2014
Fitiavana ny Hafa sy Fiainana ao anatin’ny Fahasamihafana
Nôvambra 2014


Fitiavana ny Hafa sy Fiainana ao anatin’ny Fahasamihafana

Amin’ny maha- mpanaradia an’i Kristy antsika dia tokony hiaraka hiaina amim-pahatoniana amin’ny hafa izay tsy mitovy soatoavina amintsika isika na izay tsy manaiky ireo fampianarana izay ifotoran’izany.

I.

Tamin’ireo andro faramparany tamin’ny asa fanompoan’i Jesoa teto an-tany dia nomeny an’ireo mpianany ilay nantsoiny hoe “didy vaovao” (Jaona 13:34). Naverina in-telo io didy io ary tsotra saingy sarotra: “[Mifankatiava ianareo], tahaka ny nitiavako anareo” (Jaona 15:12; jereo koa ny andininy 17). Ilay fampianarana hoe tokony hifankatia dia fampianarana iray manan-danja indrindra teo amin’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy. Ilay didy lehibe faharoa dia hoe “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Matio 22:39). Nampianatra mihitsy aza i Jesoa hoe “Tiava ny fahavalonareo” (Matio 5:44). Saingy ilay didy hoe tiava ny hafa tahaka ny nitiavany ny vahoakany dia fanamby iray izay miavaka ho an’ireo Mpianany—ary ho antsika koa. “Raha ny marina,” dia nampianatra antsika ny Filoha Thomas S. Monson tamin’ny volana aprily teo hoe: “ny fitiavana no ampahany manan-danja indrindra amin’ny filazantsara, ary i Jesoa Kristy no ohatra ho antsika. Lovam-pitiavana ny fiainany.”1

Nahoana no sarotra toy izany ny manana fifankatiavana tahaka ny an’i Kristy? Sarotra izany satria isika tsy maintsy miaina eo anivon’ireo izay tsy miray finoana sy soatoavina ary adidy amin’ny fanekempihavanana amintsika. Tao amin’ilay vavaka lehibe nataon’i Jesoa ho an’ireo mpianany, izay nataony taloha kelin’ny nanomboana Azy, dia nivavaka ho an’ireo mpanara-dia Azy i Jesoa: “Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’izao tontolo izao izy, satria tsy naman’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao” (Jaona 17:14). Avy teo Izy dia nitalaho tamin’ny Ray hoe “Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy” (andininy 15).

Tokony hiaina ao amin’ izao tontolo izao isika fa tsy ho anisan’ izao tontolo izao. Tsy maintsy miaina ao amin’izao tontolo izao isika, araka ny nampianarin’i Jesoa tao anaty fanoharana iray, hoe ny fanjakany dia toy ny “masirasira,” izay ny asany dia ny mampitombo ilay koba noho ny fiantraikany (jereo ny Lioka 13:21; Matio 13:33; jereo ihany koa ny 1 Korintiana 5:6–8). Tsy afaka manao izany ireo mpanaradia Azy raha tsy mifandray afa-tsy amin’ireo izay iray finoana sy iray fomba aminy. Saingy nampianatra ihany koa ny Mpamonjy fa raha tia Azy isika dia hitandrina ny didiny (jereo ny Jaona 14:15).

II.

Ahitana fampianarana maro mikasika ny fitandremana ny didy ny filazantsara rehefa miaina eo anivon’ny olona hafa finoana sy hafa fomba fanao. Manan-danja indrindra ireo fampianarana momba ny fifandirana. Rehefa nahita an’ireo Nefita nifanditra mikasika ny fomba fanaovana batisa i Kristy dia nanome torolalana mazava Izy mikasika ny fomba tokony hanatanterahana io ôrdônansy io. Avy eo Izy dia nampianatra ity fitsipika lehibe ity:

“Ary tsy hisy fifanjihirana eo anivonareo, toy izay efa nisy hatrizao; tsy hisy koa fifanjihirana eo anivonareo, momba ny lafiny amin’ny fotopampianarako toy izay efa nisy hatrizao.

