2014
Zanakavavin’Andriamanitra Nanao fanekempihavanana Taminy
Nôvambra 2014


Zanakavavin’Andriamanitra Nanao Fanekempihavanana Taminy

Rehefa mifantoka amin’ny tempoly sy amin’ireo fanekempihavanana masina nataony ireo zanakavavin’Andriamanitra dia afaka mandefa fitahiana ho an’ny tsirairay sy amin’ny fomba mahery Andriamanitra.

Ry rahavaviko malala, miarahaba anareo amim-pitiavana be aho. Amin’izao fotoana izao, na aiza na aiza no misy anareo eto amin’izao tontolo izao, dia antenaiko fa tsapanareo ny fitiavan’ny Tompo anareo manokana sy ny Fanahy izay mijoro ho vavolombelona ao am-ponareo mikasika ilay hafatra izay vao nohirain’ity amboarampeo mahafinaritra ity. Miombom-peo amin’izy ireo aho ka mijoro ho vavolombelona fa: Velona Ilay Mpanavotra Ahy ary tia antsika tsirairay avy Izy.

Miara-mivory eto isika izao hariva izao amin’ny maha-zanakavavin’Andriamanitra antsika izay nanao fanekempihavanana Taminy. Tsy afaka mampisaraka antsika ny taonantsika sy ny toe-javatra ianantsika ary ny maha-isika antsika satria ny tena manan-danja indrindra dia Azy isika. Nanao fanekempihavanana isika ny hahatsiaro mandrakariva ny Zanany.

Nahakasika ny foko telo herinandro lasa izay ny herin’io fanekempihavanana ataon’ny tena manokana io rehefa nanatrika fotoam-batisa iray aho. Nipetraka teo alohako ny ankizy valo tsara tarehy izay naneho hafaliana tamim-panajana fa hoe tonga ihany ilay andro lehibe ho azy ireo. Fa rehefa nijery ny endrik’izy ireo miramirana aho dia tsy andian’ankizy fotsiny no hitako. Nahita azy ireo tahaka izay heveriko fa hahitan’ny Tompo azy ireo kosa aho—hitako tsirairay izy ireo. Hitako i Emma sy i Sophia sy i Ian sy i Logan sy i Aden sy i William sy i Sophie ary i Micah. Atao tsirairay ny fanekempihavanan’ny batisa tsirairay. Samy nanao akanjo fotsy daholo izy ireo ary vonona niaraka tamin’ny faniriana rehetra mety ananan’ny zaza valo taona ao am-pony ny hanao ny fanekempihavanany voalohany tamin’Andriamanitra.

Ataovy jery todika ary alaivo sary an-tsaina ny andro nanaovana batisa anao. Na zavatra maro no tadidinao na vitsy ihany dia ezaho ny hahatsapa amin’izao fotoana izao ny lanjan’ilay fanekempihavanana nataonao manokana. Rehefa avy notononina ny anaranao dia nalentika tao anaty rano ianao ary avy eo dia nivoaka avy tao anaty rano amin’ny maha-zanany vavy anao—zanakavavin’Andriamanitra nanao fanekempihavanana, izay vonona ny ho antsoina amin’ny anaran’ny Zanany Lahy sy nampanantena ny hanara-dia an’Andriamanitra ary hitandrina ny didiny.

Ireo fanekempihavanana atao amin’Andriamanitra dia manampy antsika hahafantatra hoe iza marina isika. Mampifandray antsika Aminy izy ireo amin’ny fomba manokana, izay mahatonga antsika hahatsapa ny lanjantsika eo anatrehany ary hahatsapa ny anjara asantsika ao amin’ny fanjakany. Fantany sy tiany isika tsirairay avy, amin’ny fomba izay tsy azon’ny saintsika takarina tanteraka. Eritrereto anie e!—hoe manana toerana manan-danja toy izany ao am-pony isika tsirairay avy. Ny faniriany dia ny hisafidianantsika ilay lalana hitondra antsika hody any Aminy.

Na dia tena ilaina sy manan-danja aza ny fanekempihavanan’ny batisa dia fanombohana ihany izany—vavahady izay mametraka antsika eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Any aloha any, eo amin’ny lalantsika mankany amin’ny fiainana mandrakizay no misy ireo fanekempihavanan’ny tempoly izay tokony hatao sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana izay tokony horaisina. Araka izay nampahatsiahivin’ny Loholona David A. Bednar tamintsika hoe “Rehefa mijoro eo amin’ny ranon’ny batisa isika dia manomboka ny diantsika ho any amin’ny tempoly.”1

Tsy amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana ihany no hiomanantsika hahazo ny fiainana mandrakizay fa amin’ny alalan’ny fanajana amim-pahatokiana ireo fanekempihavanana ireo ihany koa. Ny fiainana mandrakizay no antenaintsika sy tanjontsika ary fifaliantsika.

