2014
Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Ilay Mofon’aina
Oktobra 2014


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano

Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Ilay Mofon’aina

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Ahoana no hahafahan’ilay fahatakarana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy mampitombo ny finoanao Azy sy mitahy ny fiainan’ireo olona izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Sary
Jesus Christ seated at a table with His apostles. The apostles are watching Christ as He breaks bread and offers it to them in remembrance of His body and blood. The painting depicts the institution of the Sacrament at the Last Supper.

Ampahany avy amin’ny Ho Fahatsiarovana Ahy, nataon’i Walter Rane

Hoy i Jesoa hoe: “Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra: raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy” (Jaona 6:51). “Mampianatra antsika, izay mpianany, i Jesoa fa tokony hitodika any amin’Andriamanitra isika isan’andro mba hangataka ilay mofo —ilay fanampiana sy fanohanana—ilaintsika amin’iny andro iray manokana iny,” hoy ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Ilay fanasana nataon’ny Tompo … dia miresaka momba ilay Andriamanitra be fitiavana iray izay mahafantatra tsara na dia ny zavatra kely indrindra ilain’ny zanany isan’andro aza ary vonona ny hanampy azy ireo, tsirairay avy. Nilaza izy fa afaka mangataka amin’ny finoana amin’izany Olona izany isika ‘izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany’ (Jakoba 1:5).”1 Rehefa takatsika fa hanome izay ilaintsika i Jesoa Kristy dia hitodika any Aminy isika mba hangataka izay fanohanana ara-panahy ilaintsika.

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia manasa antsika “hanara-dia ireo mpianatr’i Kristy tany am-boalohany izay naniry koa ilay mofon’aina—ireo izay tsy niverin-dalana fa nanatona Azy sy nitoetra niaraka Taminy ary nahatsapa fa mba hahazoana fiarovana sy famonjena dia tsy misy olon-kafa velively azony hanatonana afa-tsy Izy.”2

Soratra Masina Fanampiny

Jaona 6:32–35; Almà 5:34; 3 Nefia 20:3–8

Avy ao min’ny Soratra Masina

Nampianatra vahoaka nihoatra ny 4.000 i Jesoa Kristy. Telo andro taorian’izay dia nilaza tamin’ny mpianany Izy hoe: “Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa … tsy manan-kohanina izy:

“Koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dalàna. …

”Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo an-efitra hahavoky ireto olona ireto?

“Ary [Jesoa] nanontany azy hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy ireo: Fito.”

Dia “nandray ny mofo fito i [Kristy], ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; …

“Ary nisy hazandrano madinika vitsy tao aminy; ka rehefa nanaovan’i Jesoa fisaorana izy ireo, dia nasainy naroso teny anoloany koa.

“Ary nihinana ny olona, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy fito sobiky.” (Jereo ny Marka 8:1–9.)

Fanamarihana

  1. D. Todd Christofferson, “Recognizing God’s Hand in Our Daily Blessings,” Liahona, Jan. 2012, 25.

  2. Jeffrey R. Holland, “He Hath Filled the Hungry with Good Things,” Liahona, Jan. 1998, 76.