2014
Tantaram-pianakaviana—Manao Izany Aho
Oktobra 2014


—Tantaram-pianakaviana—Manao Izany Aho

Mety ho mora sy mahafinaritra ny manomboka izany. Manao tantaram-pianakaviana ny zatovo manerana izao tontolo izao ary mitondra fiovana.

Sary
Two boys looking at family photo albums

Atomboka aiza izany? Mieritreritra angamba ianao hoe efa nataon’ny fianakavianao avokoa ireo asa rehetra tokony hatao. Na mety vaovao aminao ny tantaram-pianakaviana ka toy ny goavam-be izany. Na atombokao amin’ny fanaovana diarin’ny tena manokana izany amin’ny fanomanana anarana hoentina any amin’ny tempoly, na amin’ny fianarana avy amin’ireo havanao dia afaka mandray anjara amin’ny tantaram-pianakaviana ianao amin’ny alalan’ny fomba mahafinaritra sy manan-danja.

Fanaovana Diarin’ny Tena Manokana: Fahatsiarovana ireo Fitahiana Azontsika

Tsy mora ny manao diary. Matetika isika no milaza amin’ny tenantsika fa tsy manam-potoana na reraka na tsy dia mahafinaritra firy ny fiainantsika ka tsy mahaliana loatra ny hanoratra izany. Tsapako vao taona vitsy lasa izay fa ny fanaovana diary dia tsy natao mba ho sarotra ary afaka mitombo ny fitiavako izany.

Nanomboka nanoratra zavatra iray isan’andro aho. Tsy nampaninona na lava be izany na nampientanentana; nosoratako fotsiny izay tao an-tsaiko na izay zavatra rehetra nitranga tamin’io andro io. Efa nitahy ny fiainako sahady izany.

Indray andro dia nanana olana ny olona iray tao amin’ny fianakaviako ka tsy fantatro izay tokony holazaiko azy, kanefa tamin’izay aho dia notaomim-panahy hamaky taminy ny iray amin’ireo zavatra nosoratako tao amin’ny diariko. Afaka nizara kely tamin’ny zavatra niainako izay nosoratako tao anatin’ilay diary kely mainty aho, ary hitako ny fomba nampiononan’izany ny fony.

Manome antoka aho fa raha manomboka manoratra zavatra iray ao anatin’ny andro iray ianao dia hitahy ny fiainanao izany. Tsy maninona na kely izany na lehibe fa ny fanoratana ireo fitahiana eo amin’ny fiainanao dia afaka manampy anao hahatsiaro azy ireo.

Gentry W., Utah, Etazonia

Mahita Fifaliana amin’ny Fanaovana Tantaram-pianakaviana: Mikaroka ireo Razambe

Sary
A young woman and elderly woman looking at family history papers.

Rehefa vita batisa aho dia nahare zavatra besaka mikasika ny tantaram-pianakaviana, saingy tsy haiko ny fomba hanaovana izany na raha afaka nanao izany aho. Nanapa-kevitra ny hivavaka mikasika izany aho ka nahatsapa fa tokony hanomboka hanao izany teo no ho eo. Tsapako fa tsindrin-daona ny amin’ny hanombohako izany ireo razambeko ary hanampy ahy hitady ireo fampahalalana ilaina mba hanaovana ireo ôrdônansy izy ireo.

Nanomboka izany tamin’ny fanarahana lesona mikasika ny tantaram-pianakaviana aho, ary fotoana vitsy taorian’izay dia nantsoina ho tompon’andraikitra tao amin’ny tantaram-pianakaviana aho. Natahotra aho satria tsy nahafantatra zavatra betsaka mikasika izany saingy nekeko ilay antso.

Indray andro aho nitsidika ny rahavavin’ny renibeko, izay nanana antontan-taratasy mikasika ny renin’ny renibeko. Tsy te hizara zavatra maro mikasika ny renin’ny renibeko izy satria fomban-drazan’izy ireo ny tsy miresaka mikasika ireo havana efa maty. Nilaza izy fa ny ampitson’io andro io no tsingerintaona nahafatesan’ny renin’ny renibeko ka handeha hodorany ireo antontan-taratasy. Nangataka aho raha toa ka mba afaka maka fampahalalana avy amin’izy ireo aloha, dia navelany aho. Fantatro tamin’izay fa hanampy ahy hanohy ny fikarohana nataoko ny Ray any an-danitra.

Rehefa nanompo tao amin’ny ivontoeran’ny tantaram-pianakaviana teo akaikin’ny tempoly aho dia nitohy hatrany ny fahalalako zavatra mikasika ny fianakaviako. Fantatro fa mpifindra monina Italiana ny roa tamin’ireo ray aman-dreniben’ny renin’ny renibeko, izay nanana toeram-piompiana sy fambolena tao akaikin’i São Paulo, Brésil. Tsy afaka nifandray tamin’ireo havany tao amin’ilay toeram-pambolena sy fiompiana intsony ny fianakaviako, kanefa nahita zanaky ny dadatoako iray aho izay nanoratra boky mikasika ny tetiaran’ny fianakavianay. Nomeny ahy ilay boky izay nosoratany nandritra ny sivy taona. Nilaza izy fa tsy fantany ny antony tokony nanoratany izany saingy tsapany fa hanampy olona iray izany amin’ny hoavy. Fantatro fa ny fanahin’i Elia no nitaona azy.

Ny zavatra niainako dia nampianatra ahy fa manao asa masina isika. Miandry ny fanampiantsika ireo razambentsika ary eo anilantsika izy ireo mba hanampy antsika.

Gabriel D., Brésil

Fanaovana Asa ao amin’ny Tempoly: Ireo Ordônansy Masina

Sary
Youth at the Preston England Temple.