Nahita maso ny herin’ny fanekempihavanana aho tamin’ny alalan’ny fijereko ireo ray aman-dreniko marin-toetra izay nitia sy niaina ny filazantsara. Nanana tombontsoa lehibe aho nahita avy amin’ny reny malalako ireo fanapahan-kevitra teo amin’ny fiainana andavanandro nataon’ny zanakavavin’Andriamanitra nanao fanekempihavanana taminy. Na dia mbola zazavavy kely aza izy dia hita taratra tamin’ireo safidiny ireo laharam-pahamehany ary nahafahana namantatra fa mpianatra marin’i Jesoa Kristy izy. Hitako ny fiadanana sy ny hery ary ny fiarovana tonga teo amin’ny fiainany rehefa nanao fanekempihavanana masina izy sy nitandrina izany teny amin’ny lalany mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Nahitana taratra ny fitiavany ny Mpamonjy sy ny faniriany hanaraka Azy ny fiainany teto an-tany. Tena te hanaraka ny ohatra nasehony aho.

Nanomboka tamin’ny fomba tsy dia mahazatra ny fiarahan’ireo ray aman-dreniko. Tamin’ny 1936 no nisehoan’izany. Efa matotra ny fampiarahan’izy ireo ary efa nanao drafitra ny hivady izy ireo raha naharay taratasy nanasa azy hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno tany Afrika Atsimo ny raiko. Nilaza ilay taratasy fa raha mendrika sy vonona ny hanompo izy dia tokony hanatona ny evekany. Hitanareo avy hatrany angamba fa hafa mihitsy ny fomba niantsoana olona mba ho misiônera tamin’izany! Nasehon’i Dada an’i Helen malalany ilay taratasy ka dia nanapa-kevitra tsy tamim-pisalasalana izy ireo fa hanompo izy.

Nandritra ny roa herinandro talohan’ny nandehanany dia niara-nisakafo isan’andro tany am-pitsangantsanganana i Dada sy Neny tao Memory Grove akaikin’ny tampon-tanànan’i Salt Lake City. Nandritra ny iray tamin’ireo fotoana niarahan’izy ireo nisakafo, rehefa avy nikatsaka fitarihana tamin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy ny vavaka izy ireo, dia nilaza tamin’i Claron malalany ny reniko fa raha mbola tian’ny raiko ny hanambady azy dia hanao izany ny reniko alohan’ny handehanany. Tamin’ny fotoana niandohan’ny Fiangonana dia indraindray ireo lehilahy nantsoina hanao asa fitoriana ka dia namela ny vadiny sy ny fianakaviany tany an-trano. Izany no nitranga teo amin’ny reniko sy ny raiko. Rehefa nahazo ny fankatoavana avy tamin’ireo mpitarika tao amin’ny fisoronana ny raiko dia nanapa-kevitra izy ireo ny hivady talohan’ny nandehanan’ny raiko hamita ny iraka nampanaovina azy.

Nandray ny fanafiana masina tao amin’ny tempolin’i Salt Lake ny reniko ary avy eo ny Filoha David O. McKay no nanatanteraka ny fanambadian’izy ireo mba haharitra eto an-tany sy ho mandrakizay. Tsotra ny nanombohan’ny fiainam-panambadian’izy ireo. Tsy nisy mpaka sary, tsy nisy akanjo mariazy tsara tarehy, tsy nisy voninkazo, ary tsy nisy fety nankalazana ilay fotoan-dehibe. Ny tempoly sy ny fanekempihavanana nataony no nifantohan’izy ireo mazava tsara. Ireo fanekempihavanana no nanan-danja indrindra tamin’izy ireo. Enina andro monja taorian’ny nanambadiany dia nanainga ho any Afrika Atsimo ny Dadako, tao anatin’ny veloma tamin-dranomaso.

