2014
Asa Fitoriana, Tantaram-pianakaviana ary Asa Atao any amin’ny Tempoly
Oktobra 2014


Asa Fitoriana, Tantaram-pianakaviana ary Asa Atao any amin’ny Tempoly

Avy amin’ny lahateny iray natao nandritra ny seminera ho an’ny filohan’ny misiona tamin’ny 25 Jona 2013.

Sary
Two photos, one of a young man using a laptop computer, the other of a and a missionary teaching a man

Nandritra ny fivoriana masina iray natao tao amin’ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny 6 Aprily 1837, dia nilaza ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Raha toa ka efa voalaza teo daholo ny zava-drehetra, ny andraikitra lehibe sy manan-danja indrindra kosa dia ny mitory ny Filazantsara.”1

Fito taona teo ho eo taty aoriana dia nanambara izy tamin’ny 07 Aprily 1844 hoe: “Ny andraikitra lehibe indrindra napetrak’Andriamanitra amintsika eto amin’ity izao tontolo izao ity dia ny mitady ireo havantsika efa maty. Hoy ny apôstôly hoe: ‘Tsy hatao tanteraka ireo, raha tsy efa mby eo koa isika’ [jereo ny Hebreo 11:40]; satria zava-dehibe ny hananantsika eo am-pelantanantsika ilay hery famehezana mba hamehezana ny zanatsika sy ireo havantsika efa maty ao anatin’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana—fotoampitantanana iray hanatanterahana ireo fampanantenana nataon’i Jesoa Kristy talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao mba hamonjena ny olona.”2

Mety misy olona sasany manontany tena hoe nahoana ny fitoriana ny filazantsara sy ny fitadiavana ireo havantsika efa maty no samy adidy sy andraikitra tena lehibe miaraka apetrak’Andriamanitra eo an-tsoron’ny zanany. Ny tanjoko dia ny haneho fa ireo fampianarana ireo dia mampisongadina ny maha-iray ny asa famonjena amin’ny andro farany. Ny asa fitoriana sy ny tantaram-pianakaviana ary ny asa atao any amin’ny tempoly dia kazaran-javatra mifandray ao anatin’ny asa lehibe iray, “mba hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na any an-danitra, na etỳ an-tany dia ho ao aminy” (Efesiana 1:10).

Mivavaka aho mba hanampy ahy sy ianareo ny herin’ny Fanahy Masina rehefa miara-mifantoka amin’ilay asa famonjena mahatalanjona amin’ny andro farany isika.

Ny Fo sy ireo Ôrdônansin’ny Fisoronana

Ny fitoriana ny filazantsara sy ny fitadiavana ireo havantsika efa maty dia andraikitra masina iantsorohana izay misy ifandraisany amin’ny fontsika sy amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Ny votoatin’ny asan’ny Tompo dia ny fanovana sy ny fanodinana ary ny fanadiovana ny fo amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy tanterahana amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana mifanaraka amin’izany.

Ny teny hoe fo dia ampiasaina mihoatra ny inarivo ao anatin’ireo soratra masina nankatoavina ary maneho ny zavatra tsapan’ny olona iray any anatiny. Noho izany ny fontsika—ilay fitambaran’ny faniriantsika sy ny fitiavantsika sy ny fikasantsika sy ny anton-javatra mampazoto antsika ary ny toetrantsika iray manontolo—dia mamaritra hoe iza isika ary manoritra hoe ho lasa inona isika.

Ny tanjon’ny Tompo ao anatin’ny asa fitoriana dia ny manasa ny rehetra hanatona an’i Kristy, handray ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ary haharitra hatramin’ny farany amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy.3 Isika dia tsy mizara fotsiny ny filazantsara mba hampitomboana ny isan’ny mpikambana sy ny tanjaky ny Fiangonan’ny andro farany fa kosa mikatsaka ny hanatanteraka ilay andraikitra masina nasaina natao isika, dia ny hitory ny fahamarinan’ilay drafitry ny fahasambarana izay an’ny Ray sy ny maha-Andriamanitra an’ilay Zanany Lahitokana, Jesoa Kristy ary ny fandairan’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy. Ny tanjona fototry ny fitoriana ny filazantsara dia ny hanasa ny rehetra mba “hanatona an’i Kristy” (jereo ny Môrônia 10:30–33), hiaina ilay “[fiovam-po] mahery vaika” (jereo ny Almà 5:12–14), ary mba hanolotra ireo ôrdônansin’ny famonjena ho an’ireo olona eto an-tany izay mbola tsy eo ambanin’ny fanekempihavanana.

