2014
Ny Fampianarana ho an’izao Androntsika izao
Nôvambra 2014


Ny Fampianarana ho an’izao Androntsika izao

Manomboka ny volana Nôvambra 2014 ka hatramin’ny Marsa 2015, ny lesona ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy Fikambanana Ifanampiana isaky ny Alahady fahefatra dia tokony homanina avy amin’ny lahateny anankiray na mihoatra izay natao nanditra ny fihaonamben’ny Fiangonana volana Ôktôbra 2014. Amin’ny volana Aprily 2015 dia azo fidina na avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana Ôktôbra 2014 ireo lahateny na avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana Aprily 2015. Tokony hifidy ireo lahateny izay ho ampiasaina any amin’ny faritra misy azy ireo ny filohan’ny tsatòka sy distrika, na azon’izy ireo omena ny eveka na ny filohan’ny sampana izany andraikitra izany.

Ireo izay manatrika ny fampianarana isaky ny Alahady fahefatra dia entanina mba handalina mialoha ireo lahateny voafantina. Hita amin’ny fiteny maro ao amin’ny conference.lds.org ireo lahateny ireo.