2014
Famitahana
Oktobra 2014


Mandra-pihaonantsika Indray

Famitahana

Notsongaina tao amin’ny “O That Cunning Plan of the Evil One,” Liahona, Nôv. 2010, 108–110.

Sary
illustration of a man fishing in a river

Sary nataon’i J. Ken Spencer

Ny fararano dia fotoana mampientanentana manokana ho an’ny mpanjono mampiasa bibikely tsy tena izy eo amin’ny lelam-pitana satria izany dia fotoana mampanaikitra ireo trondro izay entin’ny faniriany tsy mety afa-po hivoky sakafo mba hanatanjahana ny vatan’izy ireo hiatrehana ny havitsian’ny sakafo mandritra ny ririnina.

Ny tanjon’ny mpanjono mampiasa bibikely tsy tena izy eo amin’ny lelam-pitana dia ny hahazo trondro amin’ny alalan’ny famitahana feno hafetsena.Ny mpanjono mampiasa bibikely tsy tena izy eo amin’ny fintana za-draharaha dia mandinika ny fihetsiky ny trondro, ny toetrandro, ny fikorianan’ny rano sy ny karazana bibikely izay hanin’ireo trondro ary ny fotoana mahafoy ireo bibikely ireo. Matetika dia izy ireo ihany no manamboatra ireo zavatra hamitahana izay ampiasainy. Fantany fa ireo bibikely namboarina izay apetraka eo amin’ny fintana ireo dia tsy maintsy famitahana tonga lafatra satria ny trondro dia hahafantatra na dia ny fahadisoana faran’izay kely aza ary dia handà ny hihinana ilay bibikely tsy tena izy.

Tena mahafinaritra ery ny mijery ilay trondro mivoaka avy ao anaty rano, manaikitra ilay bibikely tsy tena izy sady manohitra mandrapahareraka azy sy mandrapaha-voasambotra azy. Ilay fifaninanana dia miompana amin’ny fijerena ny fahalalana sy ny fahaiza-manaon’ilay mpanjono raha oharina amin’ny an’ilay trondro.

Ny fampiasana ny zavatra iray namboarina hatao famitahana mba handrebirebena sy hisamborana trondro dia ohatra iray amin’ny fomba izay hakan’i Satana fanahy sy hamitahany ary hiezahany hamandrihana antsika matetika.

Toy ilay mpanjono izay mahalala fa ny trondro dia atosiky ny hanoanana, i Losifera koa dia mahalala ny “hanoanantsika” sy ireo fahalementsika ary dia maka fanahy antsika amin’ny alalan’ny fitaovana famitahana izy izay mety hahatonga ny fitsaharan’ny fiadanana eo amin’ny fiainantsika ary lasa ho eo ambanin’ilay heriny mitarika tsy misy indra fo isika. I Losifera dia tsy toy ny mpanjono iray izay misambotra sy mamerina ilay trondro soa aman-tsara ao anaty rano, satria tsy hamela antsika handeha izy. Ny tanjony dia ny hahatonga izay tratrany ho ory tahaka azy.

Ny iray amin’ireo fomba ampiasainy amintsika dia ny fahaizany mandainga sy mamitaka antsika fa ny ratsy dia tsara ary ny tsara dia ratsy. Efa hatrany am-piandohana, tany amin’ny Filankevitra Lehibe tany An-danitra i Satana no “nikatsaka ny handrava ny safidin’ny olona, izay efa nomeko, Izaho Tompo Andriamanitra azy” (Mosesy 4:3).

Ny ady mikasika ny fahafahana misafidy izay nomen’Andriamanitra ny olona dia mitohy amin’izao fotoana izao. I Satana sy ireo eo ambany fahefany dia mametraka ireo fandriny manodidina antsika miaraka amin’ny fanantenana fa isika dia hilavo lefona ary hihinana ireo bibikely namboariny entina hamitahana mba hahafahany misambotra antsika amin’ny alalan’ny fitaovana tsy tena izy.

Ry rahalahy sy anabavy, enga anie isika rehetra hahafantatra ireo bibikely tsy tena izy mba hamitahana izay atolotr’i Losifera, ilay mpanjono olona amin’ny fitaka. Enga anie isika hanana fahendrena sy fahitana ara-panahy mba hanavahana sy handavana ireo zavatra maro atolony izay mifono loza.

Ary ho an’ireo izay lavo tao anatin’izay mety ho karazana fiankinan-doha, dia misy ny fanantenana, satria Andriamanitra dia tia ny zanany rehetra ary satria ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo dia mahatonga ny zavatra rehetra ho azo tanterahana.