Ny hanaovana izay hahazoan’ny maty sy ny velona ny fisandratana no tanjon’ny Tompo amin’ny fanorenana tempoly sy fanatanterahana ôrdônansy isoloana tena. Tsy hoe manao fitsaohana any amin’ny tempoly isika mba hiainan’ny tena manokana toe-javatra tsy hohadinoina na mba hiarahan’ny fianakaviana miaina toe-javatra tsy hohadinoina fotsiny. Fa kosa mikatsaka ny hanatanteraka ilay andraikitra masina nasaina natao isika, dia ny hanolotra ireo ôrdônansin’ny famonjena sy fisandratana ho an’ny fianakaviamben’ny olombelona iray manontolo. Asa izay mitondra fitahiana ho an’ireo olona tsirairay any amin’ny tontolon’ny fanahy izay mbola tsy eo ambanin’ny fanekempihavanana ny fambolena ao am-pon’ny zanaka ny fampanantenana natao tamin’ny ray, dia i Abrahama, Isaka, ary Jakôba izany; sy ny fampitodihana ny fon’ny zanaka amin’ny rainy; ary ny fanaovana fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana sy ny fanatanterahana ireo ôrdônansy isoloana tena any amin’ny tempoly.

Sary
Cordoba, Argentina Temple rendering.

Ireo ôrdônansin’ny tempoly dia lalana iray hahazoana ny herin’ny toetra araka an’Andriamanitra:

“Ary ity Fisoronana ambony ity dia mitantana ny filazantsara sy mihazona ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana, dia ny fanalahidin’ny fahalalana an’Andriamanitra.

“Koa miharihary ao amin’ ny ôrdônansiny ny herin’ ny toetra araka an’ Andriamanitra.

“Ary raha tsy misy ny ôrdônansiny sy ny fahefan’ny fisoronana, dia tsy miharihary amin’ny olona ao amin’ny nofo ny herin’ny toetra araka an’Andriamanitra” (F&F 84:19–21).

Mba diniho ny halehiben’ny dikan’ireo andininy ireo. Ny olona iray dia tsy maintsy miditra amin’ny vavahadin’ny batisa aloha ary mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina—dia avy eo mandroso hatrany eny amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana sy ôrdônansy izay mitondra any amin’ny Mpamonjy sy any amin’ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany (2 Nefia 31). Tena ilaina ireo ôrdônansin’ny Fisoronana mba “hanatonana [feno] an’i Kristy sy mba hahatongavan’ny tena ho tanteraka ao aminy” (jereo ny Môrônia 10:30–33). Raha tsy misy ireo ôrdônansy ireo dia tsy afaka mandray ireo fitahiana rehetra natao mba ho azo amin’ny alalan’ilay sorompanavotan’ny Tompo izay tsy manam-petra sy mandrakizay ny olona iray (jereo ny Almà 34:10–14)—dia ilay herin’ny toetra araka an’Andriamanitra izany.

Ny asan’ny Tompo dia asa tena lehibe iray izay mifantoka amin’ny fo sy ny fanekempihavanana ary ny ôrdônansin’ny fisoronana.

Ireo zavatra azo tsoahina avy amin’izany

Io fotopampianarana masina io dia manolotra zavatra manan-danja roa azo tsoahina ho an’ny fanaovana ny asantsika ao amin’ny Fiangonana.

Voalohany, matetika isika mety mikiry be fotsiny manasaratsaraka ireo sokajy ao anatin’ny asa famonjena sy ireo fitsipika sy lamina miaraka amin’izany. Matahotra aho fa misy maro amintsika mety mifantoka diso tafahoatra amin’ny lafin-javatra manokana ao amin’ny asan’ny Tompo ka lasa tsy afaka mandray ilay hery feno avy amin’ilay asa famonjena iray mitambatra isika.

