2014
Misy Fanampiana ho an’ireo izay Mizaka ny Mafy noho ireo Fihetsiky ny Olona Akaiky Azy izay Tratran’ny Fiankinan-doha Amin-javatra
Nôvambra 2014


Misy Fanampiana ho an’ireo izay Mizaka ny Mafy noho ireo Fihetsiky ny Olona Akaiky Azy izay Tratran’ny Fiankinan-doha Amin-javatra

Ireo vady sy fianakaviana izay mizaka ny mafy noho ireo fihetsiky ny olona akaiky azy izay tratran’ny fiankinan-doha amin-javatra dia afaka mitodika any amin’ny torolalana iray vaovao ao amin’ny tranonkala mba hahazoana fanampiana sy fanantenana ary fanasitranana.

Ilay Torolalana Hanohanana ny Vady sy Fianakaviana hita ao amin’ny AddictionRecovery.lds.org, dia natao hanampiana ireo vady sy fianakaviana ho sitrana amin’ny olana iainany noho ny fiankinan-dohan’ny olona akaiky azy amin-javatra izay tafaroboka ao anatin’ny zava-mahadomelina, toaka, pôrnôgrafia, na zavatra raisina hafa na zavatra atao hafa izay manimba. Ankoatra ny teny Anglisy dia ho hita tsy ho ela amin’ny teny Espaniola, Pôrtogey, Frantsay, Italiana, Alemà, Sinoa, Japôney ary Kôreana izany.

Misy fizarana 12 ao amin’ilay torolalana izay mifantoka amin’ny fanasitranana, fampitomboana ny fanantenana, ary fitadiavana hery amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Ahitana torohevitra mahasoa maro ao, toy ny fomba hametrahana ny fefy sy ny lalàna, ny fomba hifanakalozan-kevitra momba ny fiankinan-doha sy ny fahasitranana amin’ireo olona akaiky anao, ary ny fihetsika tokony hatao raha miverina indray ny fiankinan-doha.

Ampiasaina ilay torolalana mba hanaovana fifanakalozan-kevitra amin’ny fivoriana ataon’ny vondrona mitondra fanampiana mangingina ho an’ireo vady sy fianakaviana izay karakarain’ny LDS Family Services. Azo ampiasaina ihany koa izy io ho an’ny fandalinan’ny tena manokana na ampiasain’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana rehefa manao dinidinika sy manome torohevitra.