2014
Eny, Tompo ô, Hanaraka Anao Aho
Nôvambra 2014


Eny, Tompo ô, Hanaraka Anao Aho

Manasa antsika ny Tompo amin’ny fampiasana matoanteny samihafa: “Mankanesa aty amiko,” “Manaraha Ahy,” “Miaraha-mandeha Amiko.” Amin’ireo tranga tsirairay ireo izany dia fanasana hihetsika.

“Fa indro, ny Tompo dia manome ny firenena rehetra olona avy amin’ny firenena sy ny fiteniny avy ihany mba hampianatra ny teniny.”1 Mbola tanteraka indray io soratra masina io androany satria nomena fahafahana aho hanambara ny fahatsapako amin’ny fitenin-drazako.

Tamin’ny taona 1975 tamin’izay, misiônera tanora nanompo tao amin’ny misionan’i Uruguay Paraguay aho tamin’izany. Nandritra ny volana voalohany tany amin’ny misiona dia nikarakara fiaraha-mientana iray ireo misiônera mpitarika ny faritra, mba hanehoana fitsipika iray ao amin’ny filazantsara. Notampenana ny mason’ny misiônera tsirairay tao amin’ny faritra mba tsy hahita ary nolazaina taminay fa asaina izahay hanaraka lalana iray izay mitondra mankany amin’ny kianja mitafo natokana ho an’ny kolontsaina. Tokony hanaraka ny feon’ny mpitarika iray voafidy manokana izahay, feo izay efa henonay talohan’ny hanombohanay ny dia. Kanefa nampitandremana izahay fa mandritra ny dia, dia haheno feo maromaro izahay izay hiezaka hanakorontana anay sy hampivily lalana anay.

Rehefa avy naheno tabataba sy feo miteny nandritra ny minitra vitsy izahay, ary—teo anivon’izany rehetra izany—feo iray izay nilaza hoe “Manaraha ahy,” dia natoky tena aho hoe ilay feo tena izy no narahiko. Nony tonga tao amin’ny kianja mitafo natokana ho an’ny kolontsaina tao am-piangonana izahay dia nasaina nanaisotra ireo lamba nanakona ny masonay. Rehefa nanao izany aho dia nahatsikaritra fa nizara ho andiany roa izahay ary izaho dia tao amin’ilay andiany izay nanaraka ilay feo tsy izy. “Tena nitovy be tamin’ilay feo tena izy ilay izy teo,” hoy aho anakam-po.

Io zavatra niainako 39 taona lasa io dia nisy fiantraikany naharitra tamiko. Nivoady tamin’ny tenako aho hoe “Tsy mba hanaraka ilay feo diso intsony intsony aho.” Ary dia hoy aho anakam-po hoe “Eny, Tompo ô, hanaraka Anao aho.”

Tiako ny hampifandray io zavatra niainako io amin’ilay fanasana feno fitiavana omen’ny Mpamonjy antsika hoe:

“Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny [ondriko]. …

“Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.”2

Ilay fanasana “hanaraka Azy” dia fanasana faran’izay tsotra sy mivantana ary mahery mety ho voaraintsika. Avy amin’ny feo mazava izay tsy mety afangaro amin’ny hafa izany.

Manasa antsika ny Tompo amin’ny fampiasana matoanteny samihafa: “Mankanesa aty amiko,” “Manaraha Ahy,” “Miaraha-mandeha Amiko.” Amin’ireo tranga tsirairay ireo dia tsy fanasana hiandry ny hohetsehina izany fa fanasana hihetsika. Miantefa amin’ny olombelona rehetra izany avy amin’ilay iray izay Mpaminanin’ny mpaminany, ilay Mpampianatry ny mpampianatra, ilay Zanak’ Andriamanitra, ilay Mesia.

Ilay Fanasana hoe “Mankanesa aty Amiko”

“Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”3

Ianareo izay tsy mbola mpikamban’ny Fiangonana dia hahazo io fanasana io amin’ny alalan’ny feon’ireo misiônera manao hoe “Hamaky ny Bokin’i Môrmôna ve ianao? Hivavaka ve ianao? Handeha hiara-hiangona aminay ve ianao? Hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy ve ianao ka hataon’ireo izay manana fahefana batisa?”4 Ahoana no havalinao io fanasana io anio?5

Manasa anao aho hihaino sy hanaiky ilay hafatra amin’ny fitenenana hoe, “Eny, Tompo ô, hanaraka Anao aho!”