Raha mikatsaka ny mba hanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy ny Tompo, isika kosa matetika mety manasaratsaraka sy mifantoka amin’ny toe-javatra manokana izay lasa mametra ny fahatakarantsika sy ny fahitantsika. Rehefa diso tafahoatra ny fanaovana izany dia lasa ny fitantanana ireo fandaharan’asa sy ny fampitomboana ny antotan’isa no lohalaharana fa tsy ny fanasana ny olona hiditra ao anatin’ny fanekempihavanana sy handray amim-pahamendrehana ireo ôrdônansy. Ny fomba fiasa tahaka izany dia manohintohina ny fahazoana fahadiovana, fifaliana, fitohizan’ny fiovam-po sy hery ara-panahy ary fiarovana izay avy amin’ny “fanolorana ny fon[tsika] ho an’Andriamanitra” (Helamàna 3:35). Ny fanatanterahana sy ny famitana tsotra fotsiny ny zavatra rehetra ao anatin’ilay lisitra lava be ahitana ireo “zavatra tokony hatao” momba ny filazantsara dia tsy voatery hitondra ny fisoritan’ny Endriny eo amin’ny tarehintsika na hitondra fiovana mahery vaika ao am-po (jereo ny Almà 5:14).

Faharoa, ny fanahin’i Elia dia zava-dehibe no sady tena ilaina ao anatin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Tao anatin’ny fisesisesen’ireo zava-niseho tao anatin’ny famerenana tamin’ny laoniny ny filazantsara teto tamin’izao andro farany izao angamba no tena nanamafisan’ny Tompo io fahamarinana io.

Nahita sy niresaka tamin’ ny Ray Mandrakizay sy i Jesoa Kristy tao amin’ ny Ala kely Masina i Joseph Smith. Io fahitana io no niantombohan’ny “fitantanan’ny fotoam-pahafenoana” (Efesiana 1:10) sy nanome fahafahana an’i Joseph mba hianatra mikasika ny tena toetoetran’Ny Andriamanitra sy ny fitohizan’ny fahazoana fanambarana.

Tokony ho telo taona taty aoriana, ho valin’ ny vavaka iray natao tamin-kitsimpo ny alin’ ny 21 Septambra 1823, dia heniky ny hazavana ny efitrano fatorian’ i Joseph mandra-pahatongan’ izany ho “nazava bebe kokoa noho ny amin’ ny mitataovovonana” (Joseph Smith—Tantara 1:30). Nisy olona niseho teo anilan’ ny fandrian’ ilay zazalahy kely ary niantso azy tamin’ ny anarany ary nanambara “fa iraka avy teo anatrehan’ Andriamanitra izy … ary i Môrônia no anarany” (andininy 33). Nampahafantatra an’ i Joseph mikasika ny fiavian’ ny Bokin’ i Môrmôna izy. Ary avy eo nanambara teny avy ao amin’ny bokin’i Malakia ao amin’ny Testamenta Taloha i Môrônia, izay nisy fiovana kely rehefa nambara tamin’ny fiteny nampiasaina tao amin’ny Baibolin’ny Mpanjaka James:

“Indro, hambarako aminareo ny Fisoronana amin’ ny tanan’ i Elia mpaminany, mialohan’ ny fiavian’ ny andron’ ny Tompo, andro lehibe sy mahatahotra. … Ary hamboleny ao am-pon’ ny zanaka ny fampanantenana natao tamin’ ny ray, ary hitodika amin’ ny rainy ny fon’ ny zanaka. Fa raha tsy izany dia horavana tanteraka ny tany manontolo amin’ ny fiaviany” (Joseph Smith—Tantara 1:38–39).

Ireo torolalana nomen’ i Môrônia an’ ilay mpaminany tanora dia ahitana lohahevitra fototra roa rehefa nodinihina: (1) ny Bokin’ i Môrmôna ary (2) ny tenin’ i Malakia izay manambara mialoha ny anjara asan’ i Elia amin’ ny Famerenana amin’ ny laoniny “ny zavatra rehetra, izay nampilazain’ Andriamanitra ny mpaminany masina hatramin’ ny voalohany indrindra” (Asan’ ny Apôstôly 3:21). Araka izany dia nanambara ny famaritana marina ny amin’ Ny Andriamanitra ireo zava-niseho nampiditra ny Famerenana amin’ ny laoniny sy nanamafy ny lanjan’ ny Bokin’ i Môrmôna ary nanazava mialoha ny asa famonjena sy ny fisandratana ho an’ ny velona sy ny maty.

Mba diniho izao ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fanovana ny fo—sy ny an’ny fanahin’i Elia eo amin’ny fampitodihana ny fo.