“Fa lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izay manana ny fanahin’ ny fifandirana dia tsy Ahy fa an’ ny devoly kosa, izay rain’ ny fifandirana, ary mamoky ny fon’ ny olona izy mba hifanditra amim-pahatezerana, izy samy izy.

“Indro, … izao … no fotopampianarako dia ny hampitsaharana ny zavatra toy izany” (3 Nefia 11:28–30; nampiana fanamafisana).

Tsy noferan’ny Mpamonjy ho an’ny fifandirana amin’ireo izay tsy mitandrina ny didy mikasika ny batisa ihany ny fampitandremana nataony. Norarany ny fifandirana na avy amin’iza na avy amin’iza. Na ireo izay mitandrina ny didy aza dia tsy mahazo mamoky ny fon’ny olona hifanditra amim-pahatezerana. Ny devoly no “rain’ny fifandirana”; ny Mpamonjy no Andrian’ny Fiadanana.

Mitovy amin’izany koa ny Baiboly dia mampianatra fa “ny hendry mampionona fahatezerana” (Ohabolana 29:8). Ireo Apôstôly fahiny dia nampianatra fa isika dia tokony “hitady ny momba ny fiadanana” (Romana 14:19) ary “[hanambara] ny marina amin’ny fitiavana” (Efesiana 4:15), “fa ny fahatezeran’ny olona tsy ahefana izay marina eo imason’ Andriamanitra” (Jakoba 1:20). Ao amin’ny fanambarana maoderina ny Tompo dia nandidy fa ny vaovao mahafalin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia tokony hambaran’ “ny olona tsirairay ny namany amin’ ny fahamorana sy amin’ ny halemem-panahy” (F&F 38:41), “amim-panetren-tena tanteraka, … tsy manebaka ireo mpanebaka” (F&F 19:30).

III.

Na dia rehefa miezaka ny ho malemy fanahy sy hanalavitra ny fifandirana aza isika, dia tsy tokony hanao marimaritra iraisana na hafangarontsika amin’ny fanolorantena hafa ny fanolorantenantsika amin’ireo fahamarinana izay takatsika. Tsy tokony hamoy ny toerantsika isika na ireo soatoavina tandrovantsika. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ireo fanekempihavanana nataontsika dia tsy azo ihodivirana fa mametraka antsika amin’ny toeran’ny mpiady eo amin’ilay ady mandrakizay eo amin’ny fahamarinana sy ny fahadisoana. Tsy misy ny sady tsy an’ny atsy no tsy an’ny eroa eo amin’io ady io.

Nasehon’ny Mpamonjy ny lalana rehefa nampifanatrehan’ireo fahavalony tamin’ilay vehivavy “azo olan-tanana nijangajanga” (Jaona 8:4) izy. Rehefa afa-baraka noho ny fihatsarambelatsihiny ireo mpanameloka dia nisitaka ary namela an’i Jesoa ho irery niaraka tamin’ilay vehivavy. Noraisiny tamin-katsaram-panahy izy ary nanda tsy hanameloka azy tamin’io fotoana io. Saingy nomeny toromarika hentitra izy hoe “aza manota intsony” (Jaona 8:11). Takina ny hatsaram-panahy feno fitiavana, saingy ny mpanaradia an’i Kristy—tsy misy hafa amin’ilay Mpampianatra—dia ho hentitra amin’ny fahamarinana.

IV.

