2014
Vita Omana tamin’ny Fomba Izay Tsy Fahita Na Oviana na Oviana
Nôvambra 2014


Vita Omana tamin’ny Fomba Izay Tsy Fahita Na Oviana na Oviana

Enga anie isika mba hiomana tsikelikely handray amim-pahamendrehana ireo ôrdônansy mitondra famonjena ary hitandrina amin’ny fo tokoa ireo fanekempihavanana mifandray amin’izany.

Rehefa tonga tao an-trano avy niatrika ny androny voalohany tany an-tsekoly ny zanakay faravavy dia nanontaniako hoe: “Nanao ahoana ny tany?”

“Nahafinaritra” hoy izy.

Ny ampitson’izany anefa rehefa nofohaziko handeha hianatra izy dia nampifanindriny ny tanany sady nilaza mazava tsara izy hoe: “Izaho anie efa nandeha nianatra e!” Araka ny hita dia tsy nomaniko na nomeko fanazavana izy hoe tsy indray mandeha ihany akory no mandeha mianatra fa mila mandeha mianatra izy mandritra ny dimy andro ao anatin’ny herinandro iray mandritra ny taona maro dia maro.

Raha ho dinihintsika io fitsipiky ny hoe vita omana io dia alaivo sary an-tsaina miaraka amiko ity toe-javatra manaraka ity. Mipetraka ao amin’ny efitrano selestialin’ny tempoly ianao ary mahatsikaritra mpanambady tarihina amim-panajana mivoaka sy miditra eo am-piandrasan’izy ireo ny firosoany hivady mandritra izao fiainana izao sy mandrakizay. Misy vehivavy iray hanambady izay miditra ny efitrano selestialy, mifampitantana amin’ilay malalany. Akanjolavan’ny tempoly izay tsotra sy tsara tarehy no anaovany ary hita soritra eny amin’ny endriny ny fahatoniana sy fiadanana ary hatsaram-panahy. Tsara ny akanjony sy ny bika aman’endriny nefa tsy mahavarimbariana ny saina. Nipetraka izy dia nijery kely ny manodidina ary niontam-po tampoka. Raha ny fijery azy dia nilatsaka ny ranomasony noho ny fanomezany hasina sy ny fanajany ilay toerana sy ilay ôrdônansy masina izay miandry azy sy ilay olon-tiany. Ny fihetsiny dia toy ny maneho hoe: “Tena feno fankasitrahana aho fa ato amin’ny tranon’ny Tompo androany, vonona ny hanomboka dia mandrakizay miaraka amin’ilay ho vady malalako mandrakizay!” Toa vita omana mba hiatrika zavatra maro hafa fa tsy fotoana iray monja izy.

Nametraka taratasy kely misy soratra teo amin’ny ondako ilay zafikelivavy malalanay vao haingana, izay ahitana ampahany manao hoe: “Ny zavatra iray tena tsapako rehefa miditra ny tempoly aho dia ilay fanahy mitondra fiadanana sy fitiavana izay mitoetra ao. … Afaka mandeha any amin’ny tempoly ny olona mba hahazo fitaomam-panahy.”1 Marina ny nolazainy. Afaka mahazo fitaomam-panahy sy fanambarana isika any amin’ny tempoly—ary koa hery hiatrehana ireo olan’ny fiainana. Ny zavatra izay ianarany any amin’ny tempoly rehefa mandray anjara tsy tapaka amin’ny fitondrana ny anaran’ny fianakaviany manokana izy, mba hatao batisa any amin’ny tempoly sy horaisina ho mpikambana, dia hanomana azy handray ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana fanampiny any amin’ny tempoly ary handray fitahiana ho azy sy ho an’ireo izay any amin’ny faritra ilan’ny voaly.

Nampianatra ny Loholona Russell M. Nelson hoe: “Satria nomanina ho an’ny olona ny tempoly dia mila manoman-tena koa izany ny olona ho an’ny tempoly.”2

Eo am-pamakiana indray mikasika ny Kapiteny Môrônia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna aho ary tsaroako fa ny iray tamin’ireo zava-dehibe indrindra vitany dia ny fanomanany tsara ireo Nefita mba hanohitra ilay tafika Lamanita mampihorohoro. Tena nomaniny tsara tokoa ny olony rehefa vakintsika ny hoe, “Nefa indro, akory ny fitalanjonan’ny [Lamanita] tanteraka fa, vita omana hiatrika azy tamin’ny fomba izay tsy fahita na oviana na oviana.[ny Nefita] ”3

Tena nisarika ny saiko ilay andian-teny hoe: “vita omana … tamin’ny fomba izay tsy fahita na oviana na oviana.”