Ny fanambadian’izy ireo anefa dia nihoatra kokoa noho ilay fifankatiavan’izy ireo lalina. Tia ny Tompo ihany koa izy ireo ary naniry ny hanompo Azy. Ireo fanekempihavanana masin’ny tempoly nataon’izy ireo dia nanome tanjaka sy hery azy ireo izay nanampy azy ireo niaritra ireo taona roa nisarahany toerana. Nanana fomba fijery mandrakizay izy ireo mikasika ny tanjon’ny fiainana sy ireo fitahiana nampanantenaina izay ho azon’ireo mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataony. Ireo fitahiana rehetra ireo dia lehibe lavitra noho ny fahafoizan-tena sy ny fisarahan-toerana fohy niainan’izy ireo.

Na dia azo antoka aza fa tsy fomba mora hanombohana fiainam-panambadiana izany dia voaporofo fa fomba iray tsara indrindra hanorenana fototra ho an’ny fianakaviana mandrakizay. Rehefa nitombo isa ny olona tao amin’ny fianakaviana dia fantatray ny zavatra nanan-danja indrindra tamin’ireo ray aman-dreninay. Izany dia ny fitiavan’izy ireo ny Tompo sy ny fanolorantenan’izy ireo tsy voahozongozona hitandrina ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo. Na dia efa samy nodimandry aza ireo ray aman-dreniko dia ohatra maneho ny fahitsiana izay mbola mitahy ny fianakavianay hatramin’izao ny ohatra nasehon’izy ireo.

Voambaran’ny tenin-dRahavavy Linda K. Burton ny ohatry ny fiainan’izy ireo: “Ny fomba tsara indrindra hanamafisana orina ny tokantrano misy anao amin’izao fotoana izao sy izay haorinao any aoriana dia ny fanajana ireo fanekempihavanana.”2

Tsy mbola nifarana ny fotoan-tsarotra sy ny fotoam-pitsapana nolalovan’izy ireo. Telo taona taorian’ny niverenan’i Dada avy tany am-panaovana asa fitoriana dia nangotraka ny Ady Lehibe Faharoa, ary tahaka ireo maro hafa, dia nirotsaka tao amin’ny tafika izy. Tsy tao an-trano nandritra ny efa-taona fanampiny indray izy raha nanompo tao amin’ny tafika an-dranomasina teny ambony sambo mpiady tany amin’ny ranomasimbe Pasifika.

Fotoan-tsarotra ho an’ireo ray aman-dreniko ny tafasara-toerana indray. Fa ho an’ny reniko kosa, ireo fotoan’ny fanirery sy ny fitaintainana ary ny fanahiana dia voamarik’ireo bitsika avy amin’ny Fanahy izay nanambara fampanantenana mandrakizay sy fampiononana ary fiadanana teo anivon’ny fahoriana.

Na dia teo aza ireo zava-tsarotra nolalovan’ny reniko dia nanana fiainana feno fitahiana izy, izay feno fahasambarana sy fifaliana sy fitiavana ary fanompoana. Hita taratra teo amin’ny fomba fiainany ny fitiavany ny Mpamonjy. Nanana fifandraisana miavaka tamin’Andriamanitra izy ary fanomezam-pahasoavana sy fahaizana mitia sy manasoa ny olona rehetra manodidina azy. Ny finoany an’Andriamanitra sy ny fiandrandrany ny fampanantenana nomen’ny Ray azy dia hita taratra tamin’ny tenin’ny Filoha Thomas S. Monson momba ny tempoly, manao hoe: “Tsy misy izany fahafoizan-tena lehibe loatra, na sarany mavesatra loatra, na fahoriana sarotra loatra ka tsy mendrika nanaovana izany mba handraisana ireo fitahiana ireo.”3

Tao anatin’ireo fotoana rehetra isan-karazany teo amin’ny fiainan-dreniko dia ny fitiavany ny Tompo sy ireo fanekempihavanana nataony sy najainy tamim-pahatokiana no nampatanjaka sy nitahy azy.

Tsy isalasalana fa ho hafa noho ny azy ny zavatra hitranga eo amin’ny fiainanareo. Kanefa azo ampiharina amin’ny fiainantsika rehetra ireo fitsipika notsoahina avy amin’ny fiainany. Rehefa mifantoka amin’ny tempoly sy amin’ireo fanekempihavanana masina nataony ireo zanakavavin’Andriamanitra dia afaka mandefa fitahiana ho an’ny tsirairay sy amin’ny fomba mahery Andriamanitra. Tahaka ny ohatra nasehon’ny reniko tamiko dia hamela lovam-pinoana lehibe ho an’ireo taranaka handimby anareo ny safidinareo ny hino sy hanaja ireo fanekempihavanana. Noho izany ry rahavaviko malala, ahoana no ahafahantsika mahazo ny hery sy ireo fitahiana avy amin’ireo fanekempihavanan’ny tempoly? Inona no azontsika atao amin’izao mba hiomanana amin’ireo fitahiana ireo?