Toy ny Mpamonjy, ireo mpanaradia Azy koa indraindray dia mifanehatra amin’ny fitondrantena feno fahotana, ary ankehitriny rehefa manambara ny tsara na ny ratsy araka izay fahatakarany azy izy ireo indraindray dia antsoina hoe “mpanavakavaka” na “jamban’ny fivavahana.” Fomba fisainana sy fanao maro izay an’izao tontolo izao no mametraka fanamby toy izany ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany. Misongadina amin’ireo fanamby ireo ankehitriny ilay fironana mahery vaika mamadika ho ara-dalàna ny fanambadiana eo amin’ny samy lahy na samy vavy any amin’ny fanjakana sy faritany maro eto Etazonia sy Kanadà ary any amin’ny firenena maro hafa eto an-tany. Isika dia miaina ihany koa eo anivon’ireo sasantsasany izay tsy mino mihitsy ny mahatsara ny fanambadiana. Ny sasany dia tsy mino ny tokony hananana zanaka. Ny sasany dia manohitra an’izay mety ho famerana ny pôrnôgrafia na ny zava-mahadomelina mampidi-doza. Ny ohatra iray hafa—tsy vaovao amin’ny ankamaroan’ireo mpino—dia ny olana amin’ny fiarahana mitoetra amin’ny vady na olona ao amin’ny fianakaviana izay tsy mpino na ny fiarahana amin’ny mpiara-miasa izay tsy mpino.

Any amin’ny toerana notokanana toy ny tempoly sy ny trano fivavahana ary ny tokantranontsika isika dia tokony hampianatra mazava tsara ary antsakany sy andavany ny fahamarinana sy ny didy araka ny fahatakarantsika azy avy amin’ny drafitry ny famonjena voambara ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Ny zontsika hanao izany dia voaron’ny antoka ao amin’ny lalampanorenana ny amin’ny fahalalahana hiteny sy fahalalahana ara-pivavahana, ary voaron’ny zo hitokana izay voahaja na dia any amin’ireo firenena izay tsy manana antoka ôfisialy avy amin’ny lalampanorenana aza.

Eo imasom-bahoaka, izay ambara na ataon’ireo olom-pivavahana dia mitaky fandinihana fanampiny. Misahana ny ankamaroan’ireo fepetra raisina eo amin’ny fiarahamonina mba hanamelohana ny fandikan-dalàna iray ny fiainana ny fivavahana amin-kalalahana, saingy miankina amin’ny fahaiza-manao takina mba hampifanaraka ny zavatra inoan’ny hafa sy ny fomba fanaony izany. Ny lalàna dia afaka mandrara ny fitondrantena izay eken’ny rehetra ho ratsy na tsy azo ekena, toy ny fanararaotana ara-nofo, ny herisetra, ny fitondrantena hafa mampihorohoro, na dia rehefa ataon’ireo mahery fihetsika amin’ny anaran’ny fivavahana aza. Ny fitondrantena izay tsy dia mampidi-doza loatra, na dia tsy azo ekena aza ho an’ny mpino sasany, dia mety ho tokony hiaretana tsotra izao raha lasa eken’ny lalàna noho ilay antsoin’ny mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe “feon’ny vahoaka” (Môsià 29:26).

Eo amin’ny resaka lahateny imasom-bahoaka, dia tokony harahintsika rehetra ny fampianaran’ny filazantsara hoe mitia ny namana sy manalavitra ny fifandirana. Ireo mpanaradia an’i Kristy dia tokony ho ohatra amin’ny fahalalam-pomba. Tokony ho tia ny olon-drehetra isika, hahay hihaino, ary haneho fahalianana ho an’ny zavatra inoan’izy ireo amin-kitsimpo. Na dia tsy miombon-kevitra aza isika dia tsy tokony hanafintohina. Ny fanehoantsika hevitra sy ny filazana ataontsika mikasika ny lohahevitra mampiady hevitra dia tsy tokony hiteraka fifandirana. Tokony ho hendry isika rehefa manazava sy mijoro amin’ny fotokevitsika sy rehefa mitaona ny hafa. Rehefa manao izany dia hangatahantsika ny hafa mba tsy ho tafintohina noho ny zavatra inoantsika amin-kitsimpo sy ny fiainantsika amin-kalalahana ny fivavahantsika. Mamporisika antsika rehetra izahay hampihatra ilay fitsipika volamena an’ny Mpamonjy hoe: “Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany” (Matio 7:12).

