2014
Hevi-baovao Manaitra
Oktobra 2014


Mpamaky lay ve aho amin’izao fotoana izao?

“Raha toa ka manome voninahitra ireo mpamaky lay namakivaky ireo lemaka nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake isika dia mbola misy mpamaky lay maro lavitra noho izy ireo miaina ankehitriny. Tsy manosika sarety izy ireo fa manao kosa ny zavatra nataon’ireo mpamaky lay fahiny amin’ny fomba maro: Naheno ny feon’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna sy avy tamin’ny vavaka manokana nataony izy ireo. Tamin’ny alalan’ny finoana sy ny fibebahana no nidinan’izy ireo tao amin’ny ranon’ny batisa ary nampijoroany mafy ny tongony tamin’ny sombin-tany mamokatry ny filazantsara. Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy azy ireo dia vonona ny hahafoy tena ho an’ny tsara sy ny marina izy ireo. Amin’ny fanampian’ny Fanomezana ny Fanahy Masina dia mijanona hatrany amin’ny lalana mitondra azy ireo any amin’ny fiainana mandrakizay izy ireo.”

Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Mankanesa ao Aminy,” Liahona, Mey 2009, 80.