Nihaona tamin’ireo misiônera i Carlos Badiola sy ny fianakaviany, any Minas, Uruguay. Koa satria nametraka fanontaniana marobe ireo elder nandritra ny lesona, dia nanapa-kevitra ilay fianakaviana hanasa mpifanolobodirindrina iray izay tsy mpikambana—zazavavy tsara tarehy 14 taona antsoina hoe Norma—mba hanampy azy ireo hamaly fanontaniana. Mpianatra nahafatra-po tany amin’ny lycée i Norma izay nandalina ny Baiboly tany am-pianarana tamin’io taona io, ka rehefa nametraka fanontaniana ireo misiônera dia avy i Norma hamaly. Naman’ny Fiangonana “tena mahavelom-bolo” izy. Mikasika ny Tenin’ny Fahendrena ny lesona tamin’izay andro izay.

Rehefa nody tany an-trano izy taorian’ny lesona niaraka tamin’ireo misiônera, dia fantatr’i Norma izay tokony hataony. Hoy izy tamin-dreniny: “Neny a, manomboka izao dia tsy kafe amin-dronono intsony ny ahy. Ronono fotsiny.” Io fihetsika io no ahitana ety ivelany ny faniriany hanaiky ilay fanasana hanaraka an’i Kristy, araka izay nataon’ireo misiônera.

Samy natao batisa i Carlos Badiola sy i Norma. Taty aoriana dia nanaraka ny ohatr’i Norma ny reniny sy ny rainy ary ireo iray tampo aminy ka natao batisa ihany koa. Niara nitombo tao amin’io sampana kely kanefa natanjaka io izaho sy i Norma. Taty aoriana, rehefa nody avy nanao asa fitoriana aho, dia nivady izahay. Efa fantatro hatramin’izay fa ho mora kokoa ny manaraka ny Mpamonjy raha eo anilako izy.

Ireo izay mpikamban’ny Fiangonana ary efa nanaiky io fanasana io dia manavao izany fanolorantena izany isan-kerinandro amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.6 Ao anatin’izany fanolorantena izany ny fitandremana ny didy, ary rehefa manao izany ianareo dia milaza hoe “Eny, Tompo ô, hanaraka Anao aho!”7

Ilay Fanasana hoe “Manaraha Ahy”

Izany fanasana “Manaraha Ahy” izany dia nataon’ny Tompo tamin’ilay mpanan-karena vao herotrerony. Nitandrina ireo didy ilay zatovolahy mpanan-karena nandritra ny androm-piainany. Rehefa nanontany izy hoe inona koa no mbola azony hatao, dia nahazo valiny izay nahitana fanasana mazava izy hoe: “Avia hanaraka Ahy.”8 Kanefa, na dia tsotra aza ilay fanasana, dia tsy hoe tsy nitaky fahafoizana. Nitaky ezaka izany—niampy fanapahan-kevitra sy asa.

I Nefia mpaminany dia nanasa antsika handini-tena raha nanontany hoe “Ary niteny tamin’ ny zanak’ olombelona [i Jesoa] hoe: Manaraha Ahy. Noho izany ry rahalahiko malala, ahoana no ahazoantsika manara-dia an’ i Jesoa raha tsy vonona ny hitandrina ny tenin’ ny Ray isika?”9

Ilay fanasana hankany Aminy, mba hihaino ny feony sy hanaraka izany no hafatr’ireo misiônera hatrany am-piandohana, ka nanampy ny maro hanova ny fiainany ho tsara kokoa.

Dimampolo taona lasa izay no nidiran’ireo misiônera tao amin’ny trano fanamboarana famantaranandro an’ny raiko, mba hametraka famantaranandro ho amboarina. Toy ny fanaon’ireo misiônera mahafatra-po dia nararaotin’izy ireo io fotoana io hiresahana tamin’ireo ray aman-dreniko momba ny filazantsara. Nandray ireo misiônera ny raiko ary nanaiky ilay hafatra sy ilay fanasana hanaraka an’i Kristy ny reniko. Nanomboka tamin’io andro io ka hatramin’izao dia nijanona ho mavitrika tao amin’ny Fiangonana hatrany ny reniko. Hoy izy hoe: “Eny, Tompo ô, hanaraka Anao aho!”

Rehefa miezaka manaraka Azy ianao dia hahazo hery hahazakana ireo enta-mavesatry ny fiainana, na ara-batana izany na ara-panahy, sy hiaina fiovana tsara ao anaty izay hanampy anao ho sambatra kokoa.

