2014
Henoko ireo Ankizy
Oktobra 2014


Henoko ireo ankizy

Joy Cromar, Californie, Etazonia

Sary
illustration of child praying by his bed

Zavatra tsy niriako velively hiainako indray ny harerahan-tsaina. Saingy niverina indray izany rehefa tsy tratran’izany intsony aho nandritra ny 12 taona.

Natahotra sy nivadi-po aho. Naneho ny ahiahiko tamin’ny Ray any an-danitra aho ary nivavaka mba hahazo hery hiatrehako izany fitsapana nianjady tamiko izany. Nitalaho tamin’ny Ray koa aho mba tsy haharitra mandritra ny dimy taona toy ny faharetan’ilay farany teo ny harerahan-tsaiko.

Manan-janaka telo izaho sy ny vadiko. Roa lahy ary vavy iray izay nanome anay zafikely miisa 13. Noho ny fahafantarana fa tratran’ny harerahan-tsaina aho dia nangataka ny fianakaviana ny zanako vavy mba hanokana andro iray hifadiana hanina sy hivavahana. Naniry ny hivavaka ho an’i Bebe daholo ny zafikely rehetra 1 taona ka hatramin’ny 10 taona ary naniry ny hifady hanina ny anankitelo izay vao vita batisa. Tena nampahery tokoa ny fahafantarana fa hifady hanina sy hivavaka ho ahy ny vadiko sy ny zanako ary ny zafikeliko.

Ny ampitson’izany, rehefa nifoha avy natory atoandro aho dia tsapako ho toy ny tsy dia nahery vaika loatra ilay harerahan-tsaiko. Mbola nihena ihany izany ny andro nanaraka. Rehefa tonga ny andro fahadimy dia tena nanjavona tanteraka ilay harerahan-tsaiko. Rehefa nieritreritra ny fomba nitrangan’izany fahagagana izany aho ny harivan’iny dia nisy feo niantefa tamin’ny fanahiko ary nilaza tamiko hoe, “Henoko ireo ankizy.” Henon’ny Ray any an-danitra tao anatin’ny tsy fananan-tsininy izy ireo ary novaliny ny vavaka nataon’izy ireo izay feno fanetrentena sy finoana ary fitiavana.

Nampianatra ny Mpamonjy hoe:

“Raha tsy miova hianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo.

“Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra” (Matio 18:3–4).

Nanoratra tamin’ireo zafikeliko aho ary nisaotra azy ireo noho ny fanaovana fifadian-kanina sy vavaka ho ahy. Nolazaiko azy ireo fa tena tiako izy ireo. Nolazaiko azy ireo fa henon’ny Ray any an-danitra izy ireo ary novaliny ny vavaka nataon’izy ireo.

Rehefa mitombo ao anatin’ny filazantsara ireo zafikeliko dia manantena aho fa hotsaroan’izy ireo ilay fotoana nilazan’ny Ray any an-danitra tamin’ny renibeny hoe, “Henoko ireo ankizy.” Ary manantena aho fa io zavatra niseho io dia hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo sy hanampy azy ireo ho mafy orina hatrany ao amin’ny filazantsara.

Naniry ny hivavaka ho an’i Bebe daholo ny zafikely rehetra 1 taona ka hatramin’ny 10 taona ary naniry ny hifady hanina ny anankitelo izay vao vita batisa.