2014
Azon’ireo Filankevitra Ampiasaina ny Ministering Resources (Loharanom-pitaovana Enti-manampy)
Nôvambra 2014


Azon’ireo Filankevitra Ampiasaina ny Ministering Resources (Loharanom-pitaovana Enti-manampy)

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny tsatòka sy paroasy dia efa afaka mampiasa pejy iray vaovao ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana antsoina hoe Ministering Resources, hita ao amin’ny ministering.lds.org, mba hanampiana ny olona tsirairay na ny fianakaviana amin’ny filan’izy ireo ara-panahy sy ara-batana, ka tafiditra ao anatin’izany ireo olana sarotra sy tena manahirana. Azon’ireo mpikambana manana antso ao amin’ny filankevitry ny tsatòka sy ny paroasy atao ny miditra ao amin’izy io amin’ny alalan’ny kaonty LDS.

Nasiam-panavaozana sy nampitomboana ireo loharanom-pitaovana izay ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka ihany no afaka nampiasa azy teo aloha ka nampiana torolalana manokana izany mikasika ny fomba hanampiana ireo niharan’ny herisetra, ireo izay manana olana amin’ny fiankinan-doha, ireo bevohoka tsy manambady, ireo mijery zavatra mamoafady, ireo izay manana fironana amin’ny fifankatiavan’ny samy lahy na samy vavy, ary ireo izay manana olana ara-bola sy arak’asa.

Azon’ireo filankevitry ny paroasy atao ny mampiasa ny Ministering Resources eo ambany fitarihan’ny eveka mba hanaovana fifanakalozan-kevitra ho tombontsoan’ny olona tsirairay sy ny fianakaviana izay ao amin’ny paroasin’izy ireo.