2014
Fanohanana ireo Mpiandraikitra ato amin’ny Fiangonana
Nôvambra 2014


Fanohanana ireo Mpiandraikitra ato amin’ny Fiangonana

Aroso amintsika ny hanohanantsika an’i Thomas Spencer Monson amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy, ary Filohan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; i Henry Bennion Eyring amin’ny maha-Mpanolotsaina Voalohany azy ao amin’ny Fiadidiana voalohany; ary i Dieter Friedrich Uchtdorf amin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanantsika an’i Boyd Kenneth Packer amin’ny maha-Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy sy ireto manaraka ireto amin’ny maha-mpikambana azy ireo ao amin’io kôlejy io: Boyd K. Packer, L. Tom Perry, Russell M. Nelson, Dallin H. Oaks, M. Russell Ballard, Richard G. Scott, Robert D. Hales, Jeffrey R. Holland, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, ary Neil L. Andersen.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra dia afaka maneho toy izany koa.

Aroso amintsika ny hanohanantsika ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Ireo rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho amin’izay fomba izay ihany.

Aroso amintsika ny hisaorantsika miaraka amin’ny fankasitrahana ny Loholona isany Carlos H. Amado sy William R. Walker noho ny asa fanompoana tena tsara nataony tamin’ny naha-mpikambana azy ireo tao amin’ny Kôlejy Voalohany ary manendry azy ireo ho Manampahefana Ambony nahavita ny asany tamim-pahamendrehana.

Ireo izay maniry ny hiaraka aminay haneho fankasitrahana noho ny asa fanompoana feno fanolorantena nataon’izy ireo dia aoka haneho izany.

Ny Loholona isany Arayik V. Minasyan sy Gvido Senkans dia nisaorana tamin’ny naha-Fitopololahin’ny Vondrom-paritra azy ireo. Aroso amintsika ny hanolorantsika fanehoam-pankasitrahana noho ny asa fanompoana nataon’izy ireo.

Ireo rehetra manohana dia angatahana mba haneho izany.

Aroso mba hotohanantsika ireo Manampahefana Ambony hafa sy ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra ary ireo fiadidian’ny vondrona fanampiny maneran-tany araka izay misy ankehitriny.

Ireo izay manohana dia aoka mba haneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany.

Misaotra anareo ry rahalahy sy rahavavy noho ny finoanareo sy ny vavaka ataonareo ho anay.