2014
Ireo Zavatra Atao ao anaty Vavaka
Oktobra 2014


Ho an’ny Ankizy

Ireo Zavatra Atao ao anaty Vavaka

Ahoana no ahafantaranao ny zavatra tokony holazainao rehefa mivavaka ianao? Azonao atomboka amin’ny alalan’ny filazana hoe: “Ry Rainay malala any an-danitra,” ny vavaka ataonao ary faranana amin’ny filazana hoe: “Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.” Azonao safidina izay tianao holazaina eo anelanelan’izany, toy ny misafidy izay zavatra atao anatin’ny sandwich.

Fidio ireo karazan-javatra tianao hatao ao anatin’ilay sandwich. Soraty eo akaikin’izy ireo ireo zavatra tianao holazaina ao amin’ny vavaka. Ianao dia afaka miteny hoe “misaotra” noho ireo fitahiana, afaka miresaka momba ireo ahiahinao, na mangataka fitahiana na mivavaka mikasika izay fanontaniana anananao.

Azonao hetezana io sandwich io na afaka manamboatra iray hafa ianao. Ahantony ao an-tranonao izany mba hanampy anao hahatsiaro ireo zavatra azonao lazaina ao anatin’ny vavaka ataonao.

Ry Ray Malala any An-danitra

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena

Sary nataon’i taichi_k/iStock/Thinkstock