Mpikambana vaovao aho ary izaho irery no mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny fianakaviako. Nianatra aho fa iray amin’ireo ôrdônansy masina ny batisa ho an’ny maty. Nandeha nitsidika ny tempoly aho ary raha mbola teo am-pihainoana ny mpampiantrano niresaka mikasika ireo ôrdônansy aho dia nahatsapa feo tony sy malefaka izay nilaza tamiko mba ho any amin’ny ivontoeran’ny tantaram-pianakaviana mba hametraka fangatahana ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny reniko izay maty. Faly tokoa aho rehefa nanamafy tamiko ny compte FamilySearch fa vita ny asa natao ho azy tao amin’ny tempoly. Nanamafy ny fijoroako ho vavolombelona izany ary fantatro fa iray amin’ireo antony hahatongavantsika ety an-tany ny hanampy ireo razambentsika handray ny filazantsara marin’i Jesoa Kristy.

Marvin S., Philippines

Manaraka ilay Bitsika: Mianatra avy amin’ireo Havana Mbola Velona

Sary
Family members together at a table looking at a photo album.

Taorian’ny nahavitako fianarana tao amin’ny ambaratonga faharoa dia nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina aho mba hitsidika ireo ray aman-drenibeko mivady avy miisa efatra. Nanana fotoana malalaka aho ary fantatro fa mety tsy hanana ity fahafahana ity intsony. Noho izany dia nandany herinandro niarahana tamin’ireo ray aman-drenibeko mivady tsirairay avy aho.

Nandany ny fotoako nikaroka ny tao anatin’ireo vata efa tonta aho, namaky ireo taratasy nosoratana efa ela, ary nijery ireo sary fahiny. Noraisiko an-tsoratra ny tantaram-piainan’ireo ray aman-drenibeko, nandehandeha nijery ireo fasana aho, ary nitsidika ireo toerana izay nipetrahana sy niasan’ireo ray aman-drenibeko sy ireo havany. Tena nahafinaritra be! Nianatra zavatra marobe mikasika ireo razambeko sy ireo ray aman-drenibeko sy ireo ray aman-dreniko ary ny tenako aho. Tonga saina aho hoe tsy niaina izao fiainana iainako izao aho raha tsy ho an’ireo razambeko izany.

Taorian’ny dia nataoko dia niverina niaraka tamin’ny anaran’ireo razambeko tokony ho 1.000 teo ho eo aho ary afaka nanao asa tao amin’ny tempoly ho an’ny maro tamin’izy ireo. Iray amin’ireo fanapahan-kevitra tsara indrindra noraisiko ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy Masina sy ny fitsidihana ireo ray aman-drenibeko.

Shenley P., Californie, Etazonia

Mahatsapa ho Toy ny ao An-trano: Mitondra Anarana any amin’ny Tempoly

Sary
Indexing, UK Army war records screen, Wales, UK

Rehefa nangataka ny raiko hanome hevitra mikasika ny tantaram-pianakaviana aho mba hanatanterahana ny Mon Progrès Personnel dia nohazavainy fa nahita anaram-pianakaviana vitsivitsy izy taona maro lasa izay, saingy tsy voaomany samirery hoentina any amin’ny tempoly ireo anarana ireo noho ny tsy fananany fotoana. Mety afaka hamela ny fanatanterahana ny fandraisan’ireo olona tao amin’ny fianakaviana ireo ny fitahian’ny tempoly ny fanampiako.

Nandritra ireo roa volana manarak’izay dia nandany ny Alahady tolakandro sy ny Alahady harivako rehetra aho mba hampiditra anarana tao amin’ny solosaina ary hianatra tantaram-pianakaviana avy amin’ny dadako. Nanafatra microfiche mihitsy aza izahay mba hitadiavana fampahalalana bebe kokoa. Indraindray rehefa sarotra ny namaky ireo horonan-tsary tonta dia nivavaka mangina aho ary avy eo dia naka taratasy hanoritana ireo sary. Nipoitra avy tao amin’ny haizim-pito ireo anarana.

Taty aoriana dia nahangona anaram-pianakaviana maro aho ary nanampy tamin’ny fanatanterahana ireo batisa ireo zatovo tao amin’ny paroasinay. Ireo ray aman-dreniko sy ireo mpikambana hafa ao amin’ny paroasy tamin’izany dia naka ireo karatra misy anarana mba hanatanteraka ireo ôrdônansy hafa ao amin’ny tempoly.

Toy ny fotoana fohy monja no lasana talohan’ny niomanako ho any amin’ny tempoly hanao ny fanafiana masina ho an’ny tenako. Feno fientanentanana aho kanefa natahotra ihany koa.

Rehefa nandeha tany amin’ny tempoly izahay dia nohazavain’ny raiko tamiko fa hitany ny sasany tamin’ireo karatra nisy ireo anaran’ny fianakaviana izay nomaniko nanaovako ilay fandaharan’asa Mon Progrès Personnel. Very ny sasany tamin’izy ireo ka noho izany dia nentin’ny raiko ireo karatra misy anarana ho an’ny reniko, ny fofombadiko ary farany, dia ny azy. Nozarainy tamiko ny anaran’izy ireo ary tsaroako avy amin’ny fandaharan’asa nataoko izy ireo.

Rehefa nanao fanekempihavanana masina tao amin’ny tempoly aho dia nahatsapa ho voahodidin’ireo olon-tiako tao amin’ny lafiny ilany sy tao ambadiky ny voaly. Nahatsapa fiadanana lalina aho tamin’ny nahafantarako fa afaka ny hiaraka mandrakizay amin’ny fianakaviako.

Holly P., Idaho, Etazonia