Rehefa mifanohitra amin’ny fenitra arahantsika ny fironan’ny daholobe sy ny lalàna dia tokony hoekentsika amim-pahalalam-pomba izay voka-dratsiny ary haneho fahalalam-pomba isika amin’ireo fahavalontsika. Na inona na inona mitranga dia tokony ho olona tsara fanahy amin’ny rehetra isika, mandà rehefa mety karazana fanenjehana, tafiditra ao anatin’izany ny fanenjehana mifototra amin’ny volon-koditra, ny foko, ny finoana ara-pivavahana na ny tsy finoana, ary ny fahasamihafana eo amin’ny fironana eo amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy.

V.

Fitsipika ankapobeny no noresahako teo. Izao aho dia hiresaka momba ny fomba tokony hampiharana ireo fitsipika ireo eo amin’ny karazana toe-javatra mahazatra samihafa izay tokony hanarahana amim-pahatokiana kokoa ireo fampianaran’ny Mpamonjy.

Atomboko amin’izay ianaran’ireo zanatsika rehefa milalao izany. Matetika loatra ireo tsy Môrmôna aty Utah no tafintohina na navakavahan’ny sasany amin’ireo mpikambana ato amintsika izay tsy mamela ny zanany hinamana amin’ireo ankizy hafa finoana. Azo antoka fa afaka mampianatra soatoavina sy fitsipi-pitondrantena amin’ireo zanatsika isika kanefa tsy manao izay hampihataka azy ireo na izay hanehoan’izy ireo tsy fanajana amin’izay mety ho tsy mitovy aminy.

Mpampianatra maro ato am-piangonana na any an-tsekoly no malahelo eo anatrehan’ny fomba fifampitondran’ireo zatovo sasantsasany, tafiditra amin’izany ireo zatovo Olomasin’ny Andro Farany. Azo antoka fa ilay didy hoe mifankatiava dia ahitana fitiavana sy fanajana eo amin’ny samy hafa finoana ary koa eo amin’ny samy hafa foko sy kolontsaina ary fari-piainana. Omenay fanamby ireo zatovo rehetra mba hiala amin’ny fanaovana tsindry hazo lena, ny fitenenan-dratsy na fiteny sy fomba fanao izay minia manao izay hampijaly ny hafa. Izany rehetra izany dia mandika ilay didin’ny Mpamonjy hoe mifankatiava.

Nampianatra ny Mpamonjy fa ny fifandirana dia fitaovan’ny devoly. Tena mampianatra zavatra mifanohitra amin’ny fiteny sy ny fomba fanaon’ny mpanao pôlitika ankehitriny izany. Ny fifandraisana amin’ny olona na ny firehana izay tsy manaraka ny zavatra inoanao dia ilaina amin’ny pôlitika, saingy ny tsy fitoviana ara-pôlitika dia tsy voatery hisy fifamelezana manokana izay manakantsakana ny fizotran’ny fitantanam-panjakana ary manasazy ireo mandray anjara. Isika rehetra dia tokony hiala lavitry ny fanaovana fanambarana feno fankahalana ary tokony hampihatra fahalalam-pomba rehefa misy tsy fitovian-kevitra.

Ny sehatra manan-danja indrindra hanoherana ny fifandirana sy hampiharana ny fanajana ny fahasamihafana dia ao an-tokantranontsika sy eo amin’ny fifandraisan’ny mpianakavy. Tsy azo ialana ny fahasamihafana—ny sasany bitika ary ny sasany goavana. Mikasika ny fahasamihafana goavana dia mieritrereta hoe manao tokantrano maso ny olona iray ao amin’ny fianakaviana. Izany dia mahatonga fifanoherana eo amin’ny soatoavina roa manan-danja—ny fitiavantsika an’ilay olona ao amin’ny fianakaviana sy ny fanolorantenantsika amin’ny didy. Raha manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika dia afaka maneho hatsaram-panahy feno fitiavana kanefa mbola hentitra amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fanoherana ny fihetsika izay manome vahana na toa manamarina ny zavatra izay fantatsika fa tsy mety.

