2014
Ny Vavaka Atao Amim-pinoana
Oktobra 2014


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Ny Vavaka Atao Amim-pinoana

Sary
A young woman kneeling by her bed in prayer. There is a copy of the Book of Mormon on the bed in front of her.

Ny vavaka dia mifono zavatra hafa ankoatra ireo teny lazaintsika amin’Andriamanitra. Fifandraisana mivantana izay ifanaovan’Andriamanitra sy ny zanany izany.

Rehefa atao araka ny tokony ho izy ny vavaka dia maneho ny zavatra tsapantsika ao am-pontsika amin’ny alalan’ny teny tsotra isika. Valin’ny Ray any an-danitra araka ny mahazatra amin’ny alalan’ny fametrahana eritreritra ao an-tsaintsika miaraka amin’ny fahatsapan-javatra ao anaty izany. Henony foana ireo vavaka amin-kitsimpo atolotsika rehefa mivavaka miaraka amin’ny fanolorantena fa hankatò Azy isika na inona na inona valiny omeny ary na oviana na oviana hamaliany izany.

Manao izao fampanantenana izao amin’ireo rehetra izay mamaky ny Bokin’i Môrmôna sy mivavaka momba izany ny Tompo:

“Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo, dia ta hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ ny anaran’ i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’ izany aminareo Izy amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina.

“Ary amin’ ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra” (Môrônia 10:4–5).

Azo antoka izany fampanantenana izany. Olona an-tapitrisany no nanandrana sy nanaporofo izany fampanantenana lehibe momba ny vavaka izany ka nahazo fitahiana izay nameno fifaliana maharitra ny fiainan’izy ireo. Mihatra amin’ireo vavaka rehetra atao mba hahafantarana ny eritreritr’Andriamanitra sy ny sitrapony ho antsika izany fampanantenana izany. Afaka mampihatra izany isika isaky ny mahazo torohevitra avy amin’ny mpanompon’Andriamanitra anankiray izay nomena alalana mba hanoro lalana antsika. Afaka miantehitra amin’izany isika ohatra rehefa avy nihaino lahateny iray nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Afaka mampihatra izany isika rehefa ampianarin’ireo misiônera be fanetrentena izay nantsoin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany velona. Azo ampiharina amin’ny torohevitra voaraintsika avy amin’ny evekantsika na ny filohan’ny sampantsika koa izany.

Tsotra ireo fitsipika arahina mba hampandaitra ny vavaka eo amin’ny fiainantsika. Tsy maintsy mangataka mba hahafantatra izay marina amin’ny alalan’ny fivavahana amin’ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa Kristy isika. Tsy maintsy mangataka amin-kitsimpo isika izay midika fa tsy maintsy manana finiavana marina mba hanao na inona na inona takin’ilay valiny nomen’Andriamanitra isika. Ary ilay finiavantsika marina dia tokony ho avy amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

Ilay naman’ny Fiangonana izay mamaky ny Bokin’i Môrmôna alohan’ny hanaovana batisa sy handraisana ho mpikambana azy dia sady afaka mahazo fanomezan-toky fa marina ilay boky no mahazo fijoroana ho vavolombelona fa nadikan’i Joseph Smith tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra izany. Aorian’ny fandraisana antsika ho mpikamban’ny Fiangonana dia afaka manana ny Fanahy Masina ho namantsika isika mba hanamafy ireo fahamarinana hafa amintsika. Avy eo, isaky ny mivavaka amim-pinoana isika dia afaka manantena fa hijoro ho vavolombelona amintsika ny Fanahy Masina hoe, i Jesoa no Kristy, velona Andriamanitra Ray ary tia antsika sy ny zanaky ny Ray any an-danitra rehetra Izy ireo.

Izany no antony isian’ilay fampanantenana iray ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna hoe hanana fiantrana ao am-pontsika isika rehefa mijoro ho vavolombelona amintsika ny Fanahy Masina fa i Jesoa no Kristy: “Raha malemy fanahy sy mietry am-po ny olona iray, ary miaiky amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina fa i Jesoa no Kristy, dia tsy maintsy ilaina ny hananany fiantrana” (Môrônia 7:44).

Fotoana tena tsara hivoarana ara-panahy isaky ny Alahady fifadian-kanina. Ny Alahady Fifadian-kanina dia afaka manampy antsika mba hiaina toe-javatra mitovy amin’ny an’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià, izay nivavaka sy nifady hanina mba hahafantarana fahamarinana mandrakizay ka mba ho afaka hampianatra ireo Lamanita miaraka amin’ny hery sy fahefana ary fitiavana (jereo ny Almà 17:3, 9).

Ampiarahantsika ny vavaka sy ny fifadian-kanina mandritra ny Alahady fifadian-kanina. Mba hitahiana ny mahantra dia manome amim-pahalalahan-tanana fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina ny eveka na ny filohan’ny sampana isika ka farafahakeliny izany totalin’ny vola lanintsika amin’ny sakafo roa tsy nohanintsika. Ny saintsika sy ny vavaka ataontsika dia mitodika any amin’ny Mpamonjy sy ireo izay tiany hotompointsika amin’ny fanomezana azy ireo ny zavatra ilainy ara-panahy sy ara-nofo.

Hitovy bebe kokoa amin’ireo vavaky ny Mpamonjy sy ireo faniriany ireo vavaka ataontsika sy ireo faniriantsika rehefa mifady hanina mba ho lasa malemy fanahy sy ho azo ampianarina ary hahay hitia bebe kokoa isika. Ary tahaka ny nataony, dia mivavaka mba hahafantatra ny sitrapon’ny Ray ho antsika sy hanao izany isika.