ny reninao na ny renibenao na amin’ny iray amin’ireo vehivavy ao amin’ny paroasinao ny zavatra tsaroan’izy ireo mikasika ny Zatovovavy. Mety hahafantatra zavatra mahafinaritra maro ianao.

Tamin’izany fotoana izany …

Fony Rahavavy Oscarson tao amin’ny Zatovovavy dia nahazo badge maromaro izy noho ny fahatontosany zavatra isan-karazany. Nozairiny tamin’ny lamba kely lavalava miavaka izy ireo, niaraka tamin’ny voninkazo izay maneho ny fahatokiana.

…ary Ankehitriny

Ity rojo ity dia hampahatsiahy anao ny mba hijanonanao ho fahazavana ho an’ny hafa sy hijoro amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana.

Hahazo ruban maromaro ihany koa ianao amin’ny alalan’ny fahavitanao ireo zavatra asaina iainana sy ireo atrik’asa ao amin’ny Mon Progrès Personnel.

Dia hahazo ilay medain’ny Zatovovavy ianao avy eo.

Fisantarana

Namonjy atrik’asa manokana antsoina hoe Fisantarana i Mathilde. Nianatra lesona mahafinaritra izy ireo ary nianatra mikasika ny Mon Progrès Personnel.

Miezaka ny hahazo ny Récompense de la Foi en Dieu koa i Mathilde ary manao tsianjery ireo Fanekem-pinoana.

Fahatsiarovana Miavaka

Tao amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe i Mathilde sy ny maro tamin’ireo havany tamin’ny 6 Aprily 2013. Kanefa tsy fantatr’izy ireo ny antony nanasan’ny renibeny azy rehetra ho any amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Gaga sy feno fientanentanana izy ireo rehefa notohanana ho filohan’ny fikambanan’ny Zatovovavy izy!

Jeunes Filles

Mon progrès personnel

Sary sy soratra voahodidina nataon’i amiloslava/iStock/Thinkstock