2014
Jeremia
Oktobra 2014


Ireo Mpaminanin’ny Testamenta Taloha

Jeremia

“Niaina tao anatin’ny fotoana sarotra sy tany amin’ny toerana nanahirana i Jeremia, kanefa nomen’ny Tompo fahafahana izy mba hahita mialoha ‘ilay fotoam-panantenana mandritra ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany.’”1 —Linda K. Burton, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany

Sary
Composite photo's of a scroll on fire, colored paper, and a illustration of Jeremiah of the Old Testament.

Sarina horonan-taratasy nataon’i imdimich/iStock/Thinkstock; Jeremia, nataon’i Walter Rane © IRI

Izaho dia zanak’i Hilkia, mpisorona tao Anatota tany akaikin’i Jerosalema. “Tonga tamiko [tao anatin’ny fahatanorako] ny tenin’i Jehovah nanao hoe:

“Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.”

Tsapako ho toy ny mbola tsy vonona ny hanatanteraka izany antso izany aho ka namaly hoe: “Indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.”

Namaly ny Tompo hoe: “Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao hianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.

“Aza matahotra azy hianao; fa momba anao hamonjy anao Aho.” Dia “nanendry ny vavako” ny Tompo ary nampiditra teny tao anatin’izany.2

Naminany tao Jerosalema nandritra ny 40 taona aho, nanomboka tamin’ny 626 ka hatramin’ny 586 talohan’ny nahaterahan’i Kristy, nandritra ny fanjakan’i Josia, sy Joiakima, ary Zedekia.3 Izaho dia niaina tamin’ny vanim-potoana niainan’i Lehia izay mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Samy nanameloka ny vahoakan’i Jerosalema izahay ary nanambara mialoha ny faharavan’izany tanàna lehibe izany.4

Nodidin’ny Tompo aho mba hirakitra ireo faminaniako ao anatin’ny “horonan-taratasy.”5 Rehefa henon’ny Mpanjaka Joiakima ireo faminaniana ireo dia nodorany ilay horonan-taratasy. Nodidin’ny Tompo mba hanoratra indray ireo faminaniana ireo aho ary hanampy teny maro kokoa ao anatin’izany.6

Niatrika fanoherana tsy tapaka aho rehefa nitory ny tenin’ny Tompo. Namely ahy i Pasora, zanakalahin’ny mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon’i Jehovah ary namatotra ahy tamin’ny boloky hazo. Nikasa ny hamono ahy noho ny asa fitoriana nataoko ireo mpanenjika. Mpaminany nankahalaina aho ary matetika natsipy tany anaty lavaka famorian-drano sy tany am-ponja. Niaina tao anatin’ny vanim-potoana iray tena feno faharatsiana lehibe aho.7

Saingy na dia niaina tao anatin’ny fahoriana aza aho dia nomen’ny Tompo fahafahana mba hahita mialoha fa hangonina ny Isiraelita amin’ny andro farany ary ny Tompo dia hanoratra ny lalàny “ao am-pon’izy ireo,” ary Izy dia haka “iray isan-tanàna sy roa isam-pokony” amin’izy ireo mba hoentina any Ziona.8

Rehefa nanohy nitory ny tenin’ny Tompo aho—na dia tamin’ny fotoana sarotra aza—dia nianatra aho fa ny fanolorantena manokana ho an’ny filazantsara dia mitondra fiadanana. Rehefa manao izay hisian’ny finamanana manokana amin’ny Tompo isika dia afaka mahatsapa fanantenana daholo eo anivon’ireo fitsapana sy fahoriana.