Ahoana no ahafahantsika miomana tsara kokoa handray ireo fitahiana masina avy amin’ny tempoly? Nampianatra ny Tompo hoe: “Ary ankoatra izany, dia homeko anareo ny fakantahaka amin’ny zavatra rehetra.”4 Ndeha isika handinika lamina iray ao amin’ny soratra masina izay hanampy antsika hiomana tsara. Nitaky fahavitrihana tsy tapaka ombam-pinoana ny fiomanan’i Môrônia hiatrehana ny fahavalo ka dia hitaky izany ihany koa ity lamina ity.

Tsy mba mamizana ahy velively ny mamaky ilay fanoharana mahafinaritra notantarain’ny Mpamonjy momba ireo vehivavy virijiny dimy hendry sy ireo vehivavy virijiny dimy adala. Na miresaka momba ny fiomanana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy antsika Fanindroany aza izany dia azontsika oharina koa amin’ny fiomanana amin’ireo fitahiana any amin’ny tempoly izay azo raisina ho toy ny fanasana lehibe ara-panahy ho an’ireo izay vita omana tsara.

Hitantsika ao amin’ny Matio 25 ny hoe:

Ary amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virijiny folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.

Ary dimy tamin’ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry. …

“[Ireo izay] hendry dia nitondra solika tao anatin’ny fitondrany sy ny fanalany.

“Raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.

Ary nony mamantonalina dia nisy antso hoe: Indrỳ ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.

“Dia nitsangana ireo virijiny rehetra ireo, ka samy nanamboatra ny fanalany.

“Dia hoy ny adala tamin’ny hendry: Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.

“Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ny mpivarotra hianareo, ka mividiana ho anareo.

“Fa raha mbola lasa nividy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.

“Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijiny ka nanao hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay.

“Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro hianareo.”5

Heveriko fa tsy misy amintsika, indrindra eo anivon’ireo malemy fanahy no tsy halahelo an’ireo tovovavy adala ireo. Ary misy amintsika te hilaza fotsiny amin’iretsy hafa iretsy hoe: “Tsy mba afaka mizara ve ianareo dia faly daholo ny rehetra?” Saingy eritrereto tsara izany. Tantara notantarain’ny Mpamonjy ity ary Izy no niantso ny dimy tamin’izy ireo hoe “hendry” ary ny dimy hafa hoe “adala.”

Rehefa raisintsika ho toy ny lamina hiomanana ho any amin’ny tempoly io fanoharana io dia eritrereto ny tenin’ny mpaminanin’ny andro farany iray izay nampianatra fa “tsy azo zaraina ny soliky ny fiomanana ara-panahy.”6 Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nitondra fanampim-panazavana mikasika ny antony tsy nahafahan’ireo tovovavy dimy “hendry” ireo nizara ny solika tao amin’ny fanalany tamin’ireo “adala” rehefa nilaza hoe: “Manampy tsikelikely ny solika ao anatin’ny fanalantsika rehefa mandeha ny taona ny fanatrehana ny fivoriana Fanasan’ny Tompo. Ny fifadian-kanina, ny vavaky ny mpianakavy, ny fampianarana isan-tokantrano, ny famehezana ny filan’ny vatana, ny fitoriana ny filazantsara—ny ezaka atao tsirairay izay maneho fanolorantena sy fahavitrihana dia efa solika indray mitete milatsaka ao anatin’ny tahirintsika. Ny asa fanasoavana, ny fandoavana ny fanatitra sy ny fahafolonkarena, ny fananana eritreritra madio sy ny fitondrantena madio … —ireo koa dia tena mampitombo ny solika izay azontsika ampiasaina amin’ny fotoana mamantonalina tokony handrehetana ilay fanalantsika mitady ho faty.”7

Azonareo an-tsaina ve ilay lamin’ny fiomanana—mandeha tsikelikely—izay afaka manampy antsika rehefa mieritreritra ny fomba ahafahantsika havitrika kokoa eo amin’ny fiomanantsika handray ireo ôrdônansy masina ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa isika? Inona koa ireo zavatra kely sy tsotra hafa izay mety hitondra solika sarobidy ara-panahy fanampiny ao anatin’ny fanalan’ny fiomanantsika.

Mampianatra antsika ny Loholona Richard G. Scott fa ny “fahamendrehan’ny tena manokana dia fepetra manan-danja takiana mba hahazoana ireo fitahiana any amin’ny tempoly. … Ny toetra mendrika dia tena voatefy tsara amin’ny alalan’ny fiainana ahitana fanaovana safidy tsara sy tsy miovaova mifototra amin’ny fampianaran’ny Tompo.”8 Tiako ilay teny hoe tsy miovaova. Mifono fahavitrihana sy fahamatorana izany. Famaritana tena tsara mikasika ny fitsipiky ny fahamendrehana tokoa izany.

