2014
Mianatra bebe kokoa Mikasika ny Zavatra Miandry
Oktobra 2014


Mianatra bebe kokoa Mikasika ny Zavatra Miandry

Mipetraka any Oslo, Norvège ny mpanoratra.

Nanokana andro iray ny Zatovo ao Oslo Norvège hiomanana amin’izany fiainana rehefa ho misiônera amin’ny fotoana feno izany.

Sary
photos of a missionary preparation conference

Sary ao anaty tranon-tsary nataon’i lukas_zb/iStock/Thinkstock

Hatramin’ny nilazan’ny Filoha Thomas S. Monson ny fiovan’ny taona hanaovana asa fitoriana dia namaly tamim-pahadodonana ireo zatovo rehetra manerana ny Fiangonana, tsy ilay fanasana hanompo ihany fa ilay fanasana hiomana hanompo koa. Ary fomba iray hiomanana ny mianatra bebe kokoa mikasika ny zavatra miandry anao rehefa lasa misiônera amin’ny fotoana feno ianao.

Izany mihitsy no nataon’ny zatovo sasany tao Norvège nandritra ilay iray andro maninjitra niainana “Ny Toe-javatra Atrehana rehefa Misiônera” izay nampiantranoin’ny Paroasin’i Fredrikstad ao amin’ny Tsatòkan’i Oslo Norvège.

Fidirana tao amin’ny “MTC” (Ivontoerana Fanofanana ny Misiônera)

Nivory tao amin’ny efitrano iray tao amin’ny trano fivorian’ny Fiangonana ireo zatovo; efitrano iray izay naneho ny ivontoerana fanofanana ny misiônera. “Nampanaovina asa mba hianatra mikasika ny firenena iray izahay,” hoy i Jakob R. ao amin’ny Paroasin’i Moss. “Nanome anay fahatakarana mikasika ny hoe ahoana izany mahazo antso hanao asa fitoriana izany ilay izy ary hahafantatra fa mety ho antsoina any amin’ny toerana iray tsy mitovy amin’ny toerana mahazatra anao ianao.”

Fihaonana amin’ny “Filohan’ny Misiona”

“Avy eo izahay dia nandeha tao amin’ny efitra ilany mba hihaona amin’ny misiônera iray niverina izay nilalao ny toeran’ny filohan’ny misiona,” hoy i Simon W. ao amin’ny Paroasin’i Oslo. Niresaka mikasika ny zavatra miandry mandritra ny fanaovana asa fitoriana ilay misiônera niverina sy ireo misiônera hafa niverina. “Araka ny hevitro dia tsara tokoa ny nahafantatra avy amin’ireo misiônera niverina ny zavatra miandry mandritra ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno,” hoy i Simon. Nahazo badge nisy anarana ihany koa ireo mpandray anjara, nomena namana iray, ary nomena toromarika mba hijanona miaraka amin’ny namany amin’ny fotoana rehetra.

Fampitomboana ny Fahaiza-manao

Ireo fampiofanana dia nampianatra ireo zatovo mikasika ny fivoarana ara-panahy kanefa koa mikasika ny fitantanana ireo zavatra ilaina ara-nofo toy ny fanasana lamba, ny fampiasana ny vatsimbola, ary ny fitandremana ny vatana mba ho salama hatrany.

“Ilay fampiofanana momba ny fomba hanombohana fifanakalozan-kevitra mikasika ny filazantsara no nankafiziko indrindra,” hoy i Inger Sofie J. ao amin’ny Paroasin’i Oslo. “Zavatra iray azoko atomboka dieny izao izany.”

“Nankafiziko ny niresaka mikasika ny fomba ampiasana ny Torio ny Filazantsarako,” hoy i Karl Frederik O. ao amin’ny Paroasin’i Fredrikstad. “Nieritreritra foana aho hoe nanana ny lisitry ny soratra masina azy ireo manokana tokony hianaran’izy ireo ny misiônera kanefa nahafantatra aho fa ny zavatra efa ataoko amin’izao fotoana izao ao amin’ny seminera dia hanampy ahy amin’ny maha-misiônera ahy ary ho toy izany koa ny zavatra izay efa ianarako ao amin’ny Torio ny Filazantsarako.

Zatovolahy maro no nilaza fa ny iray tamin’ireo fampiofanana tsy hay hadinoina indrindra dia nahitana ny fampiasana tanana tamin’ny fipasohana lobaka fotsy. “Izany dia nampahatsiahy ahy fa maro ireo fahaiza-manao ilaina azoko ianarana mba hahavonona ahy amin’ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno,” hoy i Jakob.

“Nahafantatra aho fa maro tokoa ny zavatra azoko atao dieny izao mba hiarahana miasa amin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno manompo eto mba hanatratra tanjona iray,” hoy i Sarah R. ao amin’ny Paroasin’i Sandvika. “Misiônera koa ny mpikambana.”

Ho fampahatsiahivana fa manompo manerana izao tontolo izao ny misiônera dia naseho tamin’ny alalan’ny sakafo maivana tsakitsaky sy ny fanalana hetaheta ny fomba fandrahoan-tsakafo any amin’ny firenena samihafa. “Izany dia nampahatsiahy tamiko fa tokony hanandrana sakafo vaovao aho amin’izao fotoana izao mba ho zatra amin’ny fanandramana zavatra tsy fihinako isan’andro. Hanampy ahy hizatra haingana kokoa izany raha toa aho ka voantso any amin’ny toerana izay ihinanan’ny olona sakafo tsy mahazatra ahy,” hoy i Simon.

Fiomanana

“Tamin’ny fiafaran’ny fotoana, taorian’ny nihainoanay ny fijoroan’ny tanora roa ho vavolombelona sy ny misiônera roa vao tafaverina, dia nihira ny fihirana ‘Appelés à servir’ izahay” hoy i Liss Andrea O. ao amin’ny Paroasin’i Fredrikstad. “Tsapako fa raha mihira io fihirana io foana aho dia hahatsiaro mandrakariva fa manompo ny Ray any an-danitra isika rehefa misiônera ary Izy dia hitahy antsika.”

Rehefa nifarana ny fotoana dia nahatakatra ireo tanora tao amin’ny tsatòka fa tsy niomana mba hiaina ny zavatra atrehan’ny misiônera amin’ny fotoana feno fotsiny izy ireo fa afaka miaina ny zavatra atrehan’ny misiônera dieny izao sy mandritra ny fiainan’izy ireo sisa.