2014
Fahafahana Misafidy Malalaka sa Safidim-pitondrantena?
Oktobra 2014


Fahafahana Misafidy Malalaka sa Safidim-pitondrantena?

Ny fampiasana amim-pahendrena ny fahafahana misafidy dia mahatonga ny safidintsika hivelatra hatrany ary manatsara ny fahafahantsika hisafidy araka ny tokony ho izy.

Sary
composite of 2 photos of a young man in casual clothes and him in a suit.

SARY NATAON’I Christina Smith; Sary nataon’i Bryan Beach

Mbola tadidiko ny tebitety tsapako rehefa niomana ny hihaona tamin’ny evekako aho mba hiresaka mikasika ny fanaovana asa fitoriana. Nanontany tena aho raha toa ka mendrika tsara hanao izany. Tahaka ny Mpaminany Joseph Smith dia tsy “meloka [t]amin’ny fahotana lehibe na mamohehatra” aho (Joseph Smith—Tantara 1:28), kanefa dia mbola natahotra ihany aho.

Natahotra aho satria tsy afaka ny tsy hieritreritra an’i Danny namako (anarana izay novainy). Niresaka mikasika ny naha tsindrin-daona fatratra azy hanao asa fitoriana i Danny nandritra ny volana maro. Kanefa dia niova izany rehefa avy nihaona tamin’ny eveka izy.

Noho i Danny nandray anjara tamin’ny fitondrantena tsy mendrika niaraka tamin’ny tovovavy maro dia nolazainy tamiko taty aoriana fa izy ihany no nahatonga ny tenany ho tsy mendrika ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Tsy afaka nisafidy ny hanao asa fitoriana intsony izy.

Araka ny tenin’ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, i Danny dia lavo tamin’ny fakam-panahin’i Satana mba “tsy [hampiasa] araka ny tokony ho izy ny safidim-pitondrantena[ny].”1

Ny fahafahana marina, araka ny ampianarin’ny Jeunes Soyez Forts (Ry Tanora, Mahereza) dia tonga rehefa mampiasa ny fahafahantsika misafidy mba hisafidy ny fankatoavana isika. Ny fahaverezan’ny fahafahana, araka izay nianaran’i Danny, dia tonga avy amin’ny fisafidianana ny tsy fankatoavana.

“Na dia afaka misafidy ny lalana tianao haleha aza ianao dia tsy afaka misafidy kosa ny vokany. Na tsara ireo vokatra ireo na ratsy dia manaraka toy ny vokatra tonga ho azy avy amin’ny safidy nataonao izy ireo.”2

Afaka Manao Araka Izay Safidintsika

Koa satria ny soratra masina dia mampianatra fa isika dia “afaka ny … hifidy,” “afaka manao,” ary afaka manao zavatra maro “amin’ny nahim-po[ntsika]” (2 Nefia 2:27; 10:23; F&F 58:27; Helamàna 14:30), dia matetika isika no mampiasa ny fomba fiteny hoe “fahafahana misafidy malalaka.”

Saingy fantatrao ve fa ny andian-teny hoe “fahafahana misafidy malalaka” dia tsy hita ao amin’ny soratra masina? Ny soratra masina kosa dia mampianatra hoe “hahazoan’ny olona tsirairay miasa araka ny fotopampianarana sy fitsipika … araka ny safidim-pitondrantena izay efa nomeko azy, ka ny olona tsirairay dia ho azo ampamoahina ny amin’ny fahotany” (F&F 101:78; nampiana fanamafisana).