Ny Bokin’i Môrmôna miaraka amin’ny Fanahin’ny Tompo no “hany fitaovana faran’izay lehibe nomen’Andriamanitra antsika mba hanovana fo an’izao tontolo izao.”4 Io boky soratra masina izay tonga niaraka tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny io no vato ifaharan’ny fivavahantsika ary tena ilaina amin’ny fitondrana fanahy eo amin’ny Mpamonjy. Ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy—vavolombelona lehibe iray manamafy ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy eo anivon’ity izao tontolo izao izay miaina bebe kokoa hatrany ao anatin’ny tsy finoana sy ny fitsipahana ny fitsipi-pitondrantena. Miova ny fo rehefa vakin’ny olona sy halalininy ny Bokin’i Môrmôna ary arahiny vavaka amin’ny finiavana marina mba hahafantarana ny fahamarinan’ny boky.

Ny fanahin’i Elia dia “fisehoan’ny Fanahy Masina mijoro ho vavolombelona momba ny fananan’ny fianakaviana toetra araka an’Andriamanitra.”5 Io fitarihan’ny Fanahy Masina izay miavaka io dia mijoro ho vavolombelona amin’ny fomba mahery vaika mikasika ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray ary mitarika ny olona mba hikaroka sy haneho fitiavana ireo razambeny sy ireo olona ao amin’ny fianakaviany—ireo tany aloha sy amin’izao fotoana izao. Ny fanahin’i Elia dia misy fiantraikany amin’ny olona ao anatin’ny Fiangonana sy any ivelany ary mampitodika ny fo any amin’ireo ray. Ahitana horonan-tsasy miisa enina ity lahatsoratra ity. Ataovy scan ity code an’ny quick-response (QR) ity na tsidiho ny lds.org/go/bednar1014 mba hahitana ilay horonan-tsary voalohany misy tantara mampiseho izany fitsipika izany.

Tonga izao ny fotoana hampiasantsika amin’ny fomba mahomby kokoa ilay lamina maty paika hahazoana fiovan’ny fo amin’ny fomba mahery vaika, izay tanteraka amin’ny alalan’ny hery ara-panahin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny fampitodihana ny fon’ny ray izay tanterahana amin’ny alalan’ny fanahin’i Elia. Ny faniriantsika mba hifandray amin’ny lasantsika dia afaka manomana olona iray handray ny herin’ny tenin’Andriamanitra sy hanamafy orina ny finoany. Ny fitodihan’ny fo iray any amin’ireo ray no hany afaka manampy olona iray hanohitra ny fitarihan’ilay fahavalo sy hanamafy orina ny fiovam-po.

Jereo ilay horonan-tsary faharoa mba hahitana ilay tantara mampiseho izany fitsipika izany.

Fitsipika

Izao aho dia te hizara fitsipika efatra momba ny hery ara-panahy izay avy amin’ny fiovan’ny fo sy fitodihan’ny fo.

  1. Fo sy fiovam-po. Ny fitodihana any amin’ireo ray dia mamoha sy manomana ny fo hiaina fiovana mahery vaika. Noho izany ny fanahin’i Elia dia manampy amin’ny fahazoana fiovam-po.

    Jereo ilay horonan-tsary fahatelo mba hahitana ilay tantara mampiseho izany fitsipika izany.

  2. Fo sy Fihazonana. Ny fitodihana any amin’ny ray dia manohana sy mampahatanjaka ny fo izay niaina fiovam-po mahery vaika. Noho izany ny fanahin’i Elia dia manampy amin’ny fihazonana ireo mpikambana vaovao.

    Jereo ilay horonan-tsary fahaefatra mba hahitana ilay tantara mampiseho izany fitsipika izany.

  3. Fo sy fampahavitrihana. Ny fitodihana any amin’ireo ray dia manalefaka ny fo nihamafy rehefa avy niaina fiovana mahery vaika. Noho izany ny fanahin’i Elia no fanalahidin’ny fampahavitrihana.

    Jereo ilay horonan-tsary fahadimy mba hahitana ilay tantara mampiseho izany fitsipika izany.

  4. Fo sy misiônera mavitrika. Ny misiônera iray izay niaina fiovana mahery vaika sy fitodihan’ny fo dia hiova fo bebe kokoa ary hanolo-tena bebe kokoa sy ho mpanompo mavitrika bebe kokoa.

    Jereo ilay horonan-tsary fahaenina mba hahitana ilay tantara mampiseho izany fitsipika izany.

