2014
Ilay Fijoroako ho Vavolombelona Mifamatotra
Oktobra 2014


Ny Filazantsara eo amin’ny Fiainako

Ilay Fijoroako ho Vavolombelona Mifamatotra

Mipetraka any Singapour ny mpanoratra.

Ho ahy dia mifamatotra ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Raha marina ny filazantsara dia marina ny Bokin’i Môrmôna.

Nampianarin’ireo misiônera ny filazantsara tao an-tokantranonay tao Singapour ny fianakaviako. Tsy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny raiko fa ny reniko kosa dia niditra. Nampianatra anay mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izy. Na tamin’ny fahazazako aza dia nilaza tamim-pireharehana tamin’ireo namako aho fa Olomasin’ny Andro Farany ny tenako.

Natoky mandrakariva ny fampianaran’ny reniko aho. Kanefa rehefa lasa tanora mpitovo aho dia nanontany ahy ny misiônera iray hoe impiry aho izay no namaky ny Bokin’i Môrmôna. Efa napetraka tamiko io fanontaniana io teo aloha, saingy tamin’io fotoana io dia fantatro fa tsy haiko na marina ny Bokin’i Môrmôna na tsia satria tsy namaky izany aho.

Zavatra Iray Tsy Azo Nolavina

Tsy azoko nialana intsony ny zavatra iray tsy azo nolavina: mifamatotra ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Raha marina ny filazantsara dia marina ny Bokin’i Môrmôna. Koa satria tsy fantatro raha toa ka marina ny Bokin’i Môrmôna na tsia, dia tsapako tamin’izay fotoana izay fa tsy azoko antoka izay zavatra rehetra nianarako mba hinoako. Nisafotofoto ny saiko ary nitoetra tao am-poko ny fanontaniana hoe: “Marina ve ny Bokin’i Môrmôna?”

Nitarika ahy hanana faniriana hahalala ny marina ihany koa ny fifandraisako tamin’i Jesoa Kristy Mpamonjy izay nitombo hatrany. Ilay andro nahafantarako fa tsy ho ampy mihitsy ny fahalalako mikasika an’i Jesoa Kristy raha tsy mamaky amim-pahamatorana ny Bokin’i Môrmôna aho no ilay andro nananako faniriana lalina tokoa mba hahafantatra raha marina izany.

Voantso ho Mpampianatra

Nivavaka aho mba hahazo fitarihana. Nandritra izany fotoana izany dia niantso ahy hampianatra mikasika ny Bokin’i Môrmôna tao amin’ny kilasin’ny Fotopampianaran’ny Filazantsara ny filohan’ny sampana nisy ahy. Nekeko ilay antso satria tsapako fa mety izay no valintenin’ny Tompo mba hanampiana ahy hahalala ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna sy hanatona bebe kokoa ny Mpamonjy.

Sarotra ny nampianatra. Taorian’ireo Alahady vitsy voalohany dia fantatro fa tsy hahomby mihitsy aho mandra-pinoako ny Bokin’i Môrmôna.

Ireo Tantara Nanjary Fantatra Isaky ny Toko

Nanomboka nandalina ny Bokin’i Môrmôna aho isan-kerinandro ary fotoana fohy taorian’izay dia nahita fifaliana tamin’ny famakiako izany. Nanjary fantatro isaky ny toko ireo tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ka nahatonga ahy ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Namaky mikasika ny fahaterahan’i Kristy aho, izay hitan’i Nefia tao anatin’ny fahitana:

“Ary nahatazana ny tanànan’ i Nazareta aho; ary tao an-tanànan’ i Nazareta aho dia nahatazana virijiny iray, ary tsara tarehy fatratra tokoa izy sady fotsy. …

“Ary hoy [ilay anjely] tamiko: Indro, ny virijiny izay hitanao no renin’ ny Zanak’ Andriamanitra, araka ny fomban’ ny nofo” (1 Nefia 11:13, 18).

Namaky mikasika ny drafitry ny fahasambarana aho ary nianatra fa ilaina amin’ny famonjena antsika ny finoana an’i Jesoa Kristy. Nampianatra i Amioleka hoe:

“Fantratro fa ho tonga eo anivon’ ny zanak’ olombelona i Kristy mba handray eo Aminy ny fandikan-dalàn’ ny olony, ary hanonitra ny fahotan’ izao tontolo izao; fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany.

“… Fa araka ny drafitra lehiben’ Ilay Andriamanitra Mandrakizay dia tsy maintsy misy sorompanavotana atao, fa raha tsy izany dia tsy azo ihodivirana ny tsy maintsy hahafaty ny olombelona rehetra” (Almà 34:8–9).

Namaky mikasika ny fanompoan’i Jesoa Kristy teo anivon’ireo ondriny hafa tao Amerika fahiny aho, ary fantatro fa Izy no ilay Andriamanitry ny firenena rehetra. Hoy Izy tamin’ny Nefita hoe: “Ianareo no ireo izay efa nolazaiko hoe: Manana ondry hafa izay tsy avy amin’ ity vala ity Aho; ireny koa dia tsy maintsy entiko, ary handre ny feoko ireny ary hisy vala iray sy mpiandry iray” (3 Nefia 15:21).

Tonga Tsikelikely ny Fijoroako ho Vavolombelona

Rehefa namaky ny Bokin’i Môrmôna aho dia nihanatanjaka ny finoako an’i Jesoa Kristy ary nitombo ny fahatakarako ny drafiny (jereo ny Almà 32:28).

Mijoro ho vavolombelona aho fa vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna. Nampahafantarin’ny Fanahy Masina ahy fa mpaminany marina i Joseph Smith, izay namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonan’Andriamanitra teto ambonin’ny tany sy nandika ny Bokin’i Môrmôna avy amin’ireo takelaka volamena. Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna ary miara-miasa amin’ny Baiboly. Izy roa miaraka dia mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy marina no ilay Zanak’Andriamanitra ary Izy ilay Andriamanitry ny firenena rehetra fa tsy iray fotsiny.