2014
Manome Fanampiana ny LDS Charities
Nôvambra 2014


Manome Fanampiana ny LDS Charities

Hatramin’ny fiandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny, dia nahafantarana ny mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fahavononana hanampy sy hankahery ireo izay mijaly.

Taona vitsivitsy lasa izay, ireo mpikamban’ny Fiangonana sy olona hafa dia nanolotra tamim-pahalalan-tanana izay ilaina mba enti-manatanteraka ny fandaharan’asan’ny Sampan-draharahan’ny Fiangonana Misahana ny Asa Fanasoavana mba hitahiana ny fiainan’ny olona manerana izao tontolo izao. Tamin’ny taona 2013 fotsiny dia nanampy olona mihoatra ny 10.5 tapitrisa tany amin’ny firenena miisa 130 ny fandaharan’asa fanasoavan’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ny ezaka izay natao dia nanomboka tamin’ny fanomezana izay kojakoja ilaina sy ivelomana hatrany amin’ny fanomezana rano madio; sy ny fanofanana mpampivelona sy mpitsabo mba hamonjena ny ain’ireo zaza vao teraka an’arivony; ary ny fanomezana seza misy kodiarana. Ankoatra izany, ny Fiangonana dia manampy amin’ny fikarakarana ny maso sy manampy manome fanofanana, ary manampy amin’ny fiarovana amin’ny aretina ary manampy ireo fokonolona hamboly sakafo mahavelona.

Fanampiana ireo Mpitsoa-ponenana

Nanao ezaka lehibe ny Fiangonana mba hanampiana ireo mpitsoa-ponenana sy ireo hafa izay ianjadian’ny ady sy ny tsy fahampian-tsakafo. Vao haingana:

  • Nanome trano lay an’arivony sy sakafo fototra ho an’ireo fianakaviana tany Chad ny Fiangonana ary nanamboatra fantsakana sintomin-tanana, lava-piringa ary trano fisasana tany amin’ny toeram-pitobian’ireo mpitsoa-ponenana tany Burkina Faso.

  • Any Jordanie, Syrie, Liban, Irak, sy ny faritra Kurde, dia mizara kitapo feno sakafo, bodofotsy, fanafody, fitaovana fidiovana, lambam-pandriana ary akanjo mafana ny LDS Charities. Tany Irak sy tany amin’ny faritra Kurde, dia nomena seza misy kodiarana sy fitaovana hafa manampy amin’ny fivezivezena ireo olona izay naratra nandritra ny ady.

  • Tany Gaza dia nomena fanafody sy fitaovana fitsaboana ary vovo-dronono ny hôpitaly foibe.

  • Tany Israel dia nomena fitaovana ultrason ny toeram-pitsaboana iray.

  • Niara-niasa tamin’ny Programme des Nations Unies Pour le Développement ny Fiangonana tany Ukraine sy Russie mba hanome sakafo, lambam-pandriana, fitafiana, sy fitaovam-pidiovana ho an’ny olona 30.000 izay nifindra toerana nandritra ny korontana.

Miezaka ny tsy hiandany na amin’ny atsy na amin’ny aroa ny LDS Charities amin’ny lafiny ara-pôlitika sy miezaka ny manampy ny olona avy amin’ny finoana samihafa.

Asa Fanampiana

Mamaly antso ihany koa ny Fiangonana rehefa misy loza voajanahary.

  • Tany Sierra Léone sy Libéria dia mpilatsaka an-tsitrapo miisa 1.600 no nampiasain’ny Fiangonana mba hanofana mikasika ny fomba hiarovana amin’ny Ebola sy nanome sakafo sy fitaovana fidiovana fototra ary fanafody.

  • Taorian’ny tondra-drano nateraky ny oram-baratra tany Pakistan sy Inde dia nanome sakafo sy fitaovana fidiovana ary fanafody ny Fiangonana.

  • Tany Tonga dia nisy rivo-doza iray nandrava trano an’arivony, anisan’izany ny tranon’ny fianakaviana mpikambana miisa 116. Hanampy azy ireo ny mpikambana amin’ny fanamboarana ny tranony. Nahazo fiofanana momba ny fomba fanamboarana ny trano fialofany izy ireo ary avy eo nasaina nanampy olona efatra farafahakeliny amin’ny fanamboarana ny tranony. Manatsara ny voa ihany koa ny Fiangonana sy manofana amin’ny fambolena ao an-jaridaina.

  • Tany Mexique, rehefa nandrava sy nanimba trano an’arivony ny rivo-doza iray, dia nanome sakafo sy rano ho an’ireo mpikambana tra-boina ireo mpitariky ny Fiangonana tany an-toerana, ary niara-niasa tamin’ny fitondram-panjakana ny Fiangonana mba hanome vatsy ara-tsakafo.

Inona no Azonao Atao

Manampy ny Fiangonana hirotsaka an-tsehatra avy hatrany rehefa misy fotoan-tsarotra ny Fandrotsahana anjara biriky ao amin’ny Kitapombolan’ny Asa Fanasoavana. Ankoatra izany, ireo mpikamban’ny Fiangonana na aiza na aiza misy azy ireo dia afaka mampiseho fitiavana tahaka ny an’i Kristy sy manao asa fanompoana ary manao izay hisian’ny fifanajana eo amin’ny rehetra. Fihetsika tahaka ny an’i Kristy izay tsy ho very maina mihitsy ny maka namana sy miraharaha ary mandray tsara ireo mpitsoa-ponenana sy mpifindra monina izay hitantsika ao amin’ny fiaraha-monina misy antsika na ireo izay iharam-boina.

Amin’ny alalan’ny asa fanasoavana ataony, ny Fiangonana dia miezaka ny mampita ny torohevitry ny Filoha Thomas S. Monson hoe “afaka mifankahery isika; ananantsika ny hery hahatsikaritra izay tsy tsikaritry ny olona” Rehefa manana maso mahita sy sofina mahare ary fo mahafantatra sy mahatsapa isika, dia afaka manolo-tanana sy mamonjy” (“The Call to Serve,” Liahona, Jan. 2001, 58).

Nihaona tamin’ireo mpitsoa-ponenana ny Filohan’ny Distirikan’i Amman, Jordanie sy ny zanany vavy.

SARAH JANE WEAVER, CHURCH NEWS