2014
Miaina ny Filazantsara Amim-pifaliana
Nôvambra 2014


Miaina ny Filazantsara Amim-pifaliana

Miantehera amin’ilay hery manavotr’i Jesoa Kristy; tandremo ny lalàny sy ny didiny. Izany hoe—iaino amim-pifaliana ny filazantsara.

Ry anabavy malalako isany, ry namako malala sy mpianatr’i Jesoa Kristy voatahy, voninahitra ho ahy ny miaraka aminareo eto amin’izao fanokafantsika fihaonambe iray an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izao indray. Amin’iny herinandro ho avy iny dia hihaona amin’ireo Manampahefana Ambony rehetra sy ireo mpitarika ao amin’ireo vondrona fanampiny maneran-tany ny Fiadidiana Voalohany sy ny Apôstôly Roambinifolo ary ireo fivoriana hafa sisa amin’ity fihaonambentsika maneran-tany ity dia hitohy amin’ny Sabotsy sy Alahady ho avy izao. Feno fankasitrahana indrindra aho ho an’ny Filoha Thomas S. Monson, ilay mpaminanin’Andriamanitra amin’izao androntsika izao, tamin’ny nangatahiny ahy hisolo tena ny Fiadidiana Voalohany eto am-piresahako amin’ireo vehivavin’ny Fiangonana.

Raha nandinika izay ho lazaiko aho, dia niverina nankany amin’ireo vehivavy izay namolavola ny fiainako sy nanampy ahy hisedra ireo fanambin’ny fiainana an-tany ny saiko. Feno fankasitrahana aho noho ny renibeko izay nanapa-kevitra, am-polon-taona maro izay, ny hitondra ny ankohonany hanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo an’ny fiangonana Môrmôna. Feno fankasitrahana aho noho Rahavavy Ewig, ramatoa alemana iray efa be taona ary mananotena, izay raha adika amin’ny teny Malagasy ny anarany dia hoe “Rahavavy Mandrakizay.” Izy ilay nanolotra io fanasana feno fahasahiana sy mahagaga io ho an’ny renibeko. Tena feno fankasitrahana tokoa aho noho ny reniko, izay nitarika zanaka efatra namakivaky ny sahotaka tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. Tsaroako ihany koa ny zanako vavy, ireo zafikeliko vavy, ary ireo taranaka ho avy ahitana vehivavy mahatoky izay mbola ho avy indray andro any.

Ary mazava ho azy fa feno fankasitrahana mandrakizay aho noho i Harriet vadiko, izay nanintona ahy fony aho zatovo, izay nizaka ny enta-mavesatra indrindra tamin’ny naha-reny azy dia ny ankohonana kelinay, izay mijoro eo anilako amin’ny maha-vady azy, ary izay tia sy mankamamy ireo zanakay sy zafikelinay ary zafiafinay. Izy no hery tao an-tokantranonay na nandritra ireo fotoana nampiadana na ireo fotoan-tsarotra. Mitondra fifaliana izy eo amin’ny fiainan’ireo rehetra izay mahafantatra azy.

Farany dia tena feno fankasitrahana aho aminareo rehetra, ireo rahavavy mahatoky an-tapitrisa maneran-tany, ary na firy taona na firy taona, izay miasa mafy mba hananganana ny fanjakan’Andriamanitra. Feno fankasitrahana anareo aho noho ireo fomba tsy tambo isaina izay itaomanareo fanahy sy anolokoloanareo ary itahianareo ireo olona manodidina anareo.

Zanakavavin’ Andriamanitra

Faly aho fa eo anivon’ny zanakavavin’Andriamanitra marobe tokoa. Rehefa mihira ilay hira hoe “Zanaky ny Ray Aho,” dia mipaka ao am-pontsika ireo tonony. Ny fandinihana io fahamarinana io—hoe zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra isika1—dia manome fahatakarana antsika mikasika ny fiaviantsika, sy ny tanjontsika ary ny hiafarantsika.

