2014
Tokantrano: Ivontoeran’ny Fianarana
Oktobra 2014


Tokantrano: Ivontoeran’ny Fianarana

Rehefa manohana ny zavatra ianarana ao an-tokantrano ny zavatra ianarana any am-piangonana dia manorina fototra mafy iorenan’ny fiainana ny filazantsara ianao izay.

“Ataovy izay hamakiana ireo zavatra asaina vakina ho an’ny lesona amin’ny herinandro ambony.” Tsy teny efa mahazatra anao ve ireo? Ambaran’ny mpampianatra manao fiangaviana any amin’ny fiafaran’ny fotoam-pianarana any am-piangonana izany matetika.

Ary rehefa tena zava-dehibe tokoa ny miomana amin’ireo lesona ampianarina isaky ny Alahady, dia tsy tsapanao ve indraindray fa ny tanjon’ny fandalinana sy ny fisaintsainana dia ny mba hahavonona anao tanteraka rehefa Alahady?

Raha ny marina dia ny mifanohitra amin’izay no tokony hiseho.

Ny “fampianarana sy ny fandaharan’asa ary ny fiaraha-mientana rehetra [ato amin’ny Fiangonana dia] mifantoka amin’ny tokantrano ary tohanan’ny Fiangonana.”1 Midika izany fa natao mba hanohanana ny fianarana ataon’ny tsirairay sy ny fianakaviana ny fivoriam-piangonantsika rehetra. Nampianatra ny Eveka Bishop Gary E. Stevenson hoe: “Ny toerana voalohany hampianarana sy hianarana dia ao an-tokantrano.”2 Rehefa ifantohana ao an-tokantrano ny fianarana sy fampianarana dia mitarika mankany amin’ny fiovam-po izy ireo.

“Tsy misy manavaina ny lanjan’ny fampianarana atao any amin’ny trano fiangonana sy trano fivoriana akory amintsika,” hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Efa nataontsika rehetra nandritra ny fiainantsika izany saingy tiantsika ny hanatanterahantsika izany tsy tapaka ao anatin’ny fiainana iainantsika.”3 Rehefa ampidirinao ao anatin’ireo toe-javatra iainantsika isan’andro eo amin’ny fiainam-pianakavianao izany fianarana tsy tapaka izany dia afaka mametraka fototra mafy iorenan’ny “tranon’ny fianarana” (F&F 88:119) iray ianao izay hanome toeram-pialofana sy toeram-piarovana ara-panahy ho anao sy ny fianakavianao.

Fianarana ao an-tokantrano

Mety tsy hahita vokany eo no ho eo ihany ianao, saingy rehefa araraotinao ireo fotoana tsotra hianarana sy hampianarana ao anatin’ny fiainana isan’andro, dia hisy fiantraikany mahery vaika izany. Toy izao manaraka izao ny fomba nahitan’ny fianakaviana maromaro ny fiantraikan’izany teo amin’ny fiainany.

Fotoana Tsotra

Sary
A father and son carrying skateboards as they walk down a wet road.

“Misy ireo fotoana izay tsapantsika fa tsy ahafahana miresaka amin’ny fomba milamina tsara ireo lohahevitra mifandray amin’ny filazantsara. Nanome fahafahana anay mba hampianarana lesona manan-danja ny zanakay ireo fotoana tsotsotra nampianarana. Ary betsaka kokoa ireo fotoana tsotsotra hampianarana ao anatin’ny andro iray noho ireo fotoana milamina tsara hampianarana. Noho izany dia araraotinay ireny fotoana ireny mba hampianarana ny zanakay ireo fitsipika manan-danja. Ohatra, mampianatra momba ny fahamarinan-toetra aho rehefa miantsena. Mora hain’ny zanako kokoa ireo fitsipika ireo rehefa hitan’izy ireo ny fomba hampiharana azy ireo.”

Mona Villanueva, Philippines

Fanaovana dia mivezivezy ary Fifampiresahana

Sary
A mother and her young daughters sitting together on a sofa. They are looking at a magazine.

“Manatitra ireo zanako vavy any an-tsekoly aho isa-maraina ka fiara fitateram-bahoaka no andehananay. Manana fotoana maro tsara hiresahana izahay noho izany. Indray mandeha vao tsy ela akory izay dia nahita mpivady nifanditra izahay. Nitodika haingana tany amiko ireo zanako vavy ary niandry ny hilazako zavatra momba izany. Saingy izaho indray no nanontany azy ireo izay tsapany mikasika ny zavatra nitranga. Nilaza tamiko izy ireo hoe tsy tokony hiresaka amin’ny vadiny toy ireny mihitsy ny lehilahy raha ny eritreritr’izy ireo. Niresaka momba ny fanambadiana sy ny fifandraisana ao anatin’izany izahay taorian’izany. Lasa nitondra fahazavan-tsaina amam-panahy ilay dia nandritra ny 30 minitra teny ambony fiara fitateram-bahoaka.”

Mario Lorenz, Guatemala

Mifandray mandritra ny Fotoana Fihinanana Sakafo Maivana

Sary
Mother and children making cookies.