Ny Bible Dictionary dia mampahatsiahy antsika hoe: “Ny tokantrano ihany no azo oharina amin’ny tempoly noho ny fahamasinany.”9 Mifanaraka amin’io famaritana io ve ny tokantranonao na ny efitranonao? Nisy zatovovavy mahafinaritra iray tao amin’ny paroasinay tonga tany an-tranonay vao haingana. Fantatro fa vao tonga avy nanao asa fitoriana ny anadahiny ka dia nanontaniako izy hoe, manao ahoana izany mahita ny anadahiny indray ao an-trano izany. Mahafinaritra hoy izy saingy indraindray angatahiny mba hahena ny feon’ny mozika. “Tsy mozika ratsy akory anefa ilay izy!” hoy izy. Tsara raha mba manombantombana ny tenantsika ihany isika indraindray mba hanaovana ny tokantranontsika ho toerana ahafahantsika mahatsapa ny Fanahy. Rehefa manomana ny tokantranontsika ho toerana azo onenan’ny Fanahy isika dia ho voaomana mba hahatsapa “ho toy ny any an-trano” bebe kokoa rehefa miditra ny tranon’ny Tompo.

Handrotsaka “fitahiana [maro dia maro]”10 eo amintsika ny Tompo rehefa manomana ny tenantsika mba ho mendrika ny hiditra ny tempoly isika sy matoky amin’ireo fanekempihavanan’ny tempoly. Vao haingana ilay namako akaiky Bonnie Oscarson no nanova ny teny tao anatin’ny soratra masina iray rehefa nilaza hoe: “Fa [izay] takina be no [h]omena be.”11 Marina loatra izany! Satria mandeha any amin’ny tempoly isika mba handray fitahiana mandrakizay dia tsy tokony hanaitra antsika hoe misy fepetra ambony kokoa takina mba hahazoana ireo fitahiana ireo. Namerina nampianatra ny Loholona Nelson hoe: “Satria tranon’ny Tompo ny tempoly dia Izy no nametraka ireo fepetra ahafahana miditra ao. Toy ny vahininy ny olona iray miditra ao. Tombontsoa tsy voavidy vola sy marika azo tsapain-tanana maneho ny fankatoavana an’Andriamanitra sy ny mpaminaniny ny fihazonana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.”12

Ny mpanao fanatanjahantena sy ny mpianatra any amin’ny oniversite manomana doctorat dia mandany ora, andro, herinandro, volana ary taona maro mihitsy aza mba hiomanana. Takina amin’izy ireo ny fiomanana tsikelikely isan’andro mba hahatongavan’izy ireo amin’ny ambony indrindra. Torak’izany koa, ireo izay maniry ny hahazo ny fisandratana any amin’ny fanjakana selestialy dia mila miaina ny fankatoavana ambony kokoa izay azo avy amin’ny fampiharana isan’andro sy tsikelikely ilay soatoavina dia ny fankatoavana izany.

Rehefa mandraraka tsikelikely tsy tapaka ombam-pahavitrihana solika ao anatin’ny fanalantsika ara-panahy isika ary manao ireo zavatra kely sy tsotra ireo dia “ho voamboatra sy hirehitra”13 amin’ny alalan’ilay fiomanana mahatalanjona ny fanalantsika. Ilay vadiko mahafatifaty, izay filohan’ny tsatòka dia nilaza vao haingana fa tsapany foana raha toa ny olona iray ka vonona sy mendrika ny hiditra ny tempoly, satria “mitondra hazavana ao amin’ilay efitrano” izy ireo rehefa tonga mba hangataka fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

Nangataka tamin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith tao anatin’ny vavaka fanokanana ny Tempolin’i Kirtland hoe: “mba hahatsapa ny heriny ny olona rehetra izay miditra ny tokonam-baravaran’ny tranon’ny Tompo, … hahazoany mitombo ao Aminao sy mandray ny fahafenoan’ny Fanahy Masina, … ary miomana mba hahazo ny zavatra rehetra ilaina.”14

Mivavaka aho mba hifono zavatra bebe kokoa noho ny hoe fotoana indray mandeha atrehana fotsiny ny fandehanana any amin’ny tempoly ho antsika. Enga anie isika mba hiomana tsikelikely handray amim-pahamendrehana ireo ôrdônansy mitondra famonjena ary hitandrina amin’ny fo tokoa ireo fanekempihavanana mifandray amin’izany. Fantatro fa ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana nampanantenaina, dia ny fananana ny Fanahy Masina lalandava sy ny herin’ny Tompo ao an-tokantranontsika sy eo amin’ny fiainantsika manokana isika raha manao izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.