Rehefa jerena ny habetsaky ny misiônera izay nitombo haingana dia haingana ary tsara omana, dia tsy afaka tonga dia miantehitra tsotra fotsiny amin’ny fahombiazana azo tamin’ny asa fitoriana taloha isika mba hamaritana ny lalantsika sy ny fomba hoentintsika miasa amin’ny ho avy. Ny Tompo dia manana ireo teknôlôjia sy fitaovana tena tsara izay manome fahafahana antsika mba hahazo tombontsoa bebe kokoa avy amin’ny maha-iray ny asa fitoriana sy ny asa atao any amin’ny tempoly ary ny asa atao ao amin’ny tantaram-pianakaviana noho ny tamin’ny fotoana teo aloha tao anatin’ity fotoampitantanana ity. Ary tsy kisendrasendra akory ny fahatongavan’ireo zava-baovao ireo amin’ny fotoana tena ilana azy tsara mba hampandrosoana ny asa fitoriana manerana ny tany. Ny asan’ny Tompo dia asa tena lehibe izay mifantoka amin’ny fo izay miova sy mitodika ary mifantoka amin’ireo fanekempihavanana masina sy amin’ny herin’ny toetra araka an’Andriamanitra izay miseho amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

Famintinana sy Fijoroana ho vavolombelona

Nanambara ny Tompo hoe: “Mahavita ny asako ihany Aho” (2 Nefia 27:21), ary “Hohafainganiko amin’ny fotoana ny asako” (F&F 88:73). Vavolombelon’ny fanafainganany ny asany isika.

Miaina sy manompo ao anatin’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana isika. Ny fahatsapantsika ny lanjany mandrakizain’ity fotoampitantanana manokana iainantsika ity dia tokony hisy fiantraikany amin’ny zavatra rehetra ataontsika sy ezahantsika mba hahatongavana. Goavana sy midadasika ary manan-danja sy ilaina maika ny asa fitoriana tokony hatao amin’izao andro farany izao. Tokony ho tena feno fankasitrahana isika tsirairay noho ireo fitahiana sy andraikitra avy amin’ny fiainana ao anatin’izao fotoana manokana ao anatin’ny fotoampitantanana farany izao. Tokony ho tena feno fanetrentena isika noho ny fahafantarana fa “amin’izay omena be no takiana be” (F&F 82:3).

Ny fitoriana ny filazantsara sy ny fikarohana ireo havana efa maty dia ampahan-javatra mameno ilay asa lehibe iray—ilay asa fanehoam-pitiavana natao mba hanovana sy hampitodihana ary hanadiovana ireo fon’ireo mpikatsaka marina ny fahamarinana. Nesorina ilay tsipika artifisialy fanasarahana, izay matetika tokoa apetratsika eo anelanelan’ny asa fitoriana sy ny asa atao any amin’ny tempoly ary ny asa atao ao anatin’ny tantaram-pianakaviana. Asa famonjena lehibe anankiray ity.6

Moa ve isika afaka manomboka manakatra ny andraikitry ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa atao ao anatin’ny tantaram-pianakaviana eo amin’ny fanampiana naman’ny Fiangonana iray na mpikambana malaina iray mba hahazo fahatakarana lalina kokoa momba ny drafitry ny famonjena? Moa ve tsapantsika fa ny iray amin’ireo hery lehibe indrindra miasa ao anatin’ny fihazonana ireo mpikambana vaovao dia ny fanahin’i Elia? Moa ve isika afaka mankafy tanteraka ny hasarobidin’ireo fotoana hitodihan’ny fo izay miseho amin’ny alalan’ny fizarana tantaram-pianakaviana izay fitaovana hitadiavana olona mba hampianarin’ny mpikambana sy ny misiônera? Afaka manampy ireo tompointsika ve isika mba hanana fahafahana matetika kokoa hahazo ireo herin’ny toetra araka an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amim-pahamendrehana amin’ireo ôrdônansy toy ny fanasan’ny Tompo sy ny fanaovana batisa ary fandraisana ho mpikambana ireo maty?

Enga anie ianao ka hahita mazava tsara sy haheno tsara ary hahatsiaro mandrakariva ny maha-zava-dehibe ny asa fanampoana ataonao ao anatin’ny asan’ny Tompo mba hanovana sy hampitodihana ary hanadiovana fo.

Fanamarihana

  1. Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 330.

  2. Enseignements: Joseph Smith, 475.

  3. Jereo ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera (2004), 1.

  4. Ezra Taft Benson, “A New Witness for Christ,” Ensign, Nôv. 1984, 7.

  5. Russell M. Nelson, “A New Harvest Time,” Ensign, Mey 1998, 34.

  6. Jereo ny Spencer W. Kimball, “The Things of Eternity—Stand We in Jeopardy?” Ensign, Jan. 1977, 3.