Rehefa nandeha nitety tany aho dia lasa nahafantatra fa misy rahavavy amin’ny sokajin-taona rehetra, ary miaina ao anatin’ny toe-javatra rehetra izay misy, no manana fiainana izay manome ny valin’ireo fanontaniana ireo.

Fotoana fohy taorian’ny faha 8 taonany no nihaonako tamin’i Mary. Tahaka ny ankamaroan’ny olona hafa dia navitrika tamin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana izy ary nanolotra anarana maherin’ny 1.000 ho an’ny asa atao any amin’ny tempoly. Amin’izao i Mary dia miomana ho amin’ny fitahiana amin’ny fidirana ao amin’ny tempoly rehefa feno 12 taona izy.

Telo ambin’ny folo taona i Brianna, izay tia manao ny tantaram-pianakaviana sy asa any amin’ny tempoly. Nekeny ny fanasan’ny Loholona Neil L. Andersen mahakasika ny tempoly.4 Nanomana anarana an-jatony izy ho an’ny asa atao any amin’ny tempoly, ary nampidiriny ho isan’ireo hanao ireo batisa miaraka aminy ny fianakaviany sy ireo namany. Tsy mitodika any amin’ireo razambeny eto an-tany fotsiny ny fon’i Brianna eo amin’ity asa masina ity fa mitodika any amin’ny Rainy any an-danitra ihany koa.

Na dia tanora be atao aza i Anfissa, izay sady miasa no manaraka fianarana any amin’ny oniversite, dia mbola manokana fotoana izy hankanesana any amin’ny tempoly isan-kerinandro. Mikatsaka fanambarana ary mahita fiadanam-po izy rehefa manompo ao amin’ny tranon’ny Tompo.

I Katya, izay rahavavy malala any Ukraine, dia tena tia tokoa ny tempoly. Talohan’ny nananganana ny tempolin’i Kiev dia nahafoy tena izy sy ireo olona hafa tao amin’ny sampana nisy azy nandeha tamin’ny fiara fitateram-bahoaka nandritra ny 36 ora mba hankanesana indray isan-taona tany amin’ny tempoly tany Allemagne. Nivavaka, nandalina soratra masina sy nihira tao amin’ny fihirana ary niresaka mikasika ny filazantsara ireo Olomasina nahafoy tena ireo nandritra ny dia nataony. Hoy i Katya tamiko hoe: “Rehefa tonga tany amin’ny tempoly izahay dia efa vonona handray izay tian’ny Tompo omena anay.”

Raha te handray ireo fitahiana rehetra omen’Andriamanitra antsika amin’ny fahalalahan-tanana lehibe tokoa isika dia tokony hitondra antsika any amin’ny tempoly ny lalana izorantsika. Fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra ny tempoly. Manasa antsika rehetra Izy mba hianatra Aminy sy hahatsapa ny fitiavany ary handray ireo ôrdônansin’ny fisoronana ilaina amin’ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy. Atao ho an’ny tsirairay ny fanekempihavanana tsirairay avy. Manan-danja amin’ny Tompo ny fiovam-po mahery vaika tsirairay avy. Dia izay no hitondra ny fiovana rehetra eo amin’ny fiainanareo. Satria rehefa mandeha mankao amin’ny tranony masina isika dia afaka mitondra ny heriny ho fiadiana, ny anarany ho eo amintsika, ny voninahiny hanodidina antsika, ary ny anjeliny hikarakara antsika.5

Zaraiko aminareo ny fijoroako ho vavolombelona izay azoko antoka fa velona ny Raintsika any an-danitra be fitiavana. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Zanany Malala, no ahatanterahan’ ireo fanantenana sy fampanantenana ary fitahiana rehetra avy amin’ny tempoly. Mivavaka aho mba hananantsika finoana hatoky Azy sy ireo fanekempihavanany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. David A. Bednar, “Hitondra Anarana Iray Amim-pahamendrehana ary Mitoetra,” Liahona, Mey 2009, 98.

  2. Linda K. Burton, “Mitady: Tanana sy Fo Vonona Hanafaingana ny Asa,” Liahona, Mey 2014, 123.

  3. Thomas S. Monson, “Ny Tempoly Masina— Fanilo ho an’Izao Tontolo Izao,” Liahona, Mey 2011, 92.

  4. Jereo ny templechallenge.lds.org.

  5. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22.