Ilay fanasana hoe “Miaraha-mandeha Amiko”

I Enôka dia nantsoina hitory filazantsara tamin’ny vahoaka iray mafy hatoka sy mafy fo. Tsy nahatsiaro tena ho mendrika hanao izany izy. Nanana ahiahy izy hoe hahavita izany sa tsia. Nampitony ny ahiahiny ny Tompo ary nampatanjaka ny finoany tamin’ny alalan’ny fanasana hoe “Miaraha-mandeha Amiko”—fanasana izay toy ny tehin’ny jamba na ny sandrin’ny namana iray, afaka mitarika ny dian’ny olona iray izay tsy azo antoka ny famindrany. Rehefa nandray ny tanan’ny Tompo i Enôka ka niara-nandeha Taminy, dia nahita fa lasa nihamarina ny famindrany ary dia lasa misiônera lehibe sy mpaminany izy.10

Ny fanapahan-kevitra hanaraka ilay hoe “mankanesa aty Amiko” sy ny hoe “manaraha Ahy” dia an’ny tena samirery. Rehefa manaiky io fanasana io isika dia miha avo lenta ny fanolorantenantsika, ary amin’izay fotoana izay isika no afaka “miara-mandeha Aminy.” Io haavo io dia manorina fifandraisana akaiky kokoa an’ny Mpamonjy—ilay vokatry ny fanekentsika ilay fanasana voalohany.

Samy nanaiky tsirairay ilay fanasana hoe “mankanesa aty Amiko” sy hoe “manaraha Ahy” izaho sy i Norma. Avy eo dia niaraka nifanohana izahay ka niara-nianatra ny hiara-mandeha Aminy.

Ny ezaka sy ny finiavana hikatsaka Azy sy hanaraka Azy dia ho valiana soa amin’ny alalan’ny fanomezana ireo fitahiana izay ilaintsika.

Izany no nitranga tamin’ilay vehivavy izay nahavita, rehefa niezaka mafy, nikasika ny fitafin’ny Mpamonjy11 sy tamin’i Bartimeo, ilay jamba, izay ny finiavany no nahatonga ilay fahagagana izay nitranga teo amin’ny fiainany.12 Amin’ireo tranga roa ireo dia fanasitranana vatana sy fanahy no tanteraka.

Atsory ny tananao, ka kasiho ny fitafin’ny Tompo, ekeo ny fanasany, ary mitenena hoe “Eny, Tompo ô, hanaraka Anao aho!”—miaraha-mandeha Aminy.

Ny “Mankanesa aty Amiko,” sy ny “Manaraha Ahy,” ary ny “Miaraha-mandeha Amiko” dia fanasana izay ahitana hery anaty—ho an’ireo izay manaiky izany—mba hanova ny fiainanao sy hiteraka fiovana ao anatinao izay hitaona anao hanambara hoe “tsy manana fironana hanao ratsy intsony [aho] fa ny hanao soa lalandava kosa.”13

Ho fanehoana ivelany izany fiovana eo aminao izany dia hahatsapa faniriana mafy ianao “[hamonjy] ny osa, [hampiakatra] ny tanana izay miraviravy, ary [hanatanjaka] ny lohalika malemy.”14

Inona avy ireo dingana azontsika atao ankehitriny mba “[hiarahana] mandeha Aminy”?

  1. Fahano ilay faniriana te ho mpanaradia tsara kokoa an’i Kristy.15

  2. Mivavaha ho an’io faniriana io mba ho afaka hitombo ny finoanao Azy.16

  3. Manovoza fahalalana avy ao amin’ny soratra masina, izay manazava ny lalana sy mampahery ny fanirianao hiova.17

  4. Raiso izao ankehitriny izao ny fanapahan-kevitra hihetsika ary mitenena hoe “Eny, Tompo ô, hanaraka Anao aho!” Ny fahalalana fotsiny ny fahamarinana dia tsy hanova ny tontolonao raha tsy avadikao ho lasa hetsika ny fahalalanao.18

  5. Mitozoa amin’ilay fanapahan-kevitra noraisinao amin’ny fanarahana ireo fitsipika ireo isan’andro.19

Enga anie ireo tenin’ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Thomas S. Monson, ka handrisika antsika hanao zavatra eo amin’ny faniriantsika hanaiky ny fanasan’ny Mpamonjy. Hoy ny Filoha Monson hoe “Iza moa ity Mpanjakan’ny voninahitra izay Jehovah Tompon’ny maro ity? Izy no Tompontsika. Izy no Mpamonjintsika. Izy no Zanak’Andriamanitra. Izy no mpanantanteraka ny Famonjena antsika. Miantso Izy hoe ‘Manaraha Ahy.’ Maniraka Izy hoe ‘Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa.’ Mitalaho Izy hoe ‘[Tandremo] ny didiko.’”20

Enga anie isika handray ny fanapahan-kevitra androany mba hampitombo ny haavon’ny fiderantsika an’Andriamanitra sy ny fanolorantenantsika Aminy, ary enga anie ka ho re mafy sy mazava ny valintenintsika amin’ny fanasany, manao hoe: “Eny, Tompo ô, hanaraka Anao aho!”21 Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.