Tsara ny mahatsiaro fa zanak’Andriamanitra foana ianao. Io fahalalana io no hanome hery ho anao mandritra ireo fotoana sarotra indrindra eo amin’ny fiainanao ary hitaona ny fanahinao hanatanteraka zavatra maro tena miavaka. Na izany aza dia zava-dehibe ihany koa ny mahatsiaro fa ny maha-zanakavavin’ny ray aman-dreny any an-danitra dia tsy voninahitra izay niezahanao ho azo na hoe ho very velively. Hijanona ho zanakavavin’Andriamanitra hatrany ianao ary mandrakizay. Manana tanjona avo ho anao ny Rainao any An-danitra, fa raha ny fiavianao fotsiny hoe avy amin’Andriamanitra dia tsy miantoka ny hahazoanao lova avy amin’Andriamanitra. Nalefan’Andriamanitra eto ianao mba hiomana ho amin’ny hoavy lehibe kokoa noho izay mety ho azonao heverina.

Ireo fitahiana ampanantenain’Andriamanitra ho an’ireo mahatoky dia tena lehibe ary mitaona fanahy. Anisan’izany ny “fiandrianana, fanjakana, fanapahana sy hery, fizakana, ny avo rehetra sy ny lalina.”2 Ary izay taratasy fanamarinam-pahaterahana ara-panahy na izay “Karatra maha-zanak’Andriamanitra” dia tsy ampy hahamendrika anao hahazo ireo fitahiana tsy hay takarina ireo.

Ahoana no fomba hahazoantsika izany?

Namaly io fanontaniana io ny Mpamonjy amin’izao androntsika izao:

“Raha tsy mandray ny lalàko ianareo dia tsy mahatratra izany voninahitra izany.

“Fa ety ny vavahady ary tery ny lalana izay mitondra mankany amin’ ny fisandratana. …

“… Koa raisinareo ny lalàko.”3

Noho io antony io no hiresahantsika mikasika ny fandehanana eo amin’ny lalan’ny maha-mpanaradia.

Miresaka momba ny fankatoavana ireo didin’Andriamanitra isika.

Miresaka momba ny fiainana ny filazantsara amim-pifaliana isika, amin’ny fontsika, herintsika, saintsika ary ny fanahintsika rehetra.

Mahafantatra Zavatra izay tsy fantatsika Andriamanitra

Kanefa ho an’ny sasany amintsika, ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra dia tsy voatery hahafinaritra foana. Aleo miaiky isika hoe: mety misy ny sasany amin’izy ireo izay toa sarotra kokoa, na tsy dia mahasarika loatra—ireo didy izay hatrehantsika amin’ny fahazotoana toy ny fahazotoan’ny zaza iray eo anoloan’ny lovia feno legioma mahasalama nefa tsy tiany. Mihidy vazana isika ary manery tena hankatò mba hahafahantsika miroso amin’ny zavatra hafa mahafinaritra kokoa.

Angamba ao anatin’ny fotoana tahaka ireny dia mety hanontany tena isika hoe: “Moa ve isika tena mila mankatò ireo didin’ Andriamanitra rehetra?”

Tsotra ny valinteniko amin’izany fanontaniana izany:

Mino aho fa mahafantatra zavatra izay tsy fantatsika Andriamanitra—zavatra izay mihoatra noho ny fahatakarantsika! Ny Raintsika any an-danitra dia olona mandrakizay izay manana traikefa sy fahendrena ary faharanitan-tsaina mihoatra lavitra noho ny antsika.4 Tsy izany ihany, fa Izy koa dia tia mandrakizay, sy feno fangorahana ary mifantoka amin’ny tanjona masina tokana: dia ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ ny olona.5

Amin’ny teny hafa dia hoe, tsy vitan’ny hoe mahafantatra izay tsara indrindra ho anao Izy; fa tsy andriny koa izay hanirianao hisafidy ny tsara indrindra ho anao.

Raha mino izany ao am-ponareo ianareo—raha tena inoanareo fa ny asa lehibe an’ny Raintsika any an-danitra dia ny mampisandratra sy manome voninahitra ireo zanany, ary Izy no tena mahay indrindra ny fanaovana an’izany—moa ve tsy misy dikany ny mandray sy manaraka ireo didiny, eny fa na dia ireo izay toa sarotra aza? Moa ve tsy tokony hotandremantsika tsara ireo jiro manoro lalana izay nomeny ka mitari-dalana antsika hamakivaky ny haizina sy ireo fitsapana eo amin’ny fiainana an-tany? Izy ireo no manoro ny lalana hiverenana mankany amin’ny tokantranontsika any an-danitra! Rehefa misafidy ny lalan’ny Ray any an-danitra ianao dia mametraka fototra masina ho an’ny fivoaran’ny tenanao manokana amin’ny maha- zanakavavin’ Andriamanitra anao, izay hitahy anao mandritra ny androm-piainanao.