Ohatra iray hafa eo amin’ny fifandraisan’ny mpianakavy no hamaranako azy. Tamin’ny fihaonamben’ny tsatòka iray tany amin’ny faritra afovoan’i Etazonia teo amin’ny 10 taona lasa izay, dia nihaona tamin’ny rahavavy iray aho izay nilaza tamiko fa ny vadiny, izay tsy mpikambana, dia nanaraka azy tany am-piangonana nandritra ny 12 taona kanefa tsy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana mihitsy. Inona no tokony hataony hoy izy. Notoroiko hevitra izy hanohy ny zavatra tsara rehetra ary hanam-paharetana sy ho tsara fanahy amin’ny vadiny.

Teo amin’ny iray volana taty aoriana dia toy izao no nosoratany taty amiko: “Eny, nihevitra aho fa efa fanehoana faharetana ampy ireo 12 taona ireo, saingy tsy fantatro raha toa ka tena tsara fanahy aho tamin’izany. Ka dia tena nampihatra mafy izany aho nandritra ny iray volana mahery, dia lasa natao batisa izy.”

Mahery ny hatsaram-panahy, indrindra eo amin’ny sehatry ny fianakaviana. Toy izao no tohin’ny taratasiny: “Mbola miezaka ny ho tsara fanahy kokoa ihany aho ankehitriny satria miomana ny ho fehezina any amin’ny tempoly izahay amin’ity taona ity!”

Enin-taona taty aoriana izy dia nanoratra taratasy iray hafa ho ahy: “[Vao] avy nantsoina ho evekan’ [ny paroasinay] ny vadiko.”2

VI.

Eo amin’ny fifandraisana maro sy ny toe-javatra maro tokoa eo amin’ny fiainana dia tsy maintsy miara-miaina amin’olona tsy mitovy amintsika isika. Raha mihatra aman’aina dia tsy tokony ho lavina na hafoy ny lafiny avy aty amintsika amin’ireo tsy fitoviana ireo, saingy amin’ny maha-mpanaradia an’i Kristy antsika dia tokony hiaraka hiaina amim-pahatoniana amin’ny hafa izay tsy mitovy soatoavina amintsika isika na izay tsy manaiky ireo fampianarana izay ifotoran’izany. Ilay drafitry ny famonjena an’ny Ray, izay fantatsika avy amin’ny fanambarana ara-paminaniana, dia mametraka antsika ao anatin’ny toe-javatra iainana eto an-tany izay natao hitandremantsika ny didiny. Tafiditra ao anatin’izany ny mitia ireo mpiara-belona izay hafa kolontsaina sy finoana amin’ny fomba nitiavany antsika. Araka ny nampianarin’ny mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia tsy maintsy mibosesika mandroso isika, ka manana “fitiavana an’Andriamanitra sy ny olon-drehetra” (2 Nefia 31:20).

Na sarotra tahaka izany aza ny miaina ao amin’ny sahotaka manodidina antsika dia azo lazaina fa ilay didin’ny Mpamonjintsika hoe mifankatiava tahaka ny itiavany antsika no fanamby lehibe indrindra hatrehantsika. Mivavaka aho mba hahatakarantsika izany sy hiezahantsika miaina izany eo amin’ny fifandraisantsika rehetra sy ny zavatra rehetra ataontsika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Ny Fitiavana—Fitsipika Fototry ny Filazantsara,” Liahona, Mey 2014, 91.

  2. Taratasy ho an’i Dallin H. Oaks, 23 Jan. 2006, sy 30 Ôkt. 2012.