2014
Fanoherana ny Fandehanako Manao Asa Fitoriana
Oktobra 2014


Fanoherana ny Fandehanako Manao Asa Fitoriana

Mipetraka ao Manaus Brésil ny mpanoratra.

Taorian’ny dinidinika nataon’ny filohan’ny tsatòkako tamiko mikasika ny fanaovana asa fitoriana dia hoy izy hoe “Hisy zavatra hafahafa hitranga eo amin’ny fiainanao izay hiezaka hampiova hevitra anao.”

Sary
illustration of worried-looking young man

Sary nataon’i Greg Newbold

Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana aho teo amin’ny faha-15 taonako ary efa-taona taty aoriana dia nanatitra ny taratasy firotsahana ho misiônera. Tamin’ny dinidinika nataoko niaraka tamin’ny filohan’ny tsatòkako dia nidera ahy izy noho ny fanapahako hevitra hanompo ny Tompo amin’ny fanaovana misiônera amin’ny fotoana feno. Dia nilaza zavatra nampisaina ahy lalina izany mpitarika notaomim-panahy izany avy eo nanao hoe: “Ry rahalahy, manomboka izao dia hisy zavatra hafahafa hitranga eo amin’ny fiainanao izay hiezaka hampiova hevitra anao mikasika ny fanapahan-kevitrao hanompo ny Tompo.”

Teo am-piandrasako ny fiantsoana hanao asa fitoriana dia niasa tamin’ny naha-mpiofana arak’asa ahy tao amin’ny Xerox aho. Izany asa izany dia nahafahako nahazo ny sasany tamin’ireo zavatra ilaiko any amin’ny sahan’ny misiona sy hanampiana ny reniko tamin’ny fandaniana tao an-trano. Nandeha tsara avokoa ny zava-drehetra.

Indrisy anefa fa nitranga tokoa ny “zavatra hafahafa.” Voalohany dia nisy namono ny reniko ka saika maty mihitsy noho ny ratrany, saingy niaro ny ainy tamin’ny fomba mahagaga ny Ray any an-danitra malemy fanahy.

Tamin’izany fotoana izany dia nipetraka tao amin’ny trano nofaina izaho sy ny reniko ary ireo zandriko vavy roa. Ny karamako sy ny tombom-barotra kely noraisin’ny reniko no nivelomanay satria maty taona maro talohan’izay ny raiko.

Ny olona sasany, tao anatin’izany ireo mpikamban’ny Fiangonana, dia nanontany hoe “Hanana herim-po handaozana ny reninao amin’izao mahazo azy izao ve ianao ka handeha hanao asa fitoriana?” Nanomboka nampisy ahiahy tao am-poko ny fahenoako foana io fanontaniana io.

Indray andro dia nantsoin’ny filohan’ny tsatòka aho ary nilaza tamiko izy fa tonga ny fiantsoana ahy hanao asa fitoriana ka nangatahany aho mba ho any amin’ny biraony tamin’io hariva io mba hahafahany manome ahy ilay valopy nandrasako mafy avy any amin’ny foiben’ny Fiangonana. Sady natahotra aho no faly noho ilay vaovao.

Tamin’io andro io ihany dia nangataka ny hiresaka tamiko talohan’ny sakafo atoandro ny taleko. Rehefa niditra ny biraony aho dia niarahaba ahy toy ny namany izy ka niresaka nandritra ny minitra vitsy mikasika ny fiofanako sy ny zavatra nianarako tao amin’ilay orinasa izahay. Tamin’izay dia nilaza zavatra iray izay nofinofin’ny ankamaroan’ny olona teo amin’ilay tanàna io lehilahy manana fahefana lehibe tao amin’ilay orinasa io nanao hoe: “Nahavita zavatra tsara ianao tato tamin’ny naha-mpiofana arak’asa anao ka tianay horaisina ho mpiasa raikitra ianao ary hotazoninay ao anatin’ny ekipa. Inona no hevitrao?”

Iray tamin’ireo fanapahan-kevitra sarotra indrindra teo amin’ny fiainako izany. Tsapako ho toy ny tsy ho tapitra mihitsy ireo segondra. Toy ny hoe henoko izany ireo olona manontany ahy raha toa aho ka hamela ny reniko eo ka tsy hanampy azy ara-bola intsony ary handeha any amin’ny sahan’ny misiona.

Na izany aza dia tsaroako ireo zavatra nianarako avy ao amin’ny soratra masina sy ireo mpitarika ahy ao amin’ny Fiangonana, ary fantatro tamin’ny fomba tena masina tokoa niaraka tamin’ny fahazoana antoka tsy azo hozongozonina fa tian’Andriamanitra hanompo amin’ny maha-misiônera amin’ny fotoana feno ao amin’ny Fiangonany aho. Fantatro fa hikarakara ny fianakaviako Izy ka afaka matoky Azy aho, ary tsy hisy olana ny zavatra rehetra.

Nohazavaiko tamin’ny taleko ny toe-javatra iainako ary mbola manako ato an-tsaiko ny valinteniny hoe: “Nataoko fa tovolahy marani-tsaina ianao kinanjo io ianao fa manary ilay zava-dehibe tokony hararaotinao indrindra eo amin’ny fiainanao.”

Nisaotra azy tamin’ny foko manontolo aho noho ny tolotra nataony, ary 28 andro taorian’izay dia nandeha tany amin’ny ivontoerana fanofanana ny misiônera tao São Paulo, Brésil aho.

Nandritra ny asa fitoriana nataoko dia nanome izay nilain’ny fianakaviako tamin’ny alalan’ireo namako tao amin’ny Fiangonana tamin’ny fomba mahagaga ny Tompo. Tafaverina tamin’ny laoniny ny fahasalaman’ny reniko ary lasa afaka niasa ireo anabaviko sy ny reniko.

Tena misy “Zavatra hafahafa” mitranga tokoa rehefa manapa-kevitra ny hanompo ny Tompo isika. Kanefa dia ampifanampiako amin’ny fijoroan’ireo anarivony hafa ho vavolombelona izay nirotsaka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny fijoroako ho vavolombelona fa nisy fiantraikany lalina teo amin’ny fiainako ny asa fitoriana.