2014
Hanomboka amin’ny volana Janoary ny Fanovana mikasika ny Fampaherezam-panahy ho an’ireo Tanora Tokan-tena sy Mpivady Vao Herotrerony
Nôvambra 2014


Hanomboka amin’ny volana Janoary ny Fanovana mikasika ny Fampaherezam-panahy ho an’ireo Tanora Tokan-tena sy Mpivady Vao Herotrerony

Nambaran’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevi-pitantanan’ny Fiangonana fa hisy fanovana ny hatetiky ny fanaovana ny fampaherezam-panahy ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony sy ny toerana ary ny famoahana izany, izay manan-kery amin’ny Janoary 2015. Hita ao amin’ny fanovana ny:

Anarana: Fampaherezam-panahy ho an’ny Tanora Tokan-tena sy Mpivady vao Herotrerony Maneran-tany: Takariva hiarahana amin’i (anaran’ny mpandahateny).

Hatetiny: In-telo isan-taona, ny Alahady faharoan’ny volana Janoary, ny Alahady voalohany amin’ny volana Mey, ary ny Alahady faharoa amin’ny volana Septambra.

Mpanatrika: Ireo tanora rehetra, na manambady na tsia, dia asaina mba hanatrika. Asaina hanatrika izany ihany koa ireo mpianatra eo am-pamitana fianarana any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa (lycée) na izay mitovy lenta amin’izany.

Toerana: Ireo fampaherezam-panahy amin’ny Janoary dia hatao ao amin’ny Brigham Young University ao Provo, Utah; ao amin’ny BYU–Idaho; na ao amin’ny BYU–Hawaii. Ny fampaherezam-panahy amin’ny volana Mey dia hatao ao amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana ao Salt Lake City na ao amin’ny toerana hafa ao amin’ny foiben’ny Fiangonana. Ny fivoriana fampaherezam-panahy amin’ny Septambra dia hatao amin’ny toerana hafa any Etazonia.

Famoahana: Ao anatin’ny andro vitsivitsy aorian’ny fampaherezam-panahy tsirairay, ireo lahateny miendrika lahatsoratra, feo, sy horonan-tsary dia ho hita ao amin’ny LDS.org ary ny application Gospel Library dia ho hita ao amin’ny fitehirizana vaovao ho an’ny Tanora Tokan-tena sy mpivady vao herotrerony. Hivoaka aorian’izany amin’ny fiteny hafa ireo lahateny. Hampidirina ao amin’ny Liahona ny famintinana ireo lahateny, ary havoaka mivantana sy aorian’ny fampaherezam-panahy ny karazana teny nambara, sary misy teny nambara (hafatra an-tsary), sy horonan-tsary famintinana amin’ny alalan’ireo tambazotra ifaneraserana an’ny Fiangonana, ka tafiditra ao anatin’izany ireo pejy manokan’ny mpandahateny amin’ny tambazotra ifaneraserana.

Mbola avy ao amin’ireo Manampahefana Ambony sy ireo Mpiandraikitra maneran-tany ao amin’ny Fiangonana no hifantenan’ny Fiadidiana Voalohany ireo mpandahateny.

Nambara tamin’ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony nandritra ny fampaherezam-panahy an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana tamin’ny 2 Nôvambra 2014 ireo fanovana, ary tamin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana tao anatin’ny taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny 28 Aogositra 2014 izay nahitana ny Fandaraham-potoan’ny Fampitana amin’ny taona 2015.

Nihaino lahateny iray nandritra ny fampaherezam-panahy tao amin’ny Marriott Center tao amin’ny Brigham Young University ao Provo, Utah, Etazonia ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony.

Sary nalain’i Scott G Winterton, Deseret News