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny teny hoe fahafahana misafidy dia miseho [ao amin’ny soratra masina] na mandeha irery na miaraka amin’ilay mpanova anarana hoe fitondrantena. … Rehefa mampiasa ilay teny hoe safidim-pitondrantena isika dia antitranterintsika araka ny tokony ho izy ny maha-tompon’andraikitra, izay ampahany manan-danja amin’ilay fahafahana misafidy izay fanomezana avy amin’Andriamanitra. Olona mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy isika ary afaka manao araka izay safidintsika, afaka misafidy kanefa tompon’andraikitra amin’ireo safidintsika ihany koa.”3

Nampian’ny Filoha Packer hoe: “Ny fahafahana misafidy dia faritan’ny soratra masina hoe ‘safidim-pitondrantena,’ izay midika hoe afaka misafidy ny tsara na ny ratsy isika.”4 Ity fanomezana avy amin’Andriamanitra ity dia midika fa isika dia “afaka … na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ ny alalan’ Ilay Mpanalalana lehiben’ ny olon-drehetra na hifidy ny fahababoana sy ny fahafatesana araka ny fambaboana sy ny fahefan’ ny devoly” (2 Nefia 2:27)

Ady Ataon’i Satana Amin’ny Fahafahana Misafidy

Koa satria ny safidim-pitondrantena dia mitana anjara asa lehibe ao amin’ny drafitry ny famonjena dia nikatsaka ny hanimba izany i Satana tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana. Noroahina noho ny fikomiany izy ary ankehitriny dia mikatsaka ny “hamitaka sy hanajamba ny olona, mba hitarika azy ho babo araka ny sitrapony” (Mosesy 4:3–4).

Tian’i Satana hanao safidy izay mametra ny fahalalahantsika sy hitarika antsika amin’ny fahazaran-dratsy sy ny fiankinan-doha ary hampihena ny fahafahantsika manohitra ny fakam-panahiny isika. Ny mahakanto ny filazantsara dia ny fampahafantarany antsika ny safidy ataontsika sy ny vokatr’ireo safidy ireo. Ny fampiasana amim-pahendrena ny fahafahana misafidy dia mahatonga ny safidintsika hivelatra hatrany ary manatsara ny fahafahantsika hisafidy araka ny tokony ho izy.

Ny Ohatry ny Mpamonjy

Rehefa naroso nandritra ilay Filankevitra Lehibe tany An-danitra ny drafitry ny famonjena dia nasehon’ny Mpamonjy antsika ny fomba hampiasana araka ny tokony ho izy ny safidim-pitondrantenantsika. Hoy Izy hoe: “Ray ô, hatao anie ny sitraponao ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay” (Mosesy 4:2). Noho Izy vonona ny hanao ny sitrapon’ny Ray tamin’izany fotoana izany sy taty aoriana tao amin’ny Sahan’i Getsemane sy teo amin’ny Hazofijaliana (jereo ny Matio 26:39; Lioka 22:42), dia nijaly noho ireo safidy ratsy nataontsika i Jesoa ary nanome lalana ho antsika mba ho voavela heloka amin’ny alalan’ny fibebahana.

Raha manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika fa tsy miteny hoe “Izay tiako no ataoko,” dia hanambara isika hoe “Izay tian’ny Ray no ataoko.”5 Ny fampiasantsika ny safidim-pitondrantenantsika araka izany fomba izany dia hitondra fahalalahana sy fahasambarana ho antsika.

Rehefa nandeha nihaona tamin’ny evekako aho mba hanao ny dinidinika voalohany mikasika ny asa fitoriana dia feno fankasitrahana satria nanao safidy tsara. Volana vitsy taty aoriana dia nanompo ny Tompo tao Guatemala aho—nampianatra ny hafa ny drafitry ny famonjena sy ny anjara asa lehibe tanan’ny safidim-pitondrantena ao anatin’izany drafitra izany.

Fanamarihana

  1. Boyd K. Packer, “Fantatro Ireo Zavatra Ireo,” Liahona, Mey 2013, 8.

  2. Jeunes Soyez Forts (Ry Tanora, Mahereza) (2011), 2.

  3. D. Todd Christofferson, “Moral Agency,” Ensign, Jona 2009, 47.

  4. Boyd K. Packer, “Fantatro Ireo Zavatra Ireo,” 8.

  5. Jereo ny Wolfgang H. Paul, “The Gift of Agency,” Liahona, Mey 2006, 35.