“Nanampy ahy hanana fifandraisana tsara kokoa tamin’ny zanako ireo fotoana tsotsotra nampianarana. Miresaka momba ny zavatra nitranga tany am-pianaran’izy ireo izahay rehefa mipetraka ao an-dakozia ka mihinana sakafo kely maivana izay hanina rehefa avy mirava any am-pianarana. Matetika ny iray amin’izy ireo dia hilaza zavatra izay nolazain’ny namana iray na hilaza ny zavatra tsapany rehefa niteny zavatra na nanao zavatra ny olona iray. Afaka mijoro ho vavolombelona amin’ny fomba miavaka aho amin’izay ary mifanakalo hevitra mikasika ny zavatra tsapan’ilay zanako momba ilay zava-niseho. Mihevitra aho fa rehefa manao resaka malalaka tsara amin’ny fotoana mampahazo aina ny zanaka isika dia vonona kokoa ny hiresaka zavatra manan-danja izy ireo rehefa ilaina izany satria lehibe kokoa ny fahatokiany noho ny fahafantarany fa hihaino ny ray aman-dreniny.”

Alyson Frost, Grèce

Vondron’olona Mikarakara

Sary
Young family in New Zealand. The parents are holding their two boys.

“Tsapanay mivady fa izahay no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampianarana ny zanakay fa tsy ireo mpitarika, kanefa mankasitraka ny zavatra ataon’izy ireo izahay ary manampy araka izay azonay atao. Ny paroasinay dia manana mpitarika mahafinaritra izay tena mifantoka amin’ny zatovo sy ny ankizy ary manao araka izay vitany mba hanampiana azy ireo hahita tanteraka ilay hery anaty ananan’izy ireo ka mifototra amin’ny zavatra efa nataon’ny ray aman-dreny izy ireo amin’izany. Nisy fotoana vitsivitsy efa niresahako tamin’ny eveka ary mifandray tsara amin’ireo mpitarika ny zatovo aho ka matetika manontany azy ireo mikasika ny zanako sy ny fivoarany. Ny fifampiresahana matetika mikasika ny fivoaran’ny zanatsika dia manampy antsika rehetra hahatakatra ny fomba hanampiana azy tsirairay.”

Jesse N. Arumugam, Afrika Atsimo

Hery ao amin’ny Soratra Masina

Sary
Man studying the scriptures.

“Manampy ahy hianatra momba an’i Kristy sy ireo toetra nananany ny fandalinana ny soratra masina mba hahafahako hitovy Aminy. Ahazoako bebe kokoa ny Fanahy izany izay mitarika ahy sy mampianatra ahy ny fomba ahafahako mampihatra ireo zavatra nianarako ireo ka mba hahavonona ahy amin’ny fiatrehana ireo olan’ny fiainana sy ireo fakam-panahy afafan’i Satana aty amiko. Raha tsy manana io fitahiana io aho eo amin’ny fiainako dia fantatro fa tsy hahavita hampiasa ilay hery ao anaty ananako amin’ny maha-zanak’Andriamanitra ahy.”

Nathan Woodward, Angletera

Fianarana ao Am-piangonana: Fitsipika 10 Tokony ho Fantatry ny Mpampianatra Tsirairay

Ankoatry ny fanamafisana orina ny herin’ny fianarana sy ny fampianarana ao an-tokantrano dia afaka manamafy orina ny fianarana ao an-dakilasy any am-piangonana koa isika. Rehefa mampihatra ireto fitsipika 10 ireto ny mpampianatra dia hampitsiry fiovam-po eo amin’ny fiainan’ireo izay ampianariny izy ireo.

  1. Mifampiresaha amin’ny ray aman-dreny izay mihazona ilay anjara asa lehibe amin’ny maha-mpampianatra mba hamantarana izay zavatra ilain’ireo olona ao an-dakilasy dia mampianara zavatra mifandray amin’ireo zavatra ilaina ireo.

  2. Miomana ary mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy. Mitadiava fanontaniana sy atrik’asa hianaran-javatra izay hitondra fifanakalozan-kevitra tarihin’ny Fanahy sy hanabe ireo mpianatra ara-panahy.

  3. Ny olona no ampianaro fa tsy ny lesona.

  4. Mifantoha amin’ireo fitsipika fototry ny filazantsara.

  5. Fitsipika manan-danja iray na roa no ampianaro lalina tsara toy izay hiezaka ny hampianatra izay ao anatin’ny lesona iray manontolo.

  6. Asao ny Fanahy amin’ny alalan’ny famelana ny tsirairay handray anjara (jereo ny F&F 88:122).

  7. Manaova fanasana mahery vaika mba handray andraikitra—tsy zavatra toy ny hoe mody dia mamaky akory fa mba zavatra toy ny hoe mody dia miaina izay nianarana.

  8. Mijoroa ho vavolombelonba momba ilay fotopampianarana—any amin’ny fiafaran’ny fotoam-pianarana ary isaky ny manosika anao hanao izany ny Fanahy.

  9. Iaino ny filazantsara ary “[alamino]” ny tokantranonao (jereo ny F&F 93:43–44, 50).

  10. Mitadiava fomba hanohizana ilay fampianarana mandritra ireo fotoana tsotra miseho eo amin’ny fiainana andavanandro.

Fanamarihana

  1. Manuel 2: Administration de l’Église (2010), 1.4.

  2. Gary E. Stevenson, ao amin’ny “The Ward Council—We’re All in This Together” (2014 auxiliary training video), annualtraining.lds.org.

  3. Jeffrey R. Holland, ao amin’ny “Learning and Teaching in the Home and the Church—the Home” (2014 auxiliary training video), annualtraining.lds.org.