2014
‘Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao’ dia avy amin’Andriamanitra mba Hanampiana ny Fianakaviako
Oktobra 2014


Mitondra ny Kilonga Mody

“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao” dia avy amin’Andriamanitra mba Hanampiana ny Fianakaviako

Mipetraka any Utah, Etazonia ny mpanoratra.

Mianara bebe kokoa momba ny lohahevitry ny Kilonga amin’ity volana ity!

Manana hery lehibe tokoa ny zanaka—hery hitondrana fiovana ao anatin’ny fianakaviana! Tsy mitovy avokoa ny fianakaviana rehetra kanefa manan-danja amin’ny Ray any an-danitra ny fianakaviana tsirairay. Tiany hatanjaka ny fianakaviantsika ka dia nomeny antsika ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” mba hanampiana antsika. Fantatry ny Ray any an-danitra fa afaka manampy ny fianakavianareo hatanjaka ianareo.

Ianareo dia ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay iray izay mila ny fanampianareo.

Ianareo dia afaka mitondra fifaliana, halemem-panahy ary fitiavana ho an’ny fianakavianareo.

Ianareo dia afaka mifampihaino, miara-miasa sy milalao, mifamela ary mifanampy.

Ianareo dia afaka mamaky soratra masina miaraka amin’ny fianakavianareo.

Ianareo dia afaka ny ho ohatra tsara ho an’ny fianakavianareo rehefa mivavaka sy mitandrina ny didy.

Sary nataon’i Dani Jones; sarina boaty vy nataon’i Stock/Thinkstock