Anisan’ny fanamby ho antsika, araka ny hevitro, ny fiheverantsika fa hidin’Andriamanitra ao anatin’ny rahona iray lehibe any an-danitra ireo fitahiany rehetra, ka tsy omeny antsika izy ireny raha tsy fenontsika ny fepetra hentitra maro izay Izy no nametraka azy. Kanefa tsy toy izany velively ireo didy. Raha ny marina, dia mandrotsaka fitahiana tsy tapaka eo amintsika ny Ray any an-danitra. Ny tahotra sy ny ahiahy ananantsika ary ny fahotantsika no toy ny elo izay manakana ireo fitahiana ireo tsy ho tonga aty amintsika.

Ireo didiny dia toromarika feno fitiavana sy fanampiana masina enti-manidy ilay elo, mba hahafahantsika mandray tsy tapaka ireo fitahiana be dia be avy any an-danitra.

Mila manaiky isika fa ireo didin’Andriamanitra dia tsy hoe lisitra lavabe ahitana hevitra tsara fotsiny. Tsy “tetika eo amin’ny fiainana” izy ireny izay hoe nalaina tao amin’ny blaogy iray tao amin’ny Internet na koa hoe teny mankahery avy ao amin’ny Pinterest. Fa torohevitra avy amin’Andriamanitra, mifototra amin’ny fahamarinana mandrakizay, izay nomena mba hitondrana “fiadanana eo amin’ ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ ny tontolo ho avy.”6

Koa manana safidy izany isika. Etsy andaniny dia ahitana ny hevitr’izao tontolo izao izay miaraka amin’ireo foto-keviny miovaova hatrany sy ireo tanjony mampametra-panontaniana. Etsy ankilany dia ahitana ny tenin’Andriamanitra ho an’ireo zanany—ny fahendreny mandrakizay, sy ireo fampanantenany azo antoka, ary ireo torolalany feno fitiavana hiverenana eo anatrehany amim-boninahitra sy fitiavana ary fiandrianana.

Anareo ny safidy!

Ilay Mpahary ny ranomasina sy ny fasika ary ireo kintana tsy hita isa dia manolo-tanana anao anio! Manolotra ilay fomba lehibe ahazoana fahasambarana sy fiadanana ary fiainana mandrakizay Izy!

Mba ho mendrika ireo fitahiana tena lehibe ireo dia tsy maintsy manetry tena ianao, sy mampihatra finoana, ka mandray ny anaran’i Kristy ho eo aminao sy mikatsaka Azy amin’ny teny sy ny atao, ary tapa-kevitra ny “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ ny fotoana rehetra sy amin’ ny zava-drehetra ary amin’ ny toerana rehetra.”7

Ny Antony tokony Hankatoavana

Rehefa takatrao ny tena toetran’Andriamanitra sy ireo didiny, dia ho takatrao bebe kokoa ihany koa ny tenanao sy ny tanjona masin’ny fisianao. Rehefa manana izany dia miova ireo antony mamporisika anao hanaraka ireo didy ary dia lasa fanirian’ny fonao ny miaina ny filazantsara amim-pifaliana.

Ohatra, ireo izay mihevitra fa ny fanatrehana ireo fivoriam-piangonana dia fomba iray manokana hampitomboan’izy ireo ny fitiavany an’Andriamanitra, sy hahitana fiadanana, sy hampiorenana ny hafa, sy hikatsahana ny Fanahy ary hanavaozana ny fanolorantenan’izy ireo hanaraka an’i Jesoa Kristy, dia hahazo traikefa mafonja lavitra noho ireo izay mipetraka fotsiny eo ambony dabilio. Ry anabavy, tena zava-dehibe ny fanatrehantsika ireo fivoriana amin’ny Alahady, saingy azoko antoka tsara fa miasa saina kokoa momba ny finoantsika sy ny fibebahantsika ny Ray any an-danitra toy izay momba ny antontan’isan’ny fanatrehana fivoriana.

Indro misy ohatra iray hafa:

Reny mananotena iray izay manana zanaka madinika anankiroa no voan’ny nendram-boalavo vao tsy ela izay. Mazava ho azy fa tsy ela taorian’izay dia voa ihany koa ireo zanany. Tena mavesatra loatra ho an’ity reny mbola tanora ity ny fikarakarana samirery ny tenany sy ireto zanany kely. Ka noho izany ilay trano izay mazàna madio tsy misy pentina dia lasa nisavoritaka sy naloto. Nivangongo tao amin’ny fanasam-bilia ny lovia maloto ary niparitaka tetsy sy teroa ireo lamba maloto.

Raha izy sahirana iny tamin’ireo zanany nitomany—sady te hitomany koa ny tenany—dia nisy nandondòna ny varavarana. Ireo rahavavy mpamangy azy no tao. Tsapan’izy ireo ny fahorian’ity reny mbola tanora ity. Hitan’izy ireo ny tranony sy ny lakoziany. Ren’izy ireo ny tomanin’ireo ankizy.

Izao nefa, raha toa ka ny famitana ny famangiana isam-bolana tokony hatao fotsiny ihany no tao an-tsain’ireto rahavavy ireto dia mety ho nanolotra lovia misy mofomamy tamin’ilay renim-pianakaviana izy ireo, dia nilaza fa nalahelo azy izy ireo tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana tamin’ny herinandro, ary niteny zavatra mitovitovy amin’izao: “Milazà raha misy zavatra azonay atao e!” Dia avy eo mety lasa nandeha tamim-pifaliana izy ireo, feno fisaorana fa nahavita 100 isan-jato ny famangian’izy ireo tamin’iny volana iny.

Soa ihany fa tena mpianatr’i Jesoa Kristy marina ireto rahavavy ireto. Tsikaritr’izy ireo ny filan’ity rahavavin’izy ireo ity, ary dia nampiasain’izy ireo ireo talenta maro sy ireo traikefa maro nananany. Nalamin’izy ireo sy nodiovin’izy ireo ilay korontana, nitondra fahazavana sy fahadiovana tao amin’ilay tokantrano izy ireo, ary niantso namana iray mba hanatitra vatsy sasantsasany izay tena nilaina. Nony vitan’izy ireo ihany ny asany tamin’ny farany ka nametraka veloma, dia vonton-dranomaso ilay renim-pianakaviana tanora raha nilaozan’izy ireo—ranomasom-pankasitrahana sy ranomasom-pitiavana.

Nanomboka tamin’io fotoana io dia niova ny fomba fijerin’ity renim-pianakaviana tanora ity ny famangiana isan-tokantrano. “Fantatro,” hoy izy, “fa tsy hoe asa tsy maintsy atao fotsiny no nahatonga ireny rahavavy ireny namangy ahy.”

Eny, mila mahatoky ireo rahavavy mpamangy eo amin’ny fanatanterahana ireo famangiana fanaony isam-bolana, izy rehetra ary tsy manadino ny tena antony manan-danja ao ambadik’ity didy ity: ny mitia an’Andriamanitra sy ny namana.

Rehefa raisintsika ho toy ny zavatra iray ao anatin’ny lisitr’ireo zavatra tsy maintsy atao ireo didin’Andriamanitra sy ny anjara asantsika eo amin’ny fanorenana ny Fanjakany, dia tsy takatsika ny tena zava-dehibe indrindra eo amin’ny maha-mpianatra. Tsy azontsika ilay fitomboana izay azo avy amin’ny fiainana amim-pifaliana ireo didin’ny Raintsika any an-danitra.

Tsy voatery ho toe-javatra mangidy ny fandehanana eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra. Fa “mamy manoatra noho ny rehetra izay mamy”8 izany. Tsy enta-mavesatra izay mandreraka antsika izany. Ny maha-mpianatra dia mampiakatra ny fanahintsika ary manamaivana ny fontsika. Mitaona ny fanahintsika izany hanana finoana sy fanantenana ary fiantrana. Mameno fahazavana ao amin’ny fanahintsika izany amin’ny fotoan’ny haizina ary fiadanana ao anatin’ny fotoam-pahoriana.

Manome hery masina ho antsika izany ary fifaliana maharitra.

Miaina ny Filazantsara Amim-pifaliana

Ry anabaviko malala ao amin’ny filazantsara, na valo taona ianao na valo amby zato taona, misy zavatra iray izay antenaiko fa tena takatrareo sy fantatrareo:

Tena tiana ianao.

Ankamamian’ireo ray aman-dreninao any an-danitra ianao.

Mahafantatra anao ilay Mpahary tsisy fetra sady mandrakizay izay nahary ny fahazavana sy ny fiainana! Fantany ny momba anao!

Eny, tia anao Andriamanitra amin’ity andro ity mihitsy ary mandrakizay.

Tsy miandry anao handresy ny fahalemenao sy ireo fahazaran-dratsinao Izy akory vao hoe hitia anao. Tia anao izy androany, amin’ny fahatakarana tanteraka ireo ady atrehanao. Fantany fa mitodika any Aminy ianao ao anatin’ny vavaka avy ao am-po sy feno fanantenana. Fantany ny momba ireo fotoana izay namikiranao tamin’ilay afo mitsilopilopin’ny finoana ary nananao finoana—na dia teo anivon’ny haizina nisondrotra aza. Fantany ny momba ireo fijalianao. Fantany ny momba ny nenina nanananao noho ireo fotoana izay nahasolafaka anao na tsy nahombiazanao. Kanefa dia mbola tia anao Izy.

Ary fantatr’Andriamanitra ny momba ireo fahombiazanao; na dia toa bitika aminao aza izy ireny dia ankasitrahany sy ankamamiany ny tsirairay amin’izy ireny. Tiany ianao noho ny fanoloranao tanana amin’ny hafa. Tiany ianao noho ianao manolo-tanana sy manampy ny hafa hitondra ny enta-mavesany—na dia amin’ny fotoana hitolomanao amin’ny anao manokana aza.

Fantany ny zavatra rehetra momba anao. Hitany mazava tsara ianao—Fantany ianao araka ny maha-tena ianao anao. Ary dia tiany ianao—anio ary mandrakizay!

Moa ve ianao mihevitra fa misy hiraharahian’ny Ray any an-danitra hoe tonga lafatra ve ny fihaingonao sy ny fitafinao, sy ny volonao ary ny hohonao? Moa ve ianao mihevitra fa miova arakaraka ny haben’ny isan’ny olona mpanaraka anao amin’ny Instagram na Pinterest ny lanjanao eo imasony? Moa ve ianao mihevitra fa tiany hiasa saina sy hikorotan-tsaina ianao rehefa misy olona manala anao tsy ho namana na tsy mamela anao hahalala vaovao momba azy intsony ao amin’ny Facebook na Twitter? Moa ve ianao mihevitra fa ny endrika manintona na ny haben’ny akanjonao na ny laza dia mampiova zavatra faran’izay kely eo amin’ny lanjanao eo anatrehan’ Ilay nahary an’izao rehetra izao?

Tia anao Izy tsy hoe noho ny maha-ianao anao amin’ity andro ity fotsiny, fa eo ihany koa noho ilay olona feno voninahitra sy fahazavana izay mety hahatongavanao sy irianao hahatongavana.

Mihoatra noho izay azonao heverina ny faniriany ny hahatratraranao ilay anjara hiafaranao—dia ny hiverina any an-tranonao any an-danitra amim-boninahitra.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fomba hanatanterahana izany dia ny mamoy ireo faniriana feno fitiavantena sy ireo tanjona tsy mendrika amin’ny alalan’ny fahafoizantena sy ny fanompoana ny hafa. Ranabavy isany, miantehera amin’ilay hery manavotr’i Jesoa Kristy; tandremo ny lalàny sy ny didiny. Izany hoe—iaino amim-pifaliana ny filazantsara.

Ny vavaka ataoko dia ny mba hiainanareo fatra navaozina sy betsaka amin’ilay fitiavana tsaran’Andriamanitra eo amin’ny fiainanareo; ny mba hahitanareo ilay finoana sy fahatapahan-kevitra ary fanolorantena hahafahana mianatra ireo didin’Andriamanitra sy mankamamy azy ireny ao am-ponareo ary miaina azy ireny amim-pifaliana.

Mampanantena aho fa raha manao izany ianareo, dia hahita ilay tena tsara indrindra ao aminareo—ilay tena ianareo. Ho hitanareo ny tena dikan’izany hoe zanakavavin’ilay Andriamanitra mandrakizay izany, ilay Tompon’ny fahamarinana rehetra. Momba izany no ijoroako ho vavolombelona sy hametrahako aminareo ny tsodranoko amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo ahy, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.