2014
Misaotra Anao Rahalahy Jay
Oktobra 2014


Manompo ao amin’ ny Fiangonana

Misaotra Anao Rahalahy Jay

Monina any Nevada, Etazonia ny mpanoratra.

Tena feno fankasitrahana noho ny toe-tsaina sy ny fanolorantena ary ny fiomanana sy ny fitiavana asehon’ireo mpanompo tsy tambo isaina manerana ny Fiangonana aho.

“Alahady rahampitso,” hoy aho tamin’ilay zanako vavy dimy taona izay teo ampofoako. Feno tsiky ny tarehiny.

“Tena tsara izany!” hoy izy. “Hahita ny Rahalahy Jay aho izany.”

Feno fankasitrahana ny foko. Tena feno fisaorana aho noho ny fanamoran’ny mpampianatra iray be fitiavana sy tia mikarakara tao amin’ny Kilonga ny fanatrehanay paroasy vaovao taorian’ny fifindranay. Ny fandaozanay ny fonenanay tany amin’ny faritra afovoany andrefan’i Etazonia sy ny fifindranay tany amin’ny 2173 km lavitra dia sarotra ho an’ny fianakaviana iray manontolo fa indrindra indrindra ho an’i Season izay mbola kely. Noho izy efa saro-kenatra hatramin’izay dia natahotra ireo toe-javatra vaovao niseho izy ary feno ahiahy mikasika ny fandehanana hiangona any amin’ny paroasy vaovao iray tao anatin’ilay herinandro voalohany nahatongavanay.

Nampiasa vazivazy sy naneho fitiavana ampy hanalana ny fiahiahian’i Season Rahalahy Jay, izay lehilahy malemy fanahy sy mahafoy tena. Tamin’izay Alahady voalohany izay dia nandohalika izy, ka noraisiny ny tanan’i Season ary sady nojereny tsara izy no nolazainy hoe: “Avia, sombinaina a! Hahafinaritra anao ny ao amin’ny kilasinay.”

Rehefa nandeha teny ny herinandro maro, dia ny andro Alahady no andro andrandrain’i Season kokoa noho ireo andro hafa ao anatin’ny herinandro. Raha vao tonga ao am-piangonana izahay dia tadiaviny eo anivon’ny mpiangona ilay mpampianatra azy. Dia itsikian-drahalahy Jay izy ho fiarahabana azy.

Nandritra ny taona maro rahalahy Jay dia nahatsiaro ny mpianatra tsirairay tamin’ny alalan’ny fanolorana fanomezana azy ireo amin’ny andro fety manokana sy rehefa amin’ny fitsingerenan’ny taona nahaterahan’izy ireo. Rehefa nanakaiky ny fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Season dia Rahalahy Jay no vahiny manan-danja indrindra tiany hasaina amin’ny fetiny.

Mba azony an-tsaina ve fa lasa nanana toerana manan-danja teo amin’ny fiainan’ilay zanakay vavy izy? Mba fantany ve fa tena noraisin’ireto vondron’ny mpianatra dimy taona ao amin’ny Kilonga am-po tokoa ireo teny nolazainy sy fihetsika nasehony? Moa ve mba fantany fa zava-dehibe ho ahy amin’ny maha-reny ahy ny fitondrany anjara biriky eo amin’ny fiainan’ilay zanako vavy?

Taty aoriana dia niakatra tao amin’ny kilasin-drahalahy Edward i Season ary dia nitohy ny fiainany zavatra mahafinaritra tao amin’ny Kilonga. Tena feno fisaorana ireo lehilahy sy vehivavy rehetra izay manao tsara ny asany, sy miomana tsara ary manetry tena aho ka nitondra zavatra tsara ara-panahy teo amin’ny fiainan’i Season.

Nahazo fitahiana ny fianakavianay iray manontolo noho ireo olona mahafoy tena izay nanompo anay teny amin’ilay lalan’ny fivoaranay ara-panahy. Tsaroako ao anatin’izany ilay mpitarika Skoto miavaka iray, ilay mpanorohevitra mahari-po iray tao amin’ny kôlejin’ny diakona, ilay mpampianatra seminera nanana faharetana iray, ilay fiadidian’ny Zatovovavy iray izay tena nahafinaritra ary ilay eveka iray tena mikarakara.

Fantatro fa tsy ny fianakavianay irery ihany akory no nahazo fitahiana. Mety misy olona maro tahaka ny “Rahalahy Jay” any, satria maro ireo rahalahy sy rahavavy mahafoy tena ary nisy fiantraikany teo amin’ny fianakaviana maro toy ny anay ny asa fanompoana nataon’izy ireo. Tena feno fankasitrahana aho noho ny toe-tsaina sy ny fanolorantena ary ny fiomanana sy ny fitiavana asehon’izy ireo.

Misaotra an’ireo mpanompo mazoto tsy tambo isaina manerana ny Fiangonana aho izay nanampy ny fianakaviantsika.

Tratry ny Fety e!

Sary nalain’i Nikolai Sorokin